Ao Afghanistan, lanin'ny ady ny fahazazana

Mahatsiaro ny zanany lahy tanora, Saleh Mohammad, izay maty nandritra ny vivery ny ainy iray i Mohammad Hazrati. Saripikan'i Ezzatullah Mehrdad, nahazoana alalana
Nilalao araka ny mahazatra teo an-tokotanin'ny fianakaviany tao Kabul i Saleh Mohammad ny takarivan'ny Aogositra raha nitsambikina teo amin'ny bolongan-kazo, nandratra azy teo amin'ny tongony ary nahalasa ny hohon-tongony iray. Saingy tsy nampihemotra azy tsy hanatrika ny iray amin'ny fotoan-dehiben'ny fianakaviany izany izay teo am-pikarakarana ny mariazin'ny anabaviny tamin'io andro io ihany.
Teo am-panaovana ny hirany ny mpitendry hira, nipetraka teo akaikin'ireo i Saleh ary nankafy ny fety. Saingy fohy ihany ny fotoana nifaliany: nahitana mpanao vivery ny ainy milaza ny fanoavany ny Fanjakana Islamika nanapoaka baomba tao anatin'ireo vahiny maro nasaina. Izay no namarana ilay fety, sy ny fiainan'i Saleh. Telo ambin'ny folo taona izy tamin'izany fotoana izany.
Raha teo am-panesorana ireo vatana am-polony an'ireo vahin'ny lanonana i Ghulam Mohammad Hazrati, ilayraim-pianakaviana, dia tsynahita ny zanany lahy mihitsy izy. Nikaroka tany amin'ireo hopitaly akaiky izy fa rera-poana. Avy eo izy nahatsikaritra vatana rovidrovitra teo an-tokotany, araka ny nohazavainy: “Nahafantara ny vatany izahay tamin'ny alalan'ilay hohon-tongotra niala.”
92 no maty tamin'ity fanafihana ity, ka ao anatin'izany ny tanora sy ny kilonga mpianatra tahaka an'i Saleh.
Raha hita fa latsaky ny 15 taona ny efa ho atsasaky ny mponina ao Afghanistan, ny ankizy no tena iharan'ny ady misy amin'izao fotoana: efa tsy hita isa intsony ireo Afghans matin'ny vivery ny ainy na fiara misesika baomba, tantelimby (drones), fandarohana amin'ny alina, ady an-tanety mieli-patrana.
Nandrakitra “fanosihosena goavana” mihatra amin'ny ankizy tao anatin'ny efa-taona tamin'ny ady Afghan miisa 14.000 ny firenena mikambana. Tanora efa ho 3500 no very nandritra ny ady nanomboka tamin'ny taona 2015 ka hatramin'ny taona 2018 ary mihoatra ny 9000 no naratra. Ireo vondrona mpioko mitam-piadiana no tompon'andraikitra 43 isanjato tamin'ny fahavoazan'ny ankizy, raha ny hery pro-governemanta kosa no tompon'andraikitra tamin'ny 30iosanjaton'ny fahavoazana, araka ny tatitry ny Firenena Mikambana.
Ho an'ireo sisa miangana amin'ny fanafihana, mirakitra amin'ny andro sisa iainan-dry zareo matetika ny ratrantsaina mahazo azy ireo avy amin'izany. Nilaza ny fikambanana tsy mitady tombombarotra Save the Children (Vonjeo ny ankizy) tamin'ity taona ity fa heverina ho 20 tapitrisa ny isan'ny ankizy mifoha isan'andro ao anatin'ny tahotra fandrao misy fipoahana na fifampitifirana amin'ny basy.
Tanora 14 taona niangana tamin'ny fanapoahana baomba voasesika baomba nataon'ny Taliban tao Kabul nitranga tamin'ny fiandohan'ny volana septambra i Kamaludin. Mahatsiahy izy: “Tsy maintsy natory aloha aho satria tsy maintsy mandeha maraina ho any an-tsekoly. Ny fanafihana no nanaitra ahy.” Voatery nosokirina tamin'ny tranony roa rihana izay nirodana tanteraka ny iray tampo taminy.
“Ny olana voalohany dia ny tsy fankatoavantsika ny fiainan'ny ankizyny ratrantsaina sy ny fahakiviana noho ry zareo mora iharan'ny herisetra,” hoy i Freshta Karim, mpanorina sy talen'ny Charmaghz, fiara mpitatitra tranomboky mpivezivezy ho an'ny ankizy ao Kabul. “Ireo izay tratra voalohany niaina fikorontanantsaina taorian'ny rarintsaina.”
Fanafihana roa vao haingana no mampiseho ny fahavoazana ara-pihetsehampo ateraky ny ady amin'ny ankizy. Tamin'ny fanapoahana fiara voasesika baomba tamin'ny jolay, voadaroky ny Taliban maraimbe ny fanorenana ara-miaramila Afghan iray ary mifanandrify amin'ny fotoam-pianarana tao Kabul izany. Farafahakeliny mpianatra an-tsekoly 26 no naratra. Tamin'ny fiara voasesika baomba iray hafa, nokendren'ny Taliban ny birao iray sampan'ny fitsikilovana Afghan akaikin'ny sekoly tsy miankina iray tao Ghazni, ao afovoan'i Afghanistan. Nahafaty kilonga iray sy nandratra 60 hafa izany fanafihana izany.

Potiky ny fiara iray voasesika baomba ny kilasy tsy miankina iray ao Ghazni. Sary hita tao amin'ny media sosialy.
Nikatona nandritra ny andro vitsy ireo sekoly akaikin'izany toerana nisiana fipoahana baomba izany. Rehefa nitohy indray ny fampianarana, efitra fianarana ravan'ny fipoahana baomba no nidiran'ny mpianatra. Mbola ratsiratsy kokoa noho izany no mitranga any amin'ny faritra ambanivohitra: Ataon'ny Taliban sy ny herim-piarovana Afghan ho toby matetika ny trano sekoly ary ankavitsiana no ialàny amin'ireny toerana ireny.
Ny fiitaran'ny ady an-tanety no antony voalohany mampikatona ny sekoly. Nitombo avo telo heny ny fanafihana mahazo ny sekoly Afghan tanelanelan'ny taona 2017 sy ny taona 2018, araka ny UNICEF.
Tamin'ny May 2019, nilaza ny sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy fa nitarika fikatonan'ny sekoly 1000 ny ady mandra-pahatapitry ny taona 2018, ary lasa tsy tafiditra an-tsekoly ny ankizy Afghan tombanana ho 3,7 tapitrisa anelanelan'ny taona 7 ka hatramin'ny 17—efa ho ny atsasaky ny ankizy ao amin'ny firenena izany—.
“Izany no fanimbana ratsy indrindra atao amin'ny zanaky ny firenena,” hoy i Karim. “Nesorina tamin-dry zareo ny hirika hampivelarana ny talentan-dry zareo. Ny ady no mampisoroka azy ireo tsy hampivelatra ny mety ho zavatra vitany. Tsy manam-bintana ny hisandratra ireo ho siantifika rahatrizay.”
“Nanaisotra azy ireo ny habaka ahafahany mitombo [ao anatin'ny tontolo mahasalama] ny ady Afghan,” hoy ny nampian'i Karim. “Tsy afa-mampivelatra fisainana mahay mamkafaka ry zareo, ka mahatonga azy ireo ho marefo ka hararaotin'ireo vondrona mahery fihetsika, ao anatin'izany ny Taliban sy ny ISIS.”
Mety handrehitra ny afon'adin'ny taranaka manaraka ao amin'ny firenena ny taranaka iray nahazo fanabeazana rahatrizay, eny fa na mety hisy aza ny fifanarahana amin'ny vondrona Taliban, nisian'ny fandriampahalemana maharitraritra nandritra ny taona maro saingy tsy dia nahitam-bokany loatra. Saingy ho an'ny ankizy tahaka an'i Saleh Mohammad, kilasy fahaenina, nanaisotra ny ainy mialoha ny nahitany ny vokatry ny fanadinana atsasa-taona asara ny ady.
Mialoha indrindra ny mariazin'ny anabaviny, nahavita fanadinana i Saleh Mohammad ary vao nisitraka ny fialan-tsasatra asara an-tsekoly izy. Rehefa nisokatra indray ny sekoly dia nandray ny voka-panadinana i Hazrati rainy ary nizara ny fihetseham-pony: “Tena mahay i Mohammad any an-tsekoly. Nanantena aho fa hahazo diplaoma avy amin'ny lisea izy, hianatra lalàna any amin'ny oniversite, hahazo asa, ary hanangana ny hoavy.”
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...