Nihamahery vaika ny herisetran'ny polisin'i Hong Kong: mpanao fihetsiketsehana voatifitra akaiky
Ny lahatsoratra manaraka etoana dia fitetezana ireo andian-tatitra nosoratan'ny mpandray anjara maro ao amin'ny sehatra famoaham-baovao antserasera Hong Kong Free Press tao anatin'ny daty samy hafa. Tafiditra ao anatin'izany: Kris Cheng ao amin'ny 11 of November sy ny 9 of November, Holmes Chan sy Jennifer Creery ao amin'ny 9 of November ary i Holmes Chan ao amin'ny 9 of November. Navoaka tato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty. Tianay ny mampitandrina ny mpamaky fa ahitana votoaty mahatohina maromaro ny lahatsary amin'ity lahatsoratra ity.
Very ny lazan'ny polisin'i Hong Kong, izay matetika jerena ho ny azo itokisana indrindra ao amin'ny faritra noho ny fipongara'ireo trangan-kerisetra maro sy fanitsakitsahany ny lalànany ihany, raha miditra amin'ny volana fahavalo amin'ny hetsika fanoherana ny politikan'ny governemanta mampiondrika ny zo demaokratika i Hong Kong.
Tamin'ny 11 Novambra, nisy polisin'i Hong Kong iray misahana ny fifamoivoizana nitifitra in-telo tamin'ny mpanao fihetsiketsehana roa tsy mitam-piadiana tao amin'ny distrika iray miorina ao atsinanan'ny nosy Hong Kong ny maraimbe nandritra ny hetsika fitokonana manerana ny tanàna.
Nanao barazy tamin'ny lalana fivoahana amin'ny garan-dalamby tao Sai Wan Ho ny mpanao fihetsiketsehana. Tokony ho tamin'ny 7 sy fahefany maraina teo, nisy polisy iray niezaka ny hihaza ireo mpanao fihetsiiketsehana, avy eo izy namoaka ny basy poleta fitondrany miasa ary nanambana izany tamin'ireo olona, araka ny sary azon'ny Cupid Producer. Avy eo izy nisambotra mpanao fihetsiketsehana iray miakanjo fotsy, ary nitifitra akaiky ny mpanao fihetsiketsehana iray miakanjo mainty.
Ny fitifirana mpanao fihetsiketsehana tsy mitam-piadiana
Nisy mpanao fihetsiektsehana iray miakanjo mainty avy eo nivoaka ary niezaka ny hisambotra ny basin'ilay manampahefana, raha mbola nitifitra in-droa io.
Nahitana ra nijininika tamin'ny tany raha tsy afa-nihetsika intsony ny anankiroa. Hita ho mbola àry saina ny iray noho ny namaliany rehefa nanontaniana ny anarany izy. Tsy namaly kosa ilay mpanao fihetsiketsehana iray.
Nifamaly tamin'ny polisy ny mpandalo teo avy eo ary nitifitra dipoavatra ny polisy. Niezaka ny hanatona ilay mpanao fihetsiketzsehana torana ny vehivavy iray, saingy notolomin'ny polisy misahana ny rotaka iray izy.
Nalain'ny ambilansy ireo mpanao fihetsiketsehana roa ireo avy eo.
Niezaka ny hanapaka ny fifamoivoizana maraina manerana an'i Hong Kong ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alatsinainy 11 Novambra ho ampahany amin'ny kinasa hanetsehana ny olona hanao fitokonambe. Nisy ny fisamborana manerana an'i Hong Kong, aoanatin'izany ny tao Tuen Mun, Wong Tai Sin ary Sha Tin. Tapaka ny tolotra metrô (MTR ) tamin'ny ankamaroan'ireo zotra lehibe, tafiditra amin'izany ny zotra Kwun Tong, zotra Tung Chung, ny zotran-dalamby atsinanana, ary ny zotra Ma On Shan. Tratran'izany ihany koa ny zotran-dalamby tsotra.
Nihamafy ny hetsi-panoherana taorian'ny nahafatesan'ny mpianatra oniversite iray
Nanao voady ny hanamafy ny tolona ny mpanao fihetsiketsehana taorian'ny nahafatesan'i Alex Chow Tsz-lok 22 taona, izay lavo noho ny ratra nahazo azy raha nianjera avy amin'ny rihana voalohany tamin'ny fiantsonan'ny fiara izy. Raha mbola manjavozavo ny fahafatesan'i Chow, nanao hetsika fanaparitahana ny olona ny polisy misahana ny rotaka teo akaiky teo tamin'ny fotoana nianjerany tamin'ny 3 novambra tokony ho tamin'ny iray maraina.
Maro tamin'ny mpiasan'ny fitsaboana no naneho hevitra fa mampiahiahy ny ratra nahazo an'i Chow satria tamin'ny lohany sy ny hatony ny nisy ireo fahatapatahan'ny taolana rehetra. Dokotera iray mpandidy loha no nino fa mety ho efa tsy nahatsiaro tena i Chow tamin'ny fianjerany satria efa-metatra monja ny haavon'ny fianjerany, ary ny fitsambikinana ao anatin'ny fahatsiarovantena dia tototokony hahatonga ny fahatapahan'ny taolana amin'ny tanany sy ny tongony raha amin'ny toe-draharaha mitovy amin'izany.
Tamin'ny 9 Novambra, olona an'arivony no nivory teo ivelan'ny foiben-toeran'ny governemanta mba hisaona amin'ny fahafatesan'i Chow. Nasehon-dry zareo ny finoan-dry zareo fa ny governemanta sy ny polisy misahana ny rotaka no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesany. Mpiasam-birao iray 40 taona no niteny tamin'ny HKFP nandritra ny fiaretan-tory (fandrehetan-dabozia):
This shouldn’t have happened. I want to know the truth. Even though the police tried to say it had nothing to do with them, I don’t believe it, I don’t buy it at all. They have really lost their credibility.
Tsy tokony ho nitranga izao. Te-hahafantatra ny marina aho. Na dia miezaka ny miteny aza ny polisy fa tsy misy idirany ny amin'io dia tsy mino izany aho, tsy ho voavidin'izany aho (hafa ny filaza azy amin'ny teny anglisy). Tena very tanteraka ny fitokisana azy ireo.
Filazana ho fisian'ny fanolanana tambabe nataon'olona efatra tao amin'ny tobin'ny polisy
Nitombo ny fahatafintohinana raha sambany nahare ny vahoaka fa nisy fanolanana tambabe tao amin'ny tobin'ny polisy taoTsuen Wan tamin'ny septambra. Nanamarina ny polisy fa naharay fitarainana ry zareo tamin'ny 22 oktobra, saingy nilaza fa tsy mpifandraika amin'ny vokatry ny fanadihadiana (famotorana) ny filazana tahaka izany.
Nivoaka an-tserasera aloha tamin'ny voalohany ny antsipirihan'ny fanolanana tambabe, ary avy eo narahana sy navoakan'ny Apple Daily news. Vehivavy 18 taona izay nanao fanalan-jaza tamin'ny 5 novambra tao amin'ny Hopitaly Mpanjakavavy Elizabeta no lazaina ho lasibatra tamin'izany.
Araka ny tatitra, nosakanana ilay vehivavy raha nandeha an-tongotra akaikin'ny tobin'ny polisy ao amin'ny distrikan'i Tsuen Wan tamin'ny tapaky ny volana Septambra. Na dia tsy nanao akanjo mainty aza izy (saiky manao akanjo mainty ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana hanehoany nyfijeriny ara-politika) sady tsy nanao hetsika fanoherana, dia nolazaina ho nampidirina tao amin'ny toby izy ary nanaovan'olona efatra misarontava angaredona fanolanana.
Nilaza ny tatitry ny Apple Daily fa nahitana soritra fahakiviana lalina teo amin'ilay vehivavy taorian'ny zava-nitranga, ary nisalasala izy tamin'ny voalohany ny hametraka fitoriana tao amin'ny polisy. Nahita izy avy eo fa bevohoka taorian'ny fandehanana tany amin'ny hopitaly tamin'ny tapaky ny volana Oktobra, ary niteny tamin'ny mpiasan'ny fitsaboana ny zavatra nihatra taminy raha niaraka tamin'ny reniny.
Nisy pejy Facebook iray, HA secrets, tantanin'ny mpiasan'ny hopitalim-bahoaka nanaporitsaka fa efa nangonina ny ADN ho porofo hamantarana ny nahavanondoza.
tamin'ny 26 Oktobra – efatra andro taorian'ny nanamarihana ny toe-javatra tao amin'ny polisy – mpitondratenin'ny polisy no nilaza fa “tsy naharay fitarainana fanafihana ara-pananahana” tao amin'ny Foibe San Uk Ling Holding, toerana iray misaraka izay vao nahenoana sahoan-dresaka amin'ny fanararaotana gadra. Tamin'io fotoana io, Tsy nilaza ny polisy raha naharay fitarainana heloka ara-pananahana mifandraika amin'ny tobin'ny polisy ao Tsuen Wan Police na toeran'ny polisy hafa.
Manampahaizana iraisampirenena niantso ny hanaovana fanadihadiana mahaleo tena fitarainana ao amin'ny polisy
Ny fitsapan-kevitra no naneho fa tsy matoky ny polisy ny ankamaroan'ny vahoaka ao Hong Kong ary nitaky ny hanaovana famotorana mahaleo tena amin'ny fampiasana hery tafahoatra ataon'ny polisy.
Iray amin'ireo dimy mpikambana ao amin'ny vaomieran'ny manampahaizana manokana iraisampirenena vao natsangana tamin'ny septambra hanampy ny IPCC amin'ny famakafakana ara-dohahevitra amin'ny hetsi-panoherana ny Profesora Clifford Stott, Sojaben'ny Fakiolten'ny Fikarohana ZavaBoary ao amin'ny Oniversiten'i Keele ao United Kingdom.
Tamin'ny 9 Novambra, niteny mafy i Cliff Stott, iray amin'ireo dimy mpikambana ao amin'ny vaomieran'ny manampahaizana manokana iraisampirenena ho an'ny Filaknevitra Fitarainana Mahaleotena ao amin'ny Polisy (IPCC) Hong Kong ary natsangana hanampy ny IPPC. Namoaka fanambaràna izy tao amin'ny Twitter nilaza fa tsy ampy fahefana ny fomba fiasa amin'izao fotoana izao eo ambany fahefan'ny IPCC, ary nandrisika izy hisian'ny fanadihadiana midadasika kokoa ataon'ny vondrona mahaleotena iray ary manana ny fahefana ilaina amin'izany:
International Experts Panel for Hong Kong Independent Police Complaints Council study into the disturbances concludes a need to substantially enhance IPCC capacity, which if addressed may allow their Thematic Study to provide a compelling case for next steps. pic.twitter.com/mMw4lQiUuU
— Clifford Stott (@cliffordstott) November 9, 2019
Ny Vaomieran'ny manampahaizana manokana iraisampirenena hanmakafaka ny Filankevitry ny Fitarainana Mahaleotena ao amin'ny Polisy amin'ny fikorontanana no manao fehinteny filàna fanamafisana ny fahefan'ny IPCC, izay raha atrehana dia mety hamela ny Famakafakana ara-dohahevitra ataony hampisy fanerena amin'ny dingana manaraka
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...