- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy manana olana lehibe amin'ny vaovao faikany i Kroasia, hoy ny mpanolotra vaovao

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kroasia, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Damira Gregoret. Sary avy amin'ny pejiny Facebook  [2]ofisialy.

Nivoaka voalohany tao amin'ny Meta.mk News Agency [3] , tetikasan'ny Metamorphosis Foundation. Navoaka eto ambany ny endrika nasiam-panovana ho anisan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mpanangom-baovao ara-politika i Damira Gregoret [4] ary mpampita vaovao amin'ny RTL Kroasia. Tamin'ny Oktobra 2018, nanao lohateny tao amin'ny fampitam-baovao teo an-toerana izy rehefa avy nametra-panontaniana tamin'ny Praiminisitra Kroasiana Andrej Plenkovic nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, izay namaliany [5] azy tamin'ny fomba mieboebo hoe:”Tena mahafinaritra ianao ry Damira.” Niala tsiny tamin'ny ampahibemaso izy taty aoriana.

Niresaka taminy momba ny tontolon'ny fampitam-baovao sy ny fanodikodinam-baovao any Kroasia mandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena, izay atao amin'ny 20 Janoary 2020 ny Meta.mk.

Meta.mk: Mahay mamantatra ny vaovao diso ve ny besinimaro ary hatraiza ny fahitana izany eo amin'ny fampitam-baovao Kroaty?

Damira Gregoret (DG): In the last five to six years, we have been having problems with recognizing disinformation, false news. Even though I cannot be certain what I should call this news, i.e. whether any information that the journalist conveys due to not knowing better or because of lack of knowledge is false news or just disinformation. On the other hand, it is clear that false news is something that is published on purpose.

Damira Gregoret (DG): Tao anatin'ny dimy na enina taona teo izay dia sarotra ho antsika ny namantatra ny fanodikodinam-baovao sy ny vaovao diso . Na dia tsy azoko antoka aza ny tokony hiantsoako an'io vaovao io, izany hoe ny vaovao rehetra izay ampitain'ny mpanao gazety noho ny tsy fahafantarany na noho ny tsy fahalalany dia midika izany fa vaovao sandoka na fanodikodinam-baovao tsotra fotsiny. Amin'ny lafiny iray, mazava fa manan-java-kendrena ny famoahana vaovao diso.

Meta.mk: Iza no loharano voalohany amin'ny vaovao diso?

DG: I would say that we in Croatia have no major problems with false news, at least not in the mainstream media, but there is a certain distortion of facts on the margins of the media scene, which can be characterized as false news. This is something that hasn’t become a major problem, because the mainstream media in Croatia, luckily, are still dominant, but certainly, that should be detected and a reaction should follow. The question is how? I’m worried about the data regarding Serbia and it is incredible how that country has brought itself to the situation that it is in now. The issue is maybe about the joint synergy i.e. the comradeship which doesn’t necessarily has to be within the frame of one state. The journalists should be more careful and in the end, to inform more institutions including the European Commission.

DG: Hitako fa tsy dia manana olana lehibe amin'ny vaovao diso izahay aty Kroasia, farafahakeliny, tsy amin'ny fampitam-baovao mahazatra, fa saingy misy ny  fanolanana ny zava-misy sasantsasany eo amin'ny fetran'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, izay azo raisina ho toy ny vaovao diso. Tsy lasa olana lehibe anefa izany satria mbola soa fa mibahan-toerana ny fampitam-baovao mahazatra aty Kroasia, saingy azo antoka fa tokony haraha-maso izany ary tokony hisy ny hetsika atao manoloana izany. Ny fanontaniana dia hoe amin'ny fomba ahoana? Manahy ny momba ny angondrakitra aho mijery an'i Serbia ary mahavariana ny fomba nahatongavan'ity firenena ity amin'izao toerana misy azy ankehitriny izao. Mety ho avy amin'ny fihaonan-tsinerjia ny olana, izany hoe ny finamanana izay tsy voatery ananana ao anatin'ny firafitry ny fanjakana iray. Tokony hitandrina bebe kokoa ny mpanao gazety ary amin'ny farany, hampahafantatra ireo andrim-panjakana maro ao anatin'izany ny Vaomiera Eoropeana.

Meta.mk: Inona no matetika lohahevitra resahana ao amin'ny vaovao diso any Kroasia?

DG: The migrants, but I will say again that it is happening on the margins of the media scene, where the number of migrants has been blown out of proportions and on the other hand there were warnings that the migrants are aggressive, which in certain circumstances can happen. But a journalist should exercise positive discrimination, i.e. not to publish every news that can lead to hatred based on this.

I remember the text that mentioned that migrants have stormed and robbed several houses, and only the next day information arrived from the police that it was one house only and that it wasn’t robbed by the migrants. That way, the fear of migrants which spread throughout Europe, is present here and is used for the creation of false news.

DG: Ireo mpifindra monina, kanefa hoy ihany aho hoe mitranga amin'ny sisin'ny tontolon'ny fampitam-baovao izany, izay hifa fa nihoatra ny tokony ho izy ny isan'ny mpifindramonina ary etsy ankilany misy ny fampitandremana fa mahery setra ny mpifindra monina ary mety hitranga izany amin'ny toe-javatra sasany. Saingy tokony hampiseho fanavakavahana miabo ny mpanao gazety, izany hoe tsy tokony hamoaka ny vaovao rehetra mety hiteraka fankahalana mifototra amin'izany.

Tadidiko ny lahatsoratra iray izay nilaza fa nanafika sy nandroba trano maro ny mpifindra monina ary ny ampitson'iny vao tonga ny vaovao avy any amin'ny polisy fa trano iray ihany no nitrangan'izany ary tsy avy amin'ny mpifindra monina. Noho izany fomba izany, efa eto ny fahatahorana ny mpifindra monina izay miparitaka manerana an'i Eoropa ary ampiasaina amin'ny famoronana vaovao diso.

Meta.mk: Misy ve ny fihetseham-po avy amin'ny olom-pirenena, ny fiarahamonina, ny vahoaka, ny andrim-panjakana ?

DG: It is difficult for me to explain through numbers and facts how each reacts. I think that the people are inclined to believe this type of false news, because it is more simple – people feel safe inside within the borders of their country where there are no foreigners disturbing the order. But I think there should be a responsibility on part of the media and that the media are the ones that have to position themselves and disperse these fears. Certainly, not by not informing, but only by explaining to the people that in the whole situation you still have to act like a human. They should act humanely.

DG: Sarotra amiko ny manazava ny fihetsiky ny tsirairay avy amin'ny alàlan'ny isa sy ny zava-misy. Heveriko fa mirona amin'ny finoana ity karazana vaovao sandoka ity ny olona, satria tsotra – mahatsiaro ho voaro ny olona ao anatin'ny sisintanin'ny firenen'izy ireo izay tsy misy vahiny manakorontana ny filaminany. Saingy heveriko fa tokony hisy ny andraikitra avy amin'ny fampitam-baovao ary ny fampitam-baovao no tokony hijoro sy hanafoana ireo tahotra ireo. Eny, tsy amin'ny alàlan'ny fampahafantarana izany anefa fa amin'ny alàlan'ny fanazavana amin'ny olona ihany fa ilaina ny mitondra tena tahaka ny olombelona ao anatin'ny toe-javatra rehetra. Tokony hanao fihetsika araka ny maha-olombelona izy ireo.

Meta.mk: Azafady mba hazavao hoe ahoana no fomba handrindrana ny olana ao Kroasia – misy ve ny fitsipika manokana mikasika ny resaka fankahalana, vaovao diso?

DG: There have been talks about it even though it is difficult for me to imagine how it would be regulated. I am certain that a way can be found. There is a journalist codex that doesn’t mention any sanctions within it. The Croatian Media Association is active in this domain, but only as a backup. We can always do better in the fight against false news and hate speech, but the situation is not alarming.

DG: Efa nisy ny resaka nifanaovana momba izany na dia sarotra amiko aza ny mieritreritra ny fomba handrindrana azy. Azoko antoka fa misy fomba azo atao. Misy ny lalànan'ny mpanao gazety izay tsy misy fehezan-dalàna famaizana ao anatiny. Mavitrika amin'io sehatra io ny Fikambanan'ny Fampitam-baovao Kroaty kanefa toy ny mpanohana ihany. Afaka manao tsara kokoa isika amin'ny ady amin'ny vaovao diso sy ny kabarim-pankahalana, saingy tsy mampatahotra ny zava-misy.