- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mifamory mba hiaro ny faritra voajanahary ao Meksika ireo Mponina

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Peña Colorada. Sary nalain'i Federico Orozco, Flickr (CC BY-NC-ND 2.0 [1]).

Vao tsy ela akory izay, ilay governoran'i Querétaro [2], fanjakana iray ao amin'ny faritra avaratra afovoan'i Meksika no namahana lahatsary iray ahitàna zaza roa, María sy Mateo, manao antso avo amin'ny fanjakàna sy ireo manampahefana federaly mba hametraka lalàna hananan'i Peña Colorada ny satam-piarovana.

Faritra iray maherin'ny 4856 hektara eo ho eo i Peña Colorada, ao avaratra atsinanan'i Santiago de Querétaro renivohitr'i Querétaro no misy azy, ary iray amin'ireo faritra manankarena indrindra ara-tontolo iainana ao an-tanàna. Manana karazàna zavamaniry 257 isa izy ary karazam-biby 171 isa, 16 amin'ireo no voasokajy ho ahiana ho lany tamingana.

Ankoatra izay, io no iray amin'ireo toerana vitsy ao Querétaro mbola tavela tsy voakasiky ny fihitaran'ny tanàndehibe, ary tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanarenana indray sy ny famatsian-drano, ny fiadiana amin'ny fihotsahan'ny tany, ary ny fiovaovan'ny toetrandro. Ireny indro kely ananany ireny no manome aro natoraly amin'ny horohorontany; raha tsy nisy izy ireny dia narefo teo amin'ny fiatrehana ny fihovitry ny tany ny tanàna.

Ireo ankizy ireo no nanome ohatra ho antsika ny amin'ny tokony hatao.
¡ Faritra Arovan'ny Fanjakana Peña Colorada) !
?????  Isika miaraka irery ihany no hanome azy ireo hoavy mahafinaritra.
Ndao hanohana azy ireo!

.#Video [5] ?? Afaka hanampy ireo ankizy roa ireo hiaro ny faritra ekolojika Peña Colorada ao Querétaro ve ianao ?
Ny tanjon-dry zareo dia ny hahatongavan'ity hafatra ity any amin'i @lopezobrador [filohan'i Meksika]
Ampio izahay hizara [ny lahatsary]

Mba ahazoanao ny maha zava-dehibe ny #PeñaColorada ao #Querétaro, mila vakianao ito lahatsoratra manan-danja ito, nosoratan'i Social Shorthand #StateDecreeNow (DidimpanjakanaAnkehitriny) #BecauseTodayWeCan (SatriaVitantsikaIzany)

Efa ampolon-taona maro io ady ho fiarovana ny Peña Colorada io, kanefa vao tamin'ny taona 2014 ny National Commission for Natural Protected Areas (CONANP) na ny Komisiona Nasionaly misahana ny Faritra Voajanahary Arovana no nanomboka ireo dingana hamadika azy ho Faritra Voajanahary Arovana (Área Natural Protegida, na  ANP) . Dimy taona aty aoriana, anefa, tsy ahitàna soritra mihitsy hoe nisy firosoana ilay dingana.

ANP dia sata iray voafaritra [16] araky ny lalàna ho faritra iray, ambony tany na anaty rano, izay tsy nisy fahasimbàna na fanovàna goavana ary misy lanja ara-ekolojika. Misy lalàna telo samy hafa [17] miaro ny  Peña Colorada amin'izao fotoana izao , ny roa eo amin'ny sehatra monisipaly ary ny iray eo anivon'ny faritra. Hisitraka ny fiarovana ambony indrindra eo amin'ny sehatra federaly ny Peña Colorada amin'ny famadihana azy ho ANP.

Ny lalàna Meksikàna dia nametraka [18] sokajy [19] valo amin'ny ANP. Ny antotan-taratasy CONANP natao tamin'ny 2014, nalaina tao amin'ny lahatsoratra nosoratan'i Juan José Arreola [20] ho an'ny Shorthand Social, dia nanambara ny tokony hanaovana an'i Peña Colorada ho “Faritra iarovana ireo Loharanonkarena Voajanahary”, izay ny asan'olombelona mifandray amin'ny fiarovana azy ihany no omena alàlana hatao .

Nahazo valiny haingana sy nitohy ilay antso natao vao tsy ela akory izay, satria koa tena tadiavin'ireo mpanao taotrano mpividy tany any amin'ny faritra i Peña Colorada.

Efa mihetsika ry zareo, efa niresaka, fotoana izao hamitàna azy!!

#TehirizoPeñaColorada #QuerétaroReharehaniMeksika #Don'tMessWithMyTrees
(aza sangisangiana ny hazoko)  ?????

@PanchoDominguez no nilaza taminay fa ny dingana fanambaràna an'i #PeñaColorada [9] ho [Faritra Voajanahary Arovana ] dia efa nanomboka 4 taona lasa izay [nataon'ny Kaomisiona Nasionaly Mpiaro Ny Faritra Voajanahary ], izay tsy nahatontosa izany hatramin'izao. Ndeha isika hanampy hitady làlana hafa eo amin'ny sehatra eto an-toerana mandra-pahita izay vahaolana federaly. #Queretaro

Fanazavana matsilo avy amin'ny América Vizcaino mikasika ny fanambin'ny #PeñaColorada #Querétaro #PrideOfMexico #StateDecreeNow #ConservePeñaColorada

Tonga saina amin'ny ho faharetan'ny fikarakarana fangatahana amin'ny sehatra federaly, ary ho fanampin'ireo ahiahy ny amin'ny mety hisian'ny fandoroana iniana atao, ny fanimbàna ala, ary ny fikapàna hazo tsy ara-dalàna ao anaty velaran-tany 12 hektara latsaka kely nozakain'i Peña, nanolo-kevitra ny hanaovana an'i Peña Colorada ho faritra arovana eo ambany fifehezana federaly ireo mafana fo ao an-toerana sy ireo mpitia tontolo iainana.

Alohan'ny fiovan'ny governemanta manaraka, nisy fanangonantsonia iray nikendrena ny hitarihana ireo manampahefana hametraka fiarovana federaly, ka izany dia hisoroka ny fanararaotana ara-politika izay nampiasàna hatrany io resaka io tany aloha.

Fihetsika toy izany no hanome fiarovana eo noho eo ilay faritra voajanahary arovana, ka tsy hanasarotra na hibahana ny ho fiarovana federaly azy amin'ny hoavy eo ambany fifehezan'ny CONANP.

Amin'ny fampiasana ny tenifototra ao amin'ny Twitter  #ConservemosPeñaColorada [13] (#Let'sConservePeñaColorada,  na hoe Ndao harovanaPeñaColorada), manamafy ireo mponina amin'ny hoe “Satria vitanao anio izany” tamin'ny alalan'ireo tambajotrany :

Pancho , tohananay ianao amin'ny famoahana didy hanaovana ny  PEÑA COLORADA ho Tahirin-Javaboary Arovana

Fotoana hihetsehana izao andriamatoa pancho, feno hevitra tsara manerana izao tontolo izao, asa fa tsy kabary no ilainay vahoaka.

Miaraha amiko hijery ity tantara mampalahelo ity : ireo fikirakirana ara-panjakana tsy misy fahataperana mba hanaovana ilay didim-panjakana #PeñaColorada [.] Dingana tsy ampy, fahavitrihana zara raha misy, [sakantsakana] feno fitaka, fampanantenana tsy tanteraka.

Peña Colorada no isan'ny fanalahidy lehibe hampitsimbadihana ny loza voajanahary ao Querétaro. Ny lanjan’ i Peña Colorada dia tsy mitoetra fotsiny amin'ny kalitaon'ny rivotra ananany, fa koa mpandrindra feno ho an'ny fitambaran'ilay faritra manontolo. Araka ny fanahian'ilay mpahay tontolo iainana América Vizcaíno, mety hiteraka firodanan'ny tanàna, ny tontolo iainana ary ny lafiny hidrôlôlôjia (haifitsinjarana rano) ny fanajariana ho tanandehibe an'io faritra io.

Ny Tetikasa Citizens Reforesting Querétaro [37], fikambanana iray ifotony naorina tamin'ny Mey 2019 izay manohana ny fiarovana ny “fehikibo maitso” efa misy sy ny fambolena hazo zanatany ao amin'ilay faritra, dia namoaka lahatsary iray tao amin'ny Twitter nandrisika ny governemanta hanambara haingana araka izay tratrany hoe tahiry federaly voajanahary arovana i Peña Colorada :

Satria vitanao izany , Pancho
Avoahy ny didim-panjakana manambara fa  TAHIRY VOAJANAHARY AROVAN'NY FANJAKANA i Peña Colorada
Anio, Anio, Anio
Mahatoky anao izahay, Atoa. Governora #ConservePeñaColorada
@PanchDominguez