Nilaza ilay mpanao gazety Vanuatu fa nofoanana ny fahazoan-dàlany miasa noho ny fitsikerany ny governemanta

Talantalana fivarotan-gazety ao Vanuatu. Saripika sy fanazavana avy amin'ny mpisera Flickr Commonwealth Secretariat. (CC BY-NC 2.0)

Nilaza ny talen'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny Vanuatu Daily Post fa tsy nohavaozin'ny Minisiteran'ny Asa ao amin'ny firenena ny fahazoan-dalany miasa noho ny fitsikerana ny governemanta nataon'ity gazety ity.

Nanoratra tao amin'ny Facebook sy Twitter i Dan McGarry fa nolavina ny fangatahany satria voalaza fa nikasa ny “hamantatra” ny toerana misy azy ny governemanta. Saingy mino izy fa noho ny fitantarana an-gazety izay nahatezitra ny manampahefana no nahatonga ilay fanapahan-kevitra:

Sary: Pejy Facebook Dan McGarry

In July, the Prime Minister (Chariot Salwai) summoned me and berated me for my ‘negative’ reporting. ‘If you don’t like it here,’ he told me, ‘go home’. But Vanuatu is my home.

People will hem and haw and say all kinds of things, but it boils down to this: I spoke out, and was punished for telling the truth.

 

 

 

 

Tamin'ny volana Jolay, nampiantso ahy ny Praiminisitra (Chariot Salwai) ary nanome tsiny ahy noho ny tatitra ‘miiba’ nataoko. ‘Raha tsy tia an'izany eto ianao hoy izy tamiko,’ dia modia any an-tanindrazana(o) ‘. Kanefa  Vanuatu no fonenako.

Hisalasala ny olona ary hiteny karazan-javatra maro, kanefa toy izao ihany no hiafarany hoe: Niteny aho, ary nosaziana noho ny filazako ny marina.

Nilaza i McGarry fa nanomboka ny olana rehefa namoaka tantara ny gazety tamin'ny volana Jolay 2019 momba ny fandroahana ireo teratany Shinoa miisa enina mba hiatrika fitsarana any Shina, na dia teo aza ny fametraham-pisalasalana ny maha-ara-dalàna ny zava-nitranga.

Isan'ireo nisalasala momba ilay fanapahan-kevitry ny Minisitry ny Raharaha Anatiny tamin'ny fandroahana ireo olona miisa enina ho any Shina tsy misy fitsarana i McGarry;

He admitted he didn’t consider that at least some of the deportees were Vanuatu citizens. He appears to have issued orders without fully considering his responsibility to follow the law himself. He appears to have instructed Police to act as they did. Every one of those statements is cause for deep concern. Because whatever the Minister may think, we are not subject to Chinese law. And we don’t do things the Chinese way.

Niaiky izy fa tsy nihevitra fa nisy olom-pirenena Vanuatu ny sasany tamin'ireo noroahina. Toa nanome baiko izy nefa tsy nihevitra tsara ny andraikiny hanaraka ny lalàna. Toa nanome toromarika ny polisy izy mba hihetsika toy ny nataon'izy ireo. Miteraka fiahiahiana lalina ireo fanambarana tsirairay ireo. Satria na inona na inona eritrerin'ny Minisitra dia tsy ambanin'ny lalàna Shinoa izahay. Ary tsy manao zavatra araka ny fomba Shinoa .

Hita taratra tamin'ny olana ny fitomboan'ny fiantraikan'ny politika sy toekarena Shinoa any Vanuatu sy any amin'ireo firenena Pasifika hafa.

Nanamarika ny fifandraisan'ny olan'ny fandroahana sy ny fijoroan'i Shina ao Vanuatu i McGarry

Vanuatu is not China. But today, it’s looking more like it than ever before.

Tsy Shina i Vanuatu. Saingy ankehitriny, toa tena tsy toy izany no mitranga izay tsy mbola fahita teo aloha.

Kanadiana iray nonina tany Vanuatu nandritra ny 16 taona i McGarry ary nanambady olom-pirenena Vanuatu. Nisioka momba ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitry ny Ministeran'ny Asa eo amin'ny fiainany manokana izy:

Simba ny amiko ankehitriny. Tsy fantatra ny hoaviko. Mety ho very ny zava-drehetra natsangako nandritra ny 16 taona noho ny zavatra tokony nataon'ny mpanao gazety manaja tena ihany.

Saingy nitony tanteraka aho rehefa nahita tao anatin'ny 24 ora monja fa nahazo olona miisa 60 000 mahery izahay tao amin'ny Twitter fotsiny.

Saingy nanamafy ny Kaomiseran'ny Asa, Muriel Meltenoven fa nanaja ny politikan'ny famataran-toerana ataon'ny governemanta fotsiny ny biraony. Hoy izy tamin'ny fampahalalam-baovao:

The decision to refuse the work permit is because, looking at his file, there is no succession plan or training plan that has been provided for a local counterpart.

Ny fanapaha-kevitra tamin'ny fandàvana ny fahazoan-dàlana miasa dia satria raha nijery ny antontan-taratasiny izahay dia tsy nisy ny fifandimbiasana na drafi-piofanana nomena ny mpiara-miasa mitovy aminy eo an-toerana.

Nanome fanazavana i Marc Neil-Jones, mpanorina ny Vanuatu Daily Post fa manan-tompo ao an-toerana ilay orinasa:

Trading Post Ltd is 100% locally owned and employs over 50 staff. We are being blatantly forced to localize a very senior expatriate position in our 100% Ni Vanuatu owned company.

Manan-tompo 100% eto an-toerana ny Trading Post Ltd ary mampiasa mpiasa miisa 50 mahery. Noterena mibaribary izahay mba hanara-maso ny asan'ny vahiny mitana andraikitra ambony tranainy ao amin'ny orinasanay izay 100% an'ny Ni Vanuatu.

Nampitandrina ihany koa izy mikasika ny fiantraikan'ny fandavana ny fahazoan-dalan'i McGarry:

We believe the real reason for [the] government cancelling McGarry’s work permit is because they are not happy with some of his news items. It has nothing to do with localization.

We urge this government to not use this Work Permit Amendment Act to get rid of expatriates they do not like […] as this precedent is dangerous and opens up the doors to abuse.

Mino izahay fa ny tena antony mahatonga ny governemanta hanafoana ny fahazoan-dàlan'i McGarry miasa dia satria tsy faly izy ireo tamin'ny sasany tamin'ireo vaovao nampitainy. Tsy misy ifandraisany amin'ny famerana sy ny fanaraha-maso izany.

Mandrisika ity governemanta ity izahay mba tsy hampiasa ity Fanitsiana ny Lalana momba ny Fahazoan-dalana Miasa ity mba hanilihana ireo mpila ravinahitra izay tsy tian'izy ireo […] satria mampidi-doza io lalana io ary manokatra ny varavarana ho an'ny fanararaotana.

Nanamarika ny tatitra nataon'ny The Guardian fa niatrika fanenjehana noho ny fanakianana ny politikam-panjakana sasany ihany koa ny olona nodimbiasan'i McGarry

Nanentana ny manam-pahefana hanavao ny fahazoan-dàlan'i McGarry hiasa ihany koa ny Fikambanan'ny Fampitam-baovao ao Vanuatu tamin'ny fampahatsiahivana azy ireo fa misy fomba hafa ahafahana miatrika fitarainana mifandraika amin'ireo tantara navoaka. Nanamafy ny fanambarana fa zava-dehibe amin'ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ny firenena ny fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny zo hahazo vaovao.

Nanakiana avokoa ny fandavana ny fahazoan-dalan'i McGarry hiasa ny mpanao gazety, manam-pahaizana ary ireo mpiaro ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ao amin'ny faritr'i Pasifika. Nilaza ny Fiombonan'ny Fampitam-baovao, Fialamboly sy ny Zavakanto any Aostralia fa  “manakorontana ny fampandrosoana ary  miteraka ahiahy momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny zon'ny vahoaka hahalala vaovao ao Vanuatu” ny fanapaha-kevitra.

Olona azo hitokisana amin'ny maha-mpanao gazety i McGarry hoy i Profesora David Robie, talen'ny Foiben'ny Fampitam-baovao ao Pasifika sady toniandahatsoratra ao amin'ny Pacific Media Watch:

Dan McGarry is one of the leading investigative journalists in Vanuatu and the Pacific and has a commitment to development values.

Dan has also been a strong media freedom advocate and has followed the proud traditions set by the Daily Post founder and owner, Marc Neil-Jones, by publishing the truth and holding the powerful to account.

A loss of Dan McGarry to Vanuatu would be a huge loss to the region as well.

Iray amin'ireo mpanao gazety mpanao fanadihadiana sangany any Vanuatu sy any Pasifika i Dan McGarry ary manana fanolorantena ho amin'ny soatoavin'ny fampandrosoana.

Mpiaro matanjaka ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ihany koa i Dan ary nanaraka ny fomba amam-panao hireharehana napetraky ny mpanorina sy tompon'ny Daily Post, Marc Neil-Jones, tamin'ny famoahana ny fahamarinana sy tamin'ny fitanana ho tompon'andraikitra ireo manampahefana.

Ho fatiantoka goavana ho an'ny faritra ihany koa ny fandehanan'i Dan McGarry hiala an'i Vanuatu.

Mijoro miaraka amin'i Dan McGarry amin'izao fotoana izao ireo mpanao gazety mpiara-miasa, mpamaky ary ireo olona izay vonona hanolotena ho an'ny fahalalahan'ny gazety ao Pasifika sy na aiza na aiza. Tsy mora ny fahalalahana satria midika ny famantarana ny tokony hiambenantsika sy hitolomantsika ho an'ny zava-tsarobidy

Nilaza i McGarry fa hampakatra ny raharaha tamin'ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.