Ny gidragidra tao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong tamin'ny 12 novambra: Fijerin'olona iray nanatri-maso

Mpianatra mpikatroka mifampiaro amin'ny elo ao amin'ny toeram-ponenan'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong tamin'ny 12 Novambra 2019. Saripikan'ny mpanoratra. Nahazoana alalana.
Profesora mpanampy ao amin'ny Sekolin'ny fanoratan-gazety sy ny fifandraisana ao amin'ny Oniversite Shinoa an'i Hong Kong (CUKH) i Lokman Tsui. Ny lahatsoratra etoana dia endrika nasiam-panovana amin'ny lahatsoratra navoakan'i Lokman ao amin'ny Facebook, nahasahy nanatri-maso tamin'ny toe-javatra nitranga manodidina ny gidragidra nifanaovan'ny mpianatra mpikatroka sy ny polisy tao amin'ny toeram-ponenan'ny CUHK tamin'ny talata 12 Novambra.
Tamin'ny talata 12 novambra, noheverina hampianatra vao maraina ireo mpianatra mbola tsy nahazo diplaoma oniversite aho, “fampivoarana ny fifandraisana amim-bahoaka,” saingy niato avokoa ny kilasy rehetra noho ny fihetsiketseham-panoherana.
Amin'izao fotoana anoratako ity izao, mipetraka eto amin'ny biraoko aho. Amin'ny sivy ora maraina ora Hong Kong amin'ny andron'ny 13 Novambra. Vao avy niborosy nify aho, nanasa ny tavako, ary vao avy nisotro dite. Eny, natory teto amin'ny biraoko aho, teo amin'ny sezalava malemilemy. Somary mihenjakenjana sy reraka ny vatako, ary mampahatsiahy ahy ireo andro nandehanako mi-club [mandeha boîte] mandra-maraina—saingy efa tsy tanora intsony aho, ary tsy nandeha nandihy aho tamin'ny alina.
Tsy tokony hitaraina aho, satria farafaharatsiny mba nanana sezalava malemilemy natoriana. Tsy fantatro hoe firy ny isan'ny mpianatra natory ivelan'ny trano tamin'ny alina, fa izany eo ihany, ta tamin'ny telo maraina aho no niala, mbola maro ny teo ivelany miasa amin'ny tsipika fitsinjaràna, izany no mitazona ny manda ara-bakinteny.
Tena gaigy ny andron'ny 12 Novambra.
Nanomboka tamin'ny valandresaka ho an'ny mpanora-gazety tamin'ny 11 ora atondro izay nandraisako anjara izany. Amin'ny fotoana “mahazatra”, tokony hoe mendrika ny ho vaovao izany mitory ny Departemantan'ny Fitsarana tamin'ny didy mitady hanivana kabary mandeha an-tserasera izany. Saingy omaly, mpanora-gazety vitsivitsy ihany no nanatrika. Nandeha an-tserasera mivantana tamin'ny vavahadim-baovao HK01 ny valandresaka ho an'ny mpanora-gazety, ary nahazo tatitra (mivantana) avy amin'ny Apple, RTHK radio, Unwire ary ireo hafa maro. Fa raha ny tamin'ny andron'ny omaly, tsy vaovao izany—ary azo takarina tsara izany, raha jerena ny zavatra hafa rehetra nitranga.
Taorian'ny valandresaka ho an'ny mpanora-gazety, izay notontosaina tao amin'ny Lapan'ny Filankevitra Fanaovandalàna, nitady toerana ipetrahana sy hampitoniana ny hozatro. Nizotra ho any amin'ny distrika afovoany aho. Efa ho ora manakaiky ny sakafo atoandro; tao anatin'ny roa andro misesy izao, nivoaka ny birao hanao fihetsiketsehana fanoherana ny governemantan'i Hong Kong sy ny polisy ny mpiasam-birao. Teo anoloan'ny Louis Vuitton, miezaka ny mibodo ny lalana, mihiaka teny filamatra ny olona manao fitafy mihaja sy avo voditongotra. Mandohalika ny sasany manainga biriky ka afa-mampiasa azy ireo ho fanakanan-dalana. Mitazana anay ery amin'ny tetezana ambony ny hafa, ary maro ny mihorakoraka amin-dry zareo mba hidina hanatevin-daharana anay, tsy sarimihetsika izany.
Nisy fotoana, nivoaka avy any ny tanoravavy mpianatry ny lisea dimy, mientanentana aoka izany. Nanomboka nihiaka teny filamatra ry zareo ary nanaraka ny hafa tamin'ny vahoaka. Avy eo nisy mpanora-gazety naka saripika ireo liseana—tsy araka ny tokony ho izy, satria mety hanenjehana azy ireo rahatrizay izany. Nihomehin'ny fahasakodiavatra ry zareo tamin'ny voalohany, avy eo nandeha; fa mbola nanaraka azy ireo mpaka sary. Tamin'ny farany, maro taminay no nandray ny elonay ary nanao ampinga ireo zazavavy ireo. Nihazona ny elonay nandritra ny fotoana elaela izahay mandra-pahareraka ny sandriko. Niteny tamin'ireo zazavavy aho mba hahatsiaro tsy hanao tsinontsinona ny fianaran-dry zareo (oviana indray aho no lasa nanao izany?), ary dia samy nandeha tamin'ny lalanay izahay.
Efa nanakaiky ny tamin'ny roa folakandro ary nanomboka niala ny olona. Tapitra ny ora fisakafoanana. Fotoana kely mialoha izany, nijoro tamim-pahatanjahana izahay, nifanatrika tamin'ny polisy, avy eo niverina haingana ny “zavamisy”, ary fotoana izao iverenana mankany amin'ny birao. Efa nahazo sakafo aho ary nitodi-doha hody.
Tamin'izay fotoana izay aho no nanomboka nahita ny lahatsarin'ny zavatra nitranga tao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong (CUHK)—ny oniversite ampianarako. Misy tamin'ireo mpianatro no nisioka hoe “aiza ny filohan'ny oniversite, aiza ny fandraharahana, aiza ny mpampianatra?!” Nahatsiaro ho tsiravina aho. Raha namaly ny namana izay nanontany aho raha tsy maninona aho, dia nanapakevitra ny ho any amin'ny campus (toeram-ponenan'ny mpianatra).
Fa amin'ny fomba ahoana? Eto Sheung San, Nosy Hong Kong aho, ary ny oniversiteko kosa any Shatin any New Territories, somary lavidavitra ihany. Tapaka ny fifamoivoizana. Avy eo nisy namana nandray ahy tamin'ny fiarany. Nampakatra maro hafa izahay teny an-dalana, and, rehefa feno ny fiara, dia nizotra ho any CUHK izahay, niersaka teny an-dalana momba ireo olona fantatray fa nosamborina.
Goavana ny fitohanan'ny fifamoivoizana, amin'ny ampahany noho ny lalana voasakan'ny mpanao fihetsiektsehana na polisy, ary amin'ny ampahany hita fa toa nisy ny firohotana hankany amin'ny CUHK hanampy ny efa ao. Ary nisy ny fotoana tsy afa-nandeha intsony ny fiara satria voasakan'ny olona ny fiara ary miezaka ny mamoaka sy mizara fitaovana maro tahaka ny fiarovandoha, rano sns ny fiara. “Mba ampio azafady fa mavesatra ity tay ity!” hoy ny antsoantson'ny iray. Nanolotena aho. Mihazona baoritra lehibe iray ahitana satroka mafy aho.
Minitra vitsy ihany no laniko amin'ny alalan'ny lalam-bahoaka Tai Po rehefa mandeha fiara mankany amin'ny oniversite aho. Fa lasa lavalava ilay lalana rehefa tsy maintsy mandeha an-tongotra ianao, ary tahaka ny vao maika lavitra ilay izy rehefa mitondra baoritra lehibe ahitana satroka m afy ianao. Rehefa nahatratra ny toeram-pitsinjarana ihany aho ny farany dia natolotra ny baoritra ary nisento (afaka entana) aho. Ho aiza indray? Fantatro tsara ny campus, saingy miova haingana araka ny toe-draharaha ny fanavaozam-baovao. Nanomboka nandeha an-tongotra ho any amin'izay eritreretiko ahitana ny olona betsaka indrindra aho.
Manjavozavo avokoa ny zavatra rehetra taorian'izany, ny alina.
Mahatadidy aho fa misy ny namana sasany mahafantatra ahy na dia efa manao satroaka aroloha, solomason-drano ary sarontava aza aho. Tena zava-dehibe ny fotoana tahaka izany. Tany izahay no nifampiresaka hoe, ie eto koa aho, ie, miaraka eto isika. Mahatsapa ny firaisankina ho velombelona sy lalina ianao. Tonga vatana eto izahay. Mampiasa ny tanana sy ny sandry ary ny tongotra izahay hifanampiana.
Sahirana mizara ny sakafo ny mpianatra. Miasa eny amin'ny zotra fitsinjarana ny sasany. Mitati-baovao ny hafa, ary misy ny hafa miezaka ny manelanelana eo amin'ny antoko samihafa.
Ao anatin'izany rehetra izany, mamindra entana aho, ary manamarina namana raha mbola ao tsara ry zareo. Ary mandritra izany fotoana izany ny iPhone-ko difotry ny hafatra avy amin'ny namana akaiky sy lavitra. Mety amiko ny miteny amin'ny namana tena akaiky ny misy aho, fa miezaka ny tsy hiteny betsaka aho fandrao manahy ry zareo.
Tsy tiako ny miteny amin'ny olona izay handehanako na izay ataoko ato amin'ny hetsi-panoherana. Iray amin'ireo olona ireo fotsiny aho. Manao izay azoko atao fotsiny aho, ary matetika aho no mahatsapa fa mbola tsy ampy ny zavatra ataoko. Mitandrina ihany koa aho amin'izay ifampizaràna vaovao, satria saropady ity zavatra ity, indrindra amin'izao fotoana izao eto Hong Kong.
Fa tiako ihany koa ny mpianatro hahalala fa eto aho miaraka amin-dy zareo. Nihalehibe tao amin'ny fianakaviana izay nampatanjaka ny fihoaram-pefy ara-pihetsehampo aho ary mbola miady ny hamaranana izany aho hatramin'izao. Ao anatin'izany fihoara-pefy izany ny tsy fisian'ny fihetseham-po (sy fitendrena). Tantara lava ny amin'izany, mazava loatra, fa izany no manamora ny fanazavana ny antony maha-zavadehibe amiko ny filazana amin'ny mpianatro fa eto aho noho ny amin-dry zareo.
Fotoana vitsy mba mijoro ho ahy:
Raha nahazo ny lohalaharana ny ranontafondro, maro no tsy maintsy niala kely, nanaisotra ny akanjony ary nisarona indray. Tsy dia tena marina ilay hoe “rano”: tsy vitan'ny hoe misy loko ilay “rano” fa misy fangaro ara-tsimika mahakofona ihany koa (mety ho mandatsa-dranomaso) izay mahatonga ny hoditrao ho tahaka ny may. Naka aina teo amin'ny kianjabe aho, namelona ny rano misoritidritika ny mpianatra ary miparitaka tsy misy toy izany ny rano. Izany no fotoana fohy ahatsiarovanao fa mbola ankizy ireo, na izany aza. Ao anatin'izany rehetra izany, miantsoantso mitady lamba famaohana sy t-shirts ny ekipa vonjy voalohany. nitondra t-shirts roa aho, sy lamba famaohana vitsivitsy, ary dia nomeko daholo izany.
Nanoratra i Douglas Adams tao amin'ny tantara foronina iray malaza fa ny lamba famaohana no iray amin'ny zavatra tena ilaina azonao tazonina aminao, ary marina izany. Lamba famaohana mando ataonao amin'ny vavanao no ahafahanao miaro tena amin'ny etona mandatsa-dranomaso. Ny lamba famaohana no manafana anao amin'ny takariva mangatsiaka, ary azonao atao tahaka ny bodofotsy iny rehefa mandeha matory ianao. Afaka misasa amin'iny ianao, na mamalona azy dia atao tahaka ny ondana. Ary manofahofa azy ho marika amin'olona iray fa eto ianao fa tsy eròa. Fitiavana ny lamba famaohana, fiainana ny lamba famaohana. Toy ny tsy dia raharahiana loatra ny lamba famaohana.
Fotoana iray hafa mahavalalanina ahy: teo amin'ny tetezana laharana faharoa, izay nisian'ny ankamaroan'ny hetsika androany talohaloha teo, mijery ireo mpitarika ao amin'ny oniversite, miaraka amin'ny mpanao lalàna anankiroa, mifampiraharaha amin'ny mpianatra. Manolo-kevitra ny hakana fihemorana (maka bahana ny mpitarika ao amin'ny oniversite, milaza fa tnampanantena ny tsy hiverina ny polisy, ary hiaro ny tetezana ny ekipa fiarovan'ny oniversity.
Ny nampisy fanantenana tao amiko tao dia manome hirika ny mpitarika hiteny hatrany ny mpianatra ary mihaino ry zareo. Saingy mazava loatra fa tsy maharesy lahatra loatra ny tolokevitra hihemorana ary efa maro dia maro sahady ny fampanantenana nolazain'ny polisy no tsy notanterahany tamin'io andro io fotsiny. Ary moa ve afa-miankina amin'ny ekipa fiarovana izay tsy hita nanjavonana tao anatin'izany roa andro izay ry zareo? (Na dia rariny ho azy ireo aza fa tsy nanao sonia hiasa amin'ny toe-javatra tahaka izao ry zareo).
Rehefa mijery ny tatitry ny fampitam-baovao ianao, ny zavatra hitanao amin'ny ankapobeny dia heristra, famotahan-javatra, ary rotaka. Ankavitsiana no ahitanao ny firaisankina, na ny hoe eto izahay hiaro ny tanindrazanay sy hifampiaro. Fa tsy manaiky ny hihemotra izahay manoloana ny famoretana sy ny bontolo. Tsy voatery ho azo daholo izay rehetra tadiavina fa mba efa niezaka aloha izahay farafaharatsiny. Ary hatramin'izao aloha dia nianatra avy amin'ny fahadisoanay izahay. Ary manantena izahay fa tsy hanao fahadisoana mitovy amin'izany ny sisa amin'izao tontolo izao fa hianatra avy amin'ny traikefanay.
Tamin'ny taona 2017 aho nanoratra ny antony naniriako hijanona eto Hong Kong.
“Misy hoavy ve eto?” Izany hoe aleo tsy adinoina fa misokatra ny hoavy. Tsy natao ho ao anaty vato. Tsy fantatsika izay mety hitranga. Ary noho izany dia misy ny fanantenana. Araka ny nolazain'i Leonard Cohen, “misy crack (fivakisana sa feo?) amin'ny zavatra rehetra, avy amin'izany no mampisy ny hazavana.”
Feno fankasitrahana aho fa malalaka (ihany aloha) i Hong Kong. Hiady aho hiantohana fa halalaka i Hong Kong, halalaka kokoa. Mino ihany koa aho fa misy maro ny zavatra hianarana amin'i Hong Kong, fa manana anjara toerana lehibe amin'ny tolona hisian'ny fahalalahana ankapobeny i Hong Kong. Izany no mahatonga ahy ho eto Hong Kong. Izany no antony tiako hijanonana eto.
Novambra 2019 izao ary eto aho. Eto no tanindrazako. Ireo no namako, mpiara-miasa amiko, mpianatro.
Mahatanjaha, tsy haninona, ary mirotsaha amin'ny lalana misy dikany indrindra aminao.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Fahalalahàna miteny farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...