
Ankizivavy mijery ilay fampiharana eo amin'ny telefaonin-dry zareo. Sary an'i GjejZâ, nahazoana alàlana
Tovovavy telo no nanambatra ny heriny hanampiana ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania, firenena iray ahitàna vehivavy iray amin'ny roa mijaly noho ny herisetra.
Arla Hoxha, Dea Rrozhani, sy Jonada Shukarasi — fantatra amin'ny hoe “D3c0ders” — no namorona ny fampiharana anaty finday GjejZâ (midika hoe “tadiavo ny feonao”). Izy io dia mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.
Ilay fampiharana dia manolotra ihany koa ny fampahafantarana momba ireo herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy, ireo tantara manainga fanahy avy amin'ireo vehivavy nahavita nihoitra tao anatin'ny herisetra niainany, ary ireo fanatanjahantena mampianatra ny fomba fifoka rivotra sy ny fandinihantena.
“GjejZâ” was created by three 16-year-old Albanian girls in the hope that it will help to tackle the perpetuating issue of gender-based and domestic violence in the country #DomesticViolence #women #humanrights #technology #albania #tirana https://t.co/AA8JryCJGm
— Alice Taylor (@The_Balkanista) October 9, 2019
Ny “GjejZâ” dia noforoninà tovovavy albaniàna telo 16 taona tamin'ny fanantenana fa izy io dia hanampy amin'ny ady atao amin'ny herisetra an-tokantrano misy ao amin'ny firenena, mifototra amin'ny maha-lahy na vavy. #DomesticViolence #women #humanrights #technology #albania #tirana https://t.co/AA8JryCJGm
Azo trohana ao amin'ny Google Play store ilay fampiharana.
Gjejzâ is available on Play Store
Find your voice by using our features:
In the 30 day program you can find mental exercise on breaking myths about violence, meditation techniques, success stories and more!
Do you know someone who might be suffering? Tell them about GjejZâ today! pic.twitter.com/IwqwxE5v4k— GjejZâ (@GjejZa) October 19, 2019
Hita ao amin'ny Play Store ny Gjejzâ
Tadiavo ny feonao amin'ny fampiasàna ireo zavabaovao omenay:
Ao anatin'ilay fandaharam-potoana 30 andro ianao dia hahita fanazarantsaina mba handravàna ireo finoanoampoana momba ny herisetra, ny teknika fandinihantena, ireo tantaram-pahombiazana ary maro hafa!
Mahafantatra olona mety misedra fijaliana ve ianao? Ambarao azy ireo androany ny momba ny GjejZâ! pic.twitter.com/IwqwxE5v4k
Nianatra nanoratra ‘code’ sy namorona fampiharana ireto tovovavy ireto tany aloha, nandritra ny efatra taona, tamin'ny alalàn'ilay hetsika santatra nataon'ny Masoivoho Amerikàna ao Tirana, araka ny hazavaina ao anatin'ny lahatsary Youtube amin'ny teny Albaniana sy Anglisy.
Ao Albania, iray amin'ny vehivavy roa no iharan'ny herisetra, hoy i Iris Luarasi, lehibe mitantana ilay laharan'antso maimaimpoana natao ho an'ireo vehivavy tratry ny fanararaotana, tamin'ny Reuters, nitanisa fanadihadiana iray vita tamin'ny 2018. Ampian'ilay fanadihadiana fa tranga 4.000 mikasika herisetra an-tokantrano no voarakitra tamin'io taona io ihany.
Luarasi izy tenany dia iray amin'ireo mpanohana ilay fampiharana:
GjejZa is the application invented from this talented girls to connect in one app victims, NGOs and institution. #DV pic.twitter.com/EkNNwT764I
— Iris Luarasi (@Luarasi) October 9, 2019
GjejZa dia ilay fampiharana noforonin'ireto tovovavy manana talenta ireto mba hampifandraisana amin'ny alàlan'ny fampiharana iray monja ireo niharan'ny herisetra, ireo ONG sy ireo sampandraharaha . #DV pic.twitter.com/EkNNwT764I
Ny fikarohana tamin'ny 2018 , izay notohanan'ireo masoivohon'ny Firenena Mikambana, dia nahita fa nandritra ny androm-piainan-dry zareo, 52,9 isanjato tamin'ireo 3.443 vehivavy Albaniana nohadihadiana no niaina karazany dimy tamin'ny herisetra , raha 18,1 isanjato indray niaina fanolanana. Vehivavy teo anelanelan'ny 18 sy 74 ireo nohadihadiana.
Gloomy stats:In ?? 18.1% of women have experienced #sexual violence.This year’s theme #16 Days of Activism is:Generation Equality stands agnst rape: W @unwomenalbania @UNFPAAlbania @SwedeninAL will join @ShendetesiaAL 2convey this message across country pic.twitter.com/3n1QES3NyY
— UNDP Albania (@UNDPAlbania) November 10, 2019
Antontanisa mampiahahy: amin'ireo ?? 18.1% no vehivavy niaina herisetra #fanolanana. Ny lohahevitra tamin'ity taona ity ho an'ny #16 Andro Fikatrohana dia : Taranaka mitovy mijoro manohitra ny fanolanana: Miaraka amin'ny @unwomenalbania @UNFPAAlbania @SwedeninAL hanatevina laharana ny @ShendetesiaAL Hanely ity hafatra ity manerana ny firenena pic.twitter.com/3n1QES3NyY
Lohateny teny amin'ny pejy voalohan'ireo gazety ireo tovovavy telo ireo rehefa nahazo ny loka tamin'ny fifaninanana Technovation Challenge.
Congratulations to D3C0ders, the first team from Albania to become Finalists for winning the 1st place in the Senior Division for their app to support survivors of domestic abuse and women at large. They will receive $15,000 for their app/to further their education. #WorldPitch19 pic.twitter.com/iJp0QhV0JZ
— Technovation (@technovation) August 16, 2019
Arahabaina ny D3C0ders, tarika voalohany avy eto Albania tonga tamin'ny famaranana ary nahazo ny toerana voalohany tamin'ny Sokajy Zokiny tamin'ilay fampiharana nataon'izy ireo ho fanohanana ireo sisampatin'ny herisetra an-tokantrano sy ireo vehivavy rehetra amin'ny ankapobeny. Hahazo 15.000 dolara ry zareo ho an'ilay fampiharana / hanohizan'izy ireo ny fianarany. #WorldPitch19 pic.twitter.com/iJp0QhV0JZ
Tena vao haingana, natolotra ho isan'ny hotsaraina hahazo loka iray hafa ry zareo:
Congratulations Arla Hoxha, @DRrozhani, Jonada Shukarasi, @audreyisabelpe, and @BriannaGopaul! You have been nominated for the Aspiring Teen Award. #WITGlobalAwards #WomenInTech #EmbraceTech pic.twitter.com/cpMlC80znd
— Women in Tech (@WomenInTechOrg) November 4, 2019
Arahaba ry Arla Hoxha, @DRrozhani, Jonada Shukarasi, @audreyisabelpe, sy @BriannaGopaul! Natolotra ho isan'ireo hiatrika ny “Aspiring Teen Award” ianareo.. #WITGlobalAwards #WomenInTech #EmbraceTech pic.twitter.com/cpMlC80znd