- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Siansa, Tanora, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Ankizivavy mijery ilay fampiharana eo amin'ny telefaonin-dry zareo. Sary an'i GjejZâ, nahazoana alàlana

Tovovavy telo no nanambatra ny heriny hanampiana ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania, firenena iray ahitàna vehivavy iray amin'ny roa [1] mijaly noho ny herisetra.

Arla Hoxha, Dea Rrozhani, sy Jonada Shukarasi — fantatra amin'ny hoe “D3c0ders” — no namorona ny fampiharana anaty finday GjejZâ [2] (midika hoe “tadiavo ny feonao”). Izy io dia mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.

Ilay fampiharana dia manolotra ihany koa ny fampahafantarana momba ireo herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy, ireo tantara manainga fanahy avy amin'ireo vehivavy nahavita nihoitra tao anatin'ny herisetra niainany, ary ireo fanatanjahantena mampianatra ny fomba fifoka rivotra sy ny fandinihantena.

Ny “GjejZâ” dia noforoninà tovovavy albaniàna telo 16 taona tamin'ny  fanantenana fa izy io  dia hanampy amin'ny ady atao amin'ny herisetra an-tokantrano misy ao amin'ny firenena, mifototra amin'ny maha-lahy na vavy. #DomesticViolence [3] #women [4] #humanrights [5] #technology [6] #albania [7] #tirana [8] https://t.co/AA8JryCJGm [9]

Azo trohana [11] ao amin'ny Google Play store ilay fampiharana.

Hita ao amin'ny Play Store ny Gjejzâ
Tadiavo ny feonao amin'ny fampiasàna ireo zavabaovao omenay:
Ao anatin'ilay fandaharam-potoana 30 andro ianao dia hahita fanazarantsaina mba handravàna ireo finoanoampoana momba ny herisetra, ny teknika fandinihantena, ireo tantaram-pahombiazana ary maro hafa!
Mahafantatra olona mety misedra fijaliana ve ianao? Ambarao azy ireo androany ny momba ny GjejZâ! pic.twitter.com/IwqwxE5v4k [12]

Nianatra nanoratra ‘code’ sy namorona fampiharana ireto tovovavy ireto tany aloha, nandritra ny efatra taona, tamin'ny alalàn'ilay hetsika santatra [14] nataon'ny Masoivoho Amerikàna ao Tirana, araka ny hazavaina ao anatin'ny lahatsary Youtube [15] amin'ny teny Albaniana sy Anglisy.

Ao Albania, iray amin'ny vehivavy roa no iharan'ny herisetra, hoy i Iris Luarasi, lehibe mitantana ilay laharan'antso maimaimpoana natao ho an'ireo vehivavy tratry ny fanararaotana, tamin'ny Reuters [1], nitanisa fanadihadiana iray vita tamin'ny 2018. Ampian'ilay fanadihadiana fa tranga 4.000 mikasika herisetra an-tokantrano no voarakitra tamin'io taona io ihany.

Luarasi izy tenany dia iray amin'ireo mpanohana ilay fampiharana:

GjejZa dia ilay fampiharana noforonin'ireto tovovavy manana talenta ireto mba hampifandraisana amin'ny alàlan'ny fampiharana iray monja ireo niharan'ny herisetra, ireo ONG sy ireo sampandraharaha . #DV [16] pic.twitter.com/EkNNwT764I [17]

Ny fikarohana [19] tamin'ny 2018 , izay notohanan'ireo masoivohon'ny Firenena Mikambana, dia nahita fa nandritra ny androm-piainan-dry zareo, 52,9 isanjato tamin'ireo 3.443 vehivavy Albaniana nohadihadiana no niaina karazany dimy tamin'ny herisetra , raha 18,1 isanjato indray niaina fanolanana. Vehivavy teo anelanelan'ny 18 sy 74 ireo nohadihadiana.

Antontanisa mampiahahy: amin'ireo ?? 18.1% no vehivavy niaina herisetra #fanolanana [20]. Ny lohahevitra tamin'ity taona ity ho an'ny #16 Andro Fikatrohana dia : Taranaka mitovy mijoro manohitra ny fanolanana: Miaraka amin'ny @unwomenalbania [21]⁩ ⁦@UNFPAAlbania [22]⁩ ⁦@SwedeninAL [23] hanatevina laharana ny @ShendetesiaAL [24]⁩ Hanely ity hafatra ity manerana ny firenena pic.twitter.com/3n1QES3NyY [25]

Lohateny teny amin'ny pejy voalohan'ireo gazety ireo tovovavy telo ireo rehefa nahazo ny loka tamin'ny fifaninanana Technovation Challenge.

Arahabaina ny D3C0ders, tarika voalohany avy eto Albania tonga tamin'ny famaranana ary nahazo ny toerana voalohany tamin'ny Sokajy Zokiny tamin'ilay fampiharana nataon'izy ireo ho fanohanana ireo sisampatin'ny herisetra an-tokantrano sy ireo vehivavy rehetra amin'ny ankapobeny. Hahazo 15.000 dolara ry zareo ho an'ilay fampiharana / hanohizan'izy ireo ny fianarany. #WorldPitch19 [27] pic.twitter.com/iJp0QhV0JZ [28]

Tena vao haingana, natolotra ho isan'ny hotsaraina hahazo loka iray hafa ry zareo:

Arahaba ry Arla Hoxha, @DRrozhani [30], Jonada Shukarasi, @audreyisabelpe [31], sy @BriannaGopaul [32]! Natolotra ho isan'ireo hiatrika ny “Aspiring Teen Award” ianareo.. #WITGlobalAwards [33] #WomenInTech [34] #EmbraceTech [35] pic.twitter.com/cpMlC80znd [36]