Nahazo fankasitrahana avy amin'ny filoha Angoley ilay mpikatroka sady mpanao gazety Rafael Marques

Rafael Marques. Sary: MakaAngola. Nahazoana alàlana

Heverin'ny sasany ho mpiaro ny zon'olombelona tsy mitandro hasasarana ao Angola fa mpiady hevitra amin'ny zava-drehetra fotsiny ihany ho an'ny hafa , nomen'ny filohan'ny Repoblikan'i Angola, João Lourenço fankasitrahana ho iray amin'ireo olona manokana niady amin'ny kolikoly sy ho amin'ny fangaraharan'ny governemanta i Rafael Marques.

Natao ny 7 Novambra lasa teo ny lanonana fanolorana ny mari-pankasitrahana. Ankoatra an'i Marques, olona miisa 70 avy amin'ny sehatra maro no nomena voninahitra ho ohatra ho an'ny fiarahamonina Angoley. Nozaraina sokajy telo ny fanolorana voninahitry ny fahaleovantena, Voninahitry ny fahamendrehana sivily, sy ny medailin'ny fananana herimpo ary ny mari-pankasitrahana sivily sy sosialy.

Tamin'ity hetsika ity, niteny momba ireo noravahana ny filoham-pirenena Angoley:

Bravos são aqueles que ao invés de se lamentarem internamente das dificuldades existentes fazem delas oportunidades para vencer na vida, arregaçam as mangas e vão à luta pelo pão para as suas famílias sem dependerem necessariamente de um patrão.

Be herim-po ireo izay tsy mitaraina amin'ny zava-tsarotra iainan'izy ireo fa ny manao izany ho hirika handresena amin'ny fiainana, mamoritra ny tànan'akanjony ary mandeha mitolona hitady sakafo ho an'ny fianakaviany nefa tsy voatery miankina amin'ny lehibeny.

Nilaza ny pejy Facebook ofisialin'ny fiadidian'ny repoblika Angoley fa efa nanonona manokana an'i Rafael Marques tao amin'ny lanonana i Lourenço:

Por ocasião das celebrações do 44° Aniversário da Independência Nacional, o Presidente da República, João Lourenço, condecorou hoje personalidades nacionais e estrangeiras como reconhecimento ao contributo à causa do engrandecimento de Angola.

De forma muito particular, o Chefe de Estado sublinhou a homenagem prestada ao activista cívico Rafael Marques de Morais, pela sua luta destacada desde há vários anos contra a corrupção, o nepotismo e a impunidade.

Noho ny fankalazana ny tsingerintaona faha-44-n'ny Fahaleovantenam-pirenena dia nanome voninahitra ireo olon'ny firenena sy ireo vahiny androany ny filohan'ny Repoblika, João Lourenço, ho fankatoavana ny fandraisan'izy ireo anjara  tamin'ny fampivoarana goavana ho an'i Angola.

Nanasongadina ny fanomezam-boninahitra nomena ilay mpikatroka sivika Rafael Marques de Morais tamin'ny fomba tena manokana ny filoha noho ny ady niavaka nataony tamin'ny kolikoly, ny kiantranoantrano ary ny tsimatimanota nandritra ny taona maro.

Niatrika fanenjehana imbetsaka i Marques noho ny asa fanaovan-gazety nataony teo ambany fitondran'ny filoha teo aloha José Eduardo dos Santos.

Tamin'ny taona 1999, nigadra 42 andro tany am-ponja izy , tsy nisy fiampangana azy ara-dalàna, taorian'ny namoahany lahatsoratra iray namaritra ny Filoha tamin'izany fotona, José Eduardo dos Santos ho “mpanao didy jadona mpanao kolikoly”.

Tamin'ny taona 2018, voampanga ho “nanevateva ny manampahefana” izy noho ny namoahany lahatsoratra tamin'ny volana Oktobra 2016 tao amin'ny vavahadin-tserasera Maka Angola, izay izy no mpanorina sady lehiben'ny toniandahatsoratra ary niresahany  ny ahiahy kolikoly nataon'ny Lehiben'ny Fampanoavana João Maria de Souza.

Tamin'ny taona 2016 no efa nanamelohana azy higadra enim-bolana tany am-ponja ary nampandoavina onitra tamin'ny famoahany ilay boky hoe “Ny diamondra mihoson-drà: Fampijaliana sy kolikoly ao Angola”, izay navoaka tany Paortiogaly tamin'ny taona 2011, ary miresaka momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any amin'ny fitrandrahana diamondra ao amin'ny firenena.

Tamin'ny volana Mey 2018, notolorana ny Loka ho an'ny Maherifon'ny Fahalalahan'ny Gazety Manerantany avy amin'ny Ivontoerana Iraisam-pirenena ho an'ny gazety (IPI) izy.

Nidera ny loka i Marques ho setrin'ny fihetsika nataon'ny Filohan'ny Repoblika:

(…) uma atitude de inclusão de todos os angolanos que muito têm feito para o desenvolvimento de Angola, mas nunca foram reconhecidos.

(…) Fihetsika iray ho amin'ny fampiraisana ireo Angoley rehetra izay nanao ezaka betsaka ho fampandrosoana an'i Angola kanefa mbola tsy nahazo fankatoavana mihitsy.

Fankasitrahana sy fahatalanjonana no zavatra hita tao amin'ireo fanehoan-kevitra samihafa tao amin'ny tambajotra sosialy tany Angola sy tany ivelany.  Niarahaba an'i João Lourenço mihitsy aza i Ana Filgueiras noho ilay fihetsika.

Uauuuu!!!! Quem diria Rafael Marques de Morais ???? Finalmente a tua voz é reconhecida!!! José Eduardo Agualusa ganha um prémio de literatura e agora o Rafael??? Não reconheço Angola.. Parabéns Sr Presidente João Lourenço!!!

Oay e!!!! Iza no nanampo hoe Rafael Marques de Morais ???? Nankatoavina ihany ny feonao ny farany !!! Nahazo ny lokan'ny literatiora i José Eduardo Agualusa ary Rafael ankehitriny ??? Tsy fantatro hoe Angola .. Arahabaina Andriamatoa Filoha João Lourenço !!!❤

Efa niarahaba an'i Marques sahady i João Namburete, avy any Mozambika, saingy manantena izy fa tsy hanova ny fomba fiasany ilay mpanao gazety sady mpikatroka, ary nampahatsiahy fa tao anatin'ny governemanta izay nanao kolikoly tamin'ny lasa i João Lourenço:

Rafael Marques, ontem persona non grata, hoje condecorado pelo Presidente do Estado Angolano, por se dedicar a denunciar crimes financeiro, e corrupção, esperamos que não seja um truque de João Lourenço para se tornar mais popular, porque ele também fazia parte do governo que defraudou o Estado Angolano, governo este que o mesmo esta perseguir, duvido muito que João Lourenço seja Reeleito pelo Comité Central do MPLA para candidatar se ao Próximo Mandato. Parabéns Rafael Marques que esta insígnia não mude a sua forma de trabalhar.

Rafael Marques, omaly olona tsy tiana, anio omen'ny Filoham-pirenena Angoley fankasitrahana, noho ny fahasahiany nanao tatitra momba ny heloka ara-bola sy ny kolikoly, manantena izahay fa tsy tetika ataon'i João Lourenço izany mba hahatonga azy ho lasa malaza kokoa, satria tafiditra tao anatin'ny governemanta izay nanao hosoka ny Fanjakana Angoley ihany koa izy, izay mbola tohizan'ny (enjehana?) governemanta, tena miahiahy mafy aho fa hofidian'ny Komity foiben'ny MPLA indray i João Lourenço mba hilatsaka ho an'ny fotoam-piasana manaraka. Miarahaba an'i Rafael Marques, mba tsy hanova ny fomba fiasanao anie ity mari-pankasitrahana ity.

Raha ny soso-kevitra tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook, nilaza  ny zanakavavin'ny filohan'i Angola teo aloha, Tchizé dos Santos, fa mety hanafenana ny sasany amin'ireo olana fitantanan'ny Filoham-pirenena ankehitriny ny fanomezam-boninahitra nomena an'i Rafael Marques:

E agora que o dito “jornalista de investigação isento” Rafael Marques foi condecorado, já diz que o PR JLO é “honesto”. Não se surpreendam que daqui a pouco Rafael Marques diga que o Presidente angolano “ganhou o Euromilhões”, ou “herdou uma fortuna de um tio Colono” português por isso a sua família tem os bens milionários que têm!!!!

Ary ankehitriny, noravahana ilay antsoina hoe “mpanao gazety mpanao fanadihadiana voarara” Rafael Marques , nilaza izy fa “tokanteny” i PR JLO. Aza gaga raha hilaza vetivety i Rafael Marques fa “nahazo ny EuroMillions”, na “nandova ny harenan'ny dadatoany voanjo Portiogey,” ny filoha Angoley ka manana fananana an-tapitrisany maro azon'izy ireo ny ankohonany noho izany!!!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.