- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 momba ny fibodoan'i Japàna an'i Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Shina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara
Comfort Women Waiting at a Train Station in China in 1937 [1]

Mpiasa ivelan'ny tafika, shinoa sy japôney, mandray ny lavenon’ (ireo miaramila lavo an'ady) (国防婦人会員と共に遺骨の出迎をする愛路婦女隊員 [1]), tahirin'ny orinasan-dalamby ao Shina Avaratra. Sary nopihana tao amin'ny toby fiantsonana ao Changxindian [2], amin'ny zotra Pékin–Guangzhou, Desambra 1939. Lisansan'ny sary: CC BY 4.0. [3]

Misy angondrakitra iray vaovao ety anaty aternieto natomboka tamin'ny Febroary 2019 ary manome topimaso momba ny fiainana teo ambany fibodoan'ny japôney ny ilany avaratra atsinanan'i Shina. Ny tahirin'ny orinasan-dalamby ao Shina Avaratra [4], izay nanasokajy ireo saripîka 39.775 tao anaty tahiry iray misy fomba anaovana fikarohana, dia fiarahana niasa teo aminà ivontoerana japôney sy ny oniversite-n'i Kyoto, izay nahazo ireo saripika [5] avy any amin'ny fiafaràn'ny Ady Lehibe Faharoa.

Hatramin'izao 2019 izao, betsaka ireo fampirantiana efa nokarakarain'ny oniversite-n'i Kyoto izay kely monja ihany amin'ireo saripika avy amin'ilay tahiry no naseho. Na ny natioran'ireo saripika, nalaina mba hanasongadinana, na koa hanafenana ny fibodoan'ny japôney ny tapany avaratr'i Shina, na ny rivo-piainana ankapobeny tamin'ireo fampirantiana saripika [6], dia samy voalaza ho niteraka fanehoankevitra nivaivay avokoa tany ivelan'i Japàna, tany Shina.

memorial for workers killed during construction [7]

Maribolan'ny sary : “Tantsaha midera ny fametrahana ny zotran-dalamby Shidexian sy ireo tsangambato ho fahatsiarovana ireo mpiasa namoy ny ainy tamin'ny fanorenana” (建設の人柱の墓と開通を喜ぶ農民), Wangjiajing [8], 1941. Loharanon-tsary: Tahirin'ny orinasan-dalamby ao Shina Avaratra. [7] Lisansan'ny sary : CC BY 4.0.

Amin'ny maha-loharanom-pahalalàna voalohany azy, ny endriny tany am-boalohany mihitsy no tahirizin'ireo saripika navadika ho nomerika, sy ireo antontan-taratasy amin'ny antsipirihany momba ny toerana nakàna ny sary, ny fotoana nanapihana azy, ny anaran'ny mpakasary sy ireo fanamarihana momba izay asehon'izy ireny.

Tany am-piandohana, ireo sary ireo dia natao ho toy ny bankin-tsary fampahafantarana, ary ireo mpiasan'ny orinasan-dalamby (華北交通 [9]) tao Shina Avaratra no naka azy. Orinasa niasa tany amin'ny faritra nofehezin'ilay lazaina hoe governemanta vonjimaikan'ny repoblikan'i Shina [10] (中華民国臨時政府, amin'ny teny japôney), fanjakana saribakoly [10] tany avaratra-atsinanan'i Shina notohanan'ireo tafika japôney mpanjakazaka nandritra ny ady nifanaovan'ny shinoa sy ny japôney, ary niaraka niasa taminy.

Zotra mahatratra kilaometatra maro no notantanin'ilay orinasan-dalamby tany avaratra atsinanan'i Shina, nampitohy an'i  Jingjinji [11] izay nanodidina an'i Pékin sy Harbin ary ireo tanandehibe hafa tao Mandchourie, izay nisy fanjakana saribakoly japoney iray [12][fr] tao avaratra atsinanan'i Shina.

buddhas

Antsipirihan'ny sary : Bouddhas amin'ny vato ao amin'ny lavabato ao Yungang [13] [fr] any Datong [14] tamin'ny 1939. Loharanon'ny sary : Tahirin'ny orinasan-dalamby tao Shina avaratra [15]. Lisansan'ny sary : CC BY 4.0.

Ankoatra ny fanasongadinana ireo fampiasambola japoney tamin'ny resaka fotodrafitrasa tao amin'ny faritra sy ny fametrahana ny lamina ary fandriampahalemana lazaina fa avy amin'ny fibodoan'ny japoney, ireo sary dia mampahafantatra ihany koa ireo toerana fanaovana fizahantany manerana ilay tambajotram-piarandalamby (sarintany [16]) notrandrahan'ilay orinasa mpitatitra tao Shina Avaratra.

寺後街の鼓楼

Antsipirihan'ny sary : Tilikambon'ny amponga ao akaikin'ny fiantsonana ao Kaifeng [17] amin'ny zotram-pitaterana Longhai tamin'ny 1939. Loharanon'ny sary : Tahirin'ny orinasan-dalamby tao Shina Avaratra [18]. Lisansan'ny sary : CC BY 4.0.

Ireo isa maroben'ny sary ao anatin'ilay tahiry dia maneho fa misy endri-piainana marobe amin'ny fiainana an-tanandehibe ao Beiping (Beijing amin'izao fotoana izao, Pékin amin'ny teny frantsay) sy any amin'ireo toerana hafa any avaratra atsinanan'i Shina nandritra ireo taona marobe nibodoan'i Japàna tany amin'ny taona 1930 sy 1940.

Image caption: "The view from Hengshui Castle" [19]

Maribolan'ny sary : “Fitazanana ny lapabe Hengshui” (衡水城外を望む). Sary nopihana teny akaikin'i Hengshui [20] tamin'ny Jolay 1941. Loharanon'ny sary : Tahirin'ny orinasan-dalamby tao Shina Avaratra. [19] Lisansan'ny sary : CC BY 4.0.

Satria ireo saripika dia ireo mpakasary niasa ho amin'ny fampahafantarana ilay orinasa mpitatitra tao Shina Avaratra no nanakarama azy ireo, tsy misy taratra antontan-taratasy momba ireo fijaliana nihoam-pampana niainan'ireo vahoaka shinoa nandritra ny ady sy ny fibodoana an'i Shina nandritra ny adin'i japoney sy ny shinoa izay nanomboka ny 1937 hatramin'ny 1945. Vinavinaina ho maherin'ny 22 tapitrisa no isan'ireo shinoa olontsotra maty [21] [fr] nandritra ireo taona ireo, noho ny habibiana tsy roa am-tany nanjo azy ireo nataon'ireo japoney mpanani-bohitra, ohatra, nandritra ny fandripahana tao Nankin  [22][fr].

Ny fanolorana ety anaty tambajotra ireo tahirin'ny lalamby tao Shina Avaratra dia tsy manamarika ny anjara toeran'i Japàna [23] amin'ny naha-mpibodo sy mpanjanaka azy, fa nifantoka misimisy kokoa tamin'ny varavarankelin'ny lasa natolotr'ilay tahirin-tsary :

日中戦争のさなかに発足した華北交通が広報用に撮った写真には、戦闘状況はほとんど描かれておらず、地域の交通インフラの整備、資源開発、産業の育成をはじめとして、風土、民俗、文物など多様かつ多彩なイメージが盛り込まれています。グラビア雑誌や新聞、各種博覧会で公表された写真は軍などの検閲が必要でしたが、未使用の写真はそうした規制を経てはいません。そのため、この膨大なストックフォト全体を注意してみれば、80年近く前の中国の風景を読み取ることも可能なのです。その一部には、いまの中国で失われたランドスケープも含まれています。

Ireo saripika nalain'ilay orinasam-pitaterana tao Shina Avaratra, notontosaina tany afovoan'ny ady nifanaovan'i shinoa sy japoney, dia natao indrindra ho amin'ny resaka fifandraisana amin'ny daholobe, ary tsy niresaka afa-tsy kely monja ny zavatra niainana teny an-tanin'ady. Voarakitra bebe kokoa  mandrakizay ao anatin'ireo sary ny kolontsaina, ny fomba amam-panao (tao Shina tamin'izany fotoana izany) ary hatramin'ny fivoaran'ny fotodrafitrasa momba ny fitaterana, ny loharanon-karena sy ny indostria tao amin'ny faritra. Raha toa ka noraràn'ny tafika ny famoahana ireny saripika ireny tanaty gazetiboky mampiasa taratasy malamalama, ny gazety ary ireo maro hafa, ireo saripika tsy navoaka kosa (avy amin'io tahiry io) dia tsy mba niharan'ireny sivana ireny. Rehefa jerena tsara ity tahirin-tsary midadasika be ity, dia tena azo atao ny manana topimaso amin'ilay Shina tany amin'ny 80 taona lasa tany ho any. Asehon'ny sary sasantsasany ireo faritra tazamaso tsy misy ao Shina amin'izao fotoana izao.

Ireo saripika ihany koa dia asehon'ny fampirantiana nokarakarain'ny Oniversiten-i Kyoto, nampitondrainy ny anarana hoe “Shina, 80 taona talohan'izao [24]” (80年前の中国), ho toy ny loharano entina manakatra ny lasa ary tsy manondro izay anjara asan'i Japàna nandritra ilay ady.

Mampiako lahatsoratra iray amin'ny teny anglisy nosoratan'ny South China Morning Post [25], manamarika [26] ny mpaneho hevitra iray izay manoratra ho an'ny RecordChina, tranonkalambaovao japoney miompana amin'i Shina  :

「中国メディアの参考消息によると、両国のネットユーザーの注目点は大きく異なり、中国のSNS上では『歴史を心に刻み、国辱を忘れるな』との声が次々に上がったのに対し、日本のネットユーザーのコメントは鉄道沿いの風景などに集中していた。NHKも日中両国のネットユーザーの注目点の違いに触れ『多くの中国人にとって、中国に対する日本の侵略とその後の占領は記憶から消えない痛みのようだ』と伝えている」と紹介した。

Tsy mitovy mihitsy ny zavatra mahaliana ireo Japoney sy Shinoa mpampiasa aterineto. Any anaty tambajotra sôsialy shinoa, feno andianà fanehoankevitra milaza ny hoe : “Aza adinoina ny tantarantsika ary aza adinoina ny fanetrena ny voninahi-pirenena (teto Shina).” Ny fanehoankevitr'ireo Japoney mpampiasa aterineto mifantoka amin'ny toerana azo tazanina manamorona ilay zotran-dalamby sns…

Voasokajy mifanaraka aminà tenifototra [27] , taona [28] ary mifanaraka amin'ireo gara [29] akaiky azy indrindra nakàna ny sary ireo saripika miisa 39.775 avy amin'ny tahirin'ny orinasan-dalamby tao Shina Avaratra. Ny lisansa [3] ahafahana mizara sy manova azy dia ankalalahana, raha apetakao ny filazana fa an'ny tahirin'ny orinasan-dalamby tao Shina Avaratra izy ireny.