- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karaiba-Etazonia : Fa mba aiza no misy an'i Allen Stanford ?

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Antigoa sy Barboda, Barbady, Etazonia, Goiana, Trinite sy Tobago, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2009)

Taorian'ny fitoriana mapetraky ny Kaomisiona Amerikana misahana ny fiarovana sy  ny fifanakalozana ara-bola [1] manenjika an'ilay ‘texan’ mpanapitrisa sady goaiben'ny ‘cricket’ ao Karaiba [2] Allen Stanford [3], dia anjaran'ireo manampahefana ny manao izay hahitàna azy [4]. Tamin'ny fotoana indrindra izay nampisaritaka ireo marobe tomponà petrabola lasa nirohotra namonjy ireo bankin'i Stanford [5] ao Antigue any Amerika Atsimo mba hiezaka ny hisintona ny tahirin-dry zareo, nandeha be ny honohono [6] momba izay toerana [7]  misy [8] an'i Allen Stanford. [rohy amin'ny teny anglisy daholos]

Rehefa ren'i Live in Guyana [9] ny vaovao milaza hoe  “nanjavona tampoka i Allen Stanford, ilay mpampiasa vola, mpanapitrisa sady goaiben'ny cricket”, dia nieritreritra izy hoe “nilalao Dataram” i Stanford. Fampitahàna iray tamin'i  “Barry Dataram [10] avy any Goiàna, nampangaina noho ny fanapariahana zavamahadomelina ary nandositra any Etazonia”. Tsy io irery no ohatra afaka jerena eny anatin'ny tontolon'ny bilaogy ao amin'ny faritra.

Barbados Free Press [11] manoratra hoe :

Nisy ary mbola hisy hatrany ny resaka momba ireo orinasan'i Stanford, tafiditra amin'izany ny famotsiambola.

…ary tohizany anaty lahatsoratra [12] iray hafa, izay anosohany hevitra hoe:

Naboraky ny manampahefana federaly amerikàna fa ankoatra ny fanaovana hosoka piramidaly, tsy maintsy ho atrehan'Ing Allen ny fiampangana momba ny famotsiambola ho an'ireo fikambanana meksikàna mpamokatra zavamahadomelina ary ny kolikoly ataony amin'ireo mpiasam-panjakàna.

Living in Barbados [13] dia miombon-kevitra amin'ny hoe ireny zava-mitranga ireny no ‘fotoana tsara araraotina mba hitakiana amin'ireo mpanao politika ny mangarahara momba ny fananan-dry zareo…mba hanesorana ny ahiahy momba ny mety ho fisianà fifangaroan'andraikitra”.

Tohizany toy izao:

Ireo raharaha vao haingana momba ny hetsiky ny CL Financial Group any Trinité ary ankehitriny, ireo vesatra tazonina anenjehana an'i Allan Stanford sy ny vondron'orinasany Stanford Financial Group voasoratra ao Antigue, dia manondro ihany koa ireo fifandirana miandry antsika any amintsika. Hatraiza ireo mpanao politika any amintsika no ho voasaringotra anatin'ireny andrim-panjakana marary ireny ary indrindra indrindra, iza no mitantana azy ireny ? Raha tena misy tokoa ny fifandraisany amin'ireo mpanao politika any amintsika, hatraiza no fiantraikan'izany amin'ireo fepetra sy fanapahankevitra politika ? Nalefaka tamin'Ing Stanford ny governemanta tao Antigue ary ao anatin'ny fanomanana fifidianana amin'ny volana hoavy, dia efa azo heverina ny ho vokany ratsy amin'ireo antoko eo amin'ny fitondrana. Ilay governora fahiny tao amin'ny banky foiben'i Barbados dia isan'ny mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana. Koa satria Ing. Stanford “lasa tsy namela marika hahitàna izay misy azy”,  indrindra any St. Croix, any amin'ireo Nosy Virijiny amerikàna, mety hitondra ho amin-javatra tsy ampoizina ny fikarohana atao hahitàna azy, izy sy ny fananany.

Barbados Money Laundering Advisory [14] dia mampilahatra izany amin'ny “tantaran'i Lord Conrad Black [15]” raha ireo  bilaogera sasantsasany kosa miasa loha [16]amin'izay mety ho vokatra aterany amin'ny hoavin'ny  cricket ao Antilles. Ilay barbadiàna B.C. Pires [17] manoratra hoe :

Tapakandro maraina manontolo no nilain'ny West Indies (tarika mpilalao cricket any Antilles miteny anglisy) mba hanilihana ilay mpiandrin-dry zareo anglisy. Tamin'ny fotoana nanoratana ny bilaogy, efa fotoanan'ny sakafo antoandro, efa nahazo tombony ‘400 guichets’ ry zareo anglisy. Miandry avy misakafo antoandro ve i Strauss, kapiteny, vao hanao fanambaràna ? Mandra-pahavitan'i Cook hazakazaka zato mahery ao anatin'ny dingan-dalao iray ve? Mandra-piharan'ny fitsarambahoaka amin'i Allen Stanford ve?

Ireo mpankafy ny West Indies, anarana mampalahelo ho anà andian'olona azo isaina amin'ny rantsan-tànana izay manohy manohana araka izay tratran'izy ireo ilay tarika namirapiratra fahiny, dia mahafantatra tsara mihitsy fa ny fanontaniana tena ivo dia ny hahafantarana hoe ‘rahoviana ilay tarika no  ho rava’. Alohan'ny ora fisotroana dite va re? Alohan'ny lalao amin'ny faran'ity andro ity? Alohan'ny hifaranan'ity fehezanteny ity ve??

Mbola tamin'ity indray mandeha ity ihany, tsy resaka tantara ny hoe “ianareo, miaraka amin'ireo fahavononana kelinareo” fa kosa ‘”Isika, miaraka amin'izay traikefa mafonja ananantsika”.

Efa nosedrain'i Karaiba ny atao hoe fiantraika mahavaky fo vokatry ny firodanan'ny ampira ara-bola [18], kanefa azo atao ny mametraka fanontaniana momba ireo mety ho vokatry ny raharaha Stanford.

 

Ny hajiantsary ato anaty lahatsoratra, “Globe”, dia an'i nickwheeleroz ary nampiasàna ny lisansa Creative Commons license. Tsidiho ny sary mifandimbin'i nickwheeleroz ao amin'ny flickr. [19]