Tantara tamin'ny 18 Novambra 2019
Mitaky RuNet madio ilay reniben'ny aterineto rosiàna
Raha ny fijerin'i Yelena Mizulina, toerana iray mampahatahotra ny aterineto rosiàna. Miaraka amin'ity famelabelarana avy amin'ny RuNet Echo ity, fantaro ny momba ilay hetsika farany fanivànana ataon'ny Reniben'ny Aterineto.
Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’
Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.
Tsy manana olana lehibe amin'ny vaovao faikany i Kroasia, hoy ny mpanolotra vaovao
Hitako fa tsy dia manana olana lehibe amin'ny vaovao diso izahay aty Kroasia, farafahakeliny, tsy amin'ny fampitam-baovao mahazatra, fa saingy misy ny fanolanana ny zava-misy sasantsasany eo amin'ny fetran'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao.
Kiobà sy Etazonia : latsabato hanaovana fahirano
... tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, nofidian'ny maro an'isa ny fanaisorana ny fahirano ara-toekarena napetrak'i Etazonia efa ho dimy amby efapolo taona atao amin'i Kiobà ambany fitarihan'ireo kaominista. (…) Ary mba manao ahoana izao ireo FIFIDIANANA MALALAKA sy ny DEMAOKRASIA ?
India : Ajanony ny fanaovana hosoka ny yoga !
"...Firenetsika ity!!!! Kolontsaintsika, raha toa isika tsy mitahiry azy, iza no hanao izany ????"