Toeramponenana ao amin'ny oniversiten'i Hong Kong, nivadika ho sahan'ady tao anatin'ny andro telo nitokonana

Sary nopihan'i Vivian Tam, CUHK. fampiasàna tsy natao hitadiavana vola.

Raha nihanahamay ny andro telo nanaovana fitokonana, ny 11 hatramin'ny 13 Novambra, navadiky ny polisy ao Hong Kong ho sahan'ady ireo toeramponenana maro tany amin'ny oniversite. Tao amin'ny oniversite shinoa ao Hong Kong, ao amin'ny distrikan'i Shatin, no tena nafàna ny fifandonana.

Nohamafisin'ireo manampahefana avy amin'ny polisy fa avy eny ambony tetezana iray (tetezana  lah;2) mampitohy ilay toeramponenana sy ny Lalambe migodana ireo mpanao fihetsiketsehana avy ao amin'ny oniversite no nanipy zavatra mankany amin'ny lalamby. Kanefa, raha tokony hiaro ilay tetezana,  naleon'ireo polisy mpandrava korontana niditra tao anatin'ny toeramponenana tamin'ny 3:15 tolakandro, nitifitra entona mandatsa-dranomaso sy taminà karazana bala hafa tsy dia mahafaty, 15 minitra tsy niato.

Asehon'ilay lahatsary miparitaka be ety anaty tambajotra ny hamaroan'ireo entona mandatsa-dranomaso natifitra nankao amin'ny toerana fanaovana fanatanjahantenan'ny oniversite taorian'ny nanaovan-dry zareo ankery ny fidirana tao amin'ny toeramponenan'ny mpianatra:

抗爭前線戰況直擊, [Nov 12, 2019 at 4:36 PM]
am-panajana  中大手足
ny androany tao CUHK
rahampitso ny oniversite rehetra ao HK
Izao no mitranga any amin'ny oniversite iray any Hong Kong !!!#hongkong #usa #HerisetraPolisy #fanjakanapolisy #SOSHK #mijoromiarakaminHongKong pic.twitter.com/Atx7HjFRto

Ireo manampahefana avy amin'ny polisy nanamarina ny hetsika nataony tamin'ny fitanisàna ny Didy Hitsivolana momba ny Filaminambahoaka, nilaza fa araka ilay didy hitsivolana, ny sekoly dia tsy heverina ho toy ny ‘toerana an'olona manokana’ ary azon'ireo manamboninahitry ny polisy atao ny miditra sy manao fisamboran any tsy ilàna taratasy.

Tokony ho tamin'ny 5 ora hariva, ny filohan'ny oniversite, Rocky Tuan, niezaka ny hampitony ny raharaha tamin'ny fandehanana teny ambava-ady, nanosoka hevitra ny hametrahana ny fitobian'ireo polisy ho eny amin'ny tendro ilany amin'ilay tetezana raha ireo mpisahana ny filaminan'ny toeramponenan'ny mpianatra kosa no ery amin'ny lafy iray. Tsy nahomby ny fifampiraharahàna ary dia nitifitra entona mandatsa-dranomaso ny polisy. Koa satria tsy nanana fiarovana amin'ny entona ny filohan'ny oniversite dia nandao ny toerana izy. Taorian'izay ry zareo mpianatra no nanomboka nitoraka baomban-tsolika sy biriky nankany amin'ireo polisy mpandrava korontana.

Nandritra ny ora dimy mahery, toy izao ny tany aloha tany tamin'ilay fifandonana:

#HKPoliceTerrorists #HKPoliceState
Miangavy, vonjeo ireo mpianatra ao amin'ny #cuhk pic.twitter.com/aA0BvW89ZG

Taorian'ny niparitahan'ireo vaovao tety anaty tambajotra nilaza ny nanafihan'ny polisy ny toeramponenana tao amin'ny oniversite, marobe ireo nahita fianarana tao amin'ilay oniversite no nihazakazaka nankeny amin'ny toeramponenana niaraka tamina karazana fitaovana samihafa, sakafo, rano, fitaovana fiarovana, ary fanafody, sns. Ohatra, mba hikarakaràna ireo naratra, ilay mpianatra fahiny tao amin'ny oniversite,  Joseph Sung, sy anjatony tamin'ireo manampahaizana manokana amin'ny fitsaboana, dia nanangana haingana toerana natao ho famonjena vonjitaitra tao amin'ny faritra fanaovana fanatanjahantena. Nanodidina ny tamin'ny 10 ora sy sasany alina, nisintaka ireo polisy mpandrava korontana.

Maherin'ny 100 ny olona naratra ka iray no tena voa mafy rehefa voatifitry ny bala fingotra teo amin'ny lohany.  Niaiky ny polisy hoe 1567 ny entona mandatsa-dranomaso natifitr'izy ireo, bala fingotra niisa 1312 no niasa ary kitapom-boa niisa 380 tao anatin'ny andro iray monja ny 12 Novambra. Ireo mpianatra tao amin'ny Oniversite Shinoa kosa nahangona fonom-bala fingotra niisa 2356 teo amin'ilay sahan'ady tao amin'ny toeramponenan'ny mpianatra:

Kitapom-bala niisa 2356 notsimponina teto amin'ny CUHK androany pic.twitter.com/8Ky3L5wktP

Ny 13 Novambra, nangatahan'ny filohan'ny fikambanan'ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong (CUHK) ny hanaovana didy vonjimaika mandrara ny tsy hidiran'ny polisy amin'ny faritry ny toeramponenan'ny mpianatra raha tsy mitondra taratasy famitàna iraka, sy koa fandraràna ny fampiasàna fitaovampiadiana natao hifehezana andian'olona eny anaty teorampianarana raha tsy nahazoany fankatoavana, nefa nolavin'ny Fitsaràna Antampony ilay fangatahana.

Ny 11 Novambra, andro voalohany nanaovana fitokonana faobe, no nanomboka ny fifandonan'ireo mpikatroka mpianatra sy ny polisy, raha iny niezaka ny hametraka sakana an-dalambe mba hanapahana ny fifamoivoizana iny ireo mpianatra. Tanjon'ilay hetsika, izay niantsoana ireo mpianatra hibodo ny fampianarana, sy ireo tomponà fandraharahàna mba hanidy ny toerampivarotany ary ireo mpiasa mba tsy hamonjy ny asany,  ny hanao tsindry amin'ny governemanta mba hamaly ny tena fitakian'ireo mpianatra: fanadihadiana tsy miankina momba ny herisetra nataon'ny polisy, fanesorana ny fomba fiteny hoe korontana, fandaozana ny fiampangàna natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana ary fanavaozana ara-politika.

Tsy ny oniversite shinoa ao Hong Kong irery no hany oniversite efa notafihan'ny polisy. Ny toeramponenan'ireo mpianatra any amin'ny oniversite eny amin'ny lafintany Nosy, ny Oniversite Politeknika, ny Oniversiten'ny Tanàna (CityU) dia samy efa notafihan'ny polisy avokoa, izy ireo izay nitifitra entona mandratsa-dranomaso sy bala fingotra. Eto ambany ireo bitsika sasantsasany momba ireo fifandonana teny amin'ny oniversite: :

 #polyu  amin'izaoora izao
Tifitra sy entona mandatsa-dranomaso pic.twitter.com/M2QQSqOVpg

ny CityU io maraina io. pic.twitter.com/5Hz9xEhOty

Entona mandatsa-dranomaso manodidina ny fivoahana ao amin'ny HKU MTR pic.twitter.com/jFFcOjIRno

Ny 13 Novambra no nitranga ny fifandonana farany tao amin'ny Oniversite Batista. Nanaovan'ireo polisy mpandrava korontana bemidina ny tao amin'ny toeramponenan'ny mpianatra taorian'ny nibahanan'ireo mpanao hetsipanoherana ny Junction Road taminà elo sy biriky:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.