
Pikantsarin'ny lehiben'ny Jamiat Ulema-i-Islam (F) Maulana Fazl ur Rehman miteny amin'ny mpandray anjara amin'ny dharna (sit-in) tao Islamabad tamin'ny 4 Novambra 2019. Amin'ny alalan'ny fantsona YouTube 24 News.
Kilaometatra vitsivitsy monja miala ny Lapan'ny Praiminisitra Pakistaney ao an-drenivohitra Islamabad, nanomana ‘dharna’ na hetsi-panoherana sit-in tsy mampiasa herisetra ny lehiben'ny Jamiat Ulema-i-Islam (Fazal) (JUI-F) Maulana Fazl ur Rehman sy ireo mpikambana mpanohitra sasantsasany miaraka amin'ny mpanohana an'arivony tamin'ny 1 Novambra 2019 taorian'ny diabe efatra andro nankao an-tanandehibe.
Ity ‘Diabe Azadi‘, na ‘diaben'ny fahafahana’ ity, dia hetsi-panoherana mitaky ny fialàn'ny praiminisitra Imran Khan sy ny fanafoanana ny antenimiera. Araka ny mpanao fihetsiketsehana, tsy mangarahara ny fifidianana tamin'ny taona 2018 ary ny ao amin'ny fitondram-panjakana no ao ambadiky ny ‘fifantenana’ ny governemanta. Na dia efa nisy intelo aza ny dinika nifanaovan'ny Governemanta sy ny mpikambana ao amin'ny JUI-F Shura, dia mbola tsy ahita-mangirana ny toe-draharaha amin'izao fotoana anaovana ny tatitra izao.
The Azadi March has brought the religious right and secular left together on a one-point agenda of CIVILIAN SUPREMACY. https://t.co/Z6i0oa1xIv pic.twitter.com/yAKXmf8P8f
— ویخ پختون (@Weekh_Pakhtun) November 7, 2019
Nampiara-dalana ho amin'ny tanjona iray ny teo amin'ny relijiozy ankavanana sy ny lahika ankavia ny Diabe Azadi dia ny mankany amin'ny FIAMBONIANA FARATAMPONY SIVILY
Antoko mampifangaro ny politika ankavanana sy ny fivavahana sonita Deobandi ao Pakistan ny JUI-F. Andro vitsy monja mialoha ny hanombohan'ny hetsi-panoherana, noraràn'ny governemanta federaly ny Ansar-ul-Islam, izay lazaina ho elatra mpitolona (mitam-piadiana?) ao amin'ny JUI(F). Nanararaotra ihany koa ny Ligy Miozolomana Pakistan (Nawaz), ny Antokom-Bahoaka Pakistan (PPP) ary ny sasantsasany amin'ireo tsy miala mihitsy amin'ny mpanohitra ara-politika hafa maro dia maro mba handray anjara amin'ny diabe ho fanoherana ny governemanta.
Ny mampihomehy dia efa nitarika Diabe Azadi sy sit-in naharitra 126 andro hanaovana izay hanesorana ny praiminisitra Nawaz Sharif tamin'izany fotoana izany ihany koa i Imran Khan, praiminisitra amin'izao fotoana izao.
Omen'ny mpikarakara sakafo sy fisotro ny mpanao fihetsiketsehana mandritra ny sit-in, manolotra vavaka, manonona andinin-tsoratra Korany, ary manao karazan-dalao ry zareo hanalana andro. Nahitana saina Pakistaney vitsivitsy tao amin'ny diabe ary nahitana ny sainan'i Emirà Islamikan'i Afghanistan, i.e., izany hoe ny Taliban Afghan ihany koa tao amin'ny vahoaka tao.
Nisioka ny sarin'ny vahoaka i Anas Mallic, mpanora-gazety:
Meet SajidUllah, A supporter of the Islamic Emirate at the #JUIF Jalsa – flags of Islamic Emirates ie the Afghan Taliban can be spotted in abundance the the dharna site. #AzadiMarch pic.twitter.com/DYrSdDmp83
— Anas Mallick (@AnasMallick) November 2, 2019
Indro i SajidUllah, mpanohana ny Emirà Islamika ao amin'ny #JUIF Jalsa -hita betsaka ao amin'ny dharma ny sainan'ny Emirà Islamika izany hoe ny Taliban Afghan.
Tao amin'ny kabariny i Maulana Fazlur Rehman nitsikera ny governemanta sy ny andrim-panjakana (mandòna any amin'ny tafika):
…the marchers don’t want a fight with the institutions, but we want to see them [institutions] as impartial. We are giving you two days to stop backing the government.
Tsy mitady ady amin'ny andrim-panjakana ny mpanao diabe, saingy tianay mba tsy hiangatra ireo. Manome roa andro anareo izahay hitsaharanareo amin'ny fanohanana ny goverrnemanta.
Ho valin'izany kabary izany, namoaka fanambaràna ny tale jeneralin'ny interservisin'ny Fifandraisana amin'ny vahoaka (ISPR) ny Mazaoro Jeneraly Asif Ghafoor:
JUI-F chief should tell which institutions he was referring to in his speech and should take up his reservations with the concerned institutions as Army is an ‘impartial’ institution.
Tokony lazain'ny sefon'ny JUI-F hoe inona ilay andrimpanjakana tondroiny amin'ny kabariny ary tokony hanao famandrihana amin'ilay andrimpanjakana lazainy izy satria efa andrimpanjakana ‘tsy miangatra’ ny Tafika
Araka ny fanadihadiana nataon'ilay Pakistaney-Amerikana mpanao matoandahatsoratra Mohammad Taqi, miady ny adiny ho amin'ny fiangànana ara-politika i Maulana Fazlur Rehman amin'ity Diabe Azadi ity.
Manao ny ezaka rehetra ny lehiben'ny JUI-F Chief mba hitazonana hatrany ny mpihaino azy hirotsaka ao amin'ny diabe Azadi, vitany hatramin'ny mandroàra fankahalàna an'i Israely, India, ary ihany koa ny vondrom-piarahamonina Qadiani na ny Miozolomana Ahmadiyya.
Clearest articulation of “procedural democracy”, where MFR is congratulating protestors for thwarting an imaginary conspiracy by Israel, “Qadiyanis” to take over Pakistan using Imran Khan
The damage such bigoted rhetoric is doing to our society cannot be overstated #AzadiMarch pic.twitter.com/Kl27Zug2ZO
— Reema Omer (@reema_omer) November 3, 2019
Fanononana mazava tsara ny “fombafomba ara-demaokratika”, izay iarahaban'ny MFR ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny fanohintohinana ny tetidratsy sarintsariny nataon'i Isiraely, “Qadiyanis” tamin'ny fandraisana an-tanana an’ Pakistan amin'ny fampiasana an'i Imran Khan.
Tsy mety itarina ny fahasimbana aterak'izany fomba fitompoanteny fatratra izany
Melohin'ny mpisera Twitter ihany koa ny filohan'ny Pakistan Peoples Party (PPP) Bilawal Bhutto Zardari ao amin'ny fanoherana noho ny fijoroana eo ankilan'ny lehiben'ny JUI-F teo an-tsehatra raha niteny manohitra ny vondrom-piarahamonina miozolomana vitsy an'isa Ahmadiyya izy. Voatsikera ho nangina nandritra ny diabe ny PPP, izay fantatra amin'ny ho ankilan'ny vondrom-piarahamonina vitsy an'isa sy miaraka amin'i Asia Bibi amin'ny raharaham-pitenenan-dratsy an'Andriamanitra anenjehana io vehivavy voatonona farany io.
Bilawal Bhutto joined #AzadiMarch crowd that wants Asia Bibi killed & oppress Ahmadis more.
Same Asia Bibi, Salman Taseer gave his life for & same Ahmadis, he bravely visited after Lhr attack.
Dark day for this so called liberal party.
Politics can't get more dirtier than this. pic.twitter.com/xByjWzhOR5— Shaan (@Shanyousaf6) November 1, 2019
Nanatevin-daharana ny diabe azadi izay mitaky ny hamonoana an'i Asia Bibi sy hamoretana bebe kokoa ny Ahmadis i Bilawal Bhutto
Tahaka an'i Asia Bibi, nanome ny ainy ho an'ireo Ahmadis ireo izay notsidihany taorian'ny fanafihana an'i Lahore i Salman Taseer.
Andro maizina amin'ity lazaina ho antoko liberaly.
Tsy mandoto betsaka noho ny tahaka izao ny politika.
Nandritra ny Diabe Azadi, nisy ihany koa ny fahatapahana aterineto tsindraindray. Araka ny Digital Rights Monitor, niato ny servisin-data finday tamin'ny farira sasany tao Islamabad, Punjab ary Khyber Pakhtunkhwa mba hamerana ny famoahana mivantana ny ‘Diabe Azadi’.
Nosiahan'ny mpanora-gazety zokiny Mutraza Solangi ny pikantsarin'ny hafara voarainy amin'ny fikatonan'ny aterineto:
Mobile Internet was deactivated to stop the live streaming of Maulana Fazul Rehman’s Azadi March while all TV channels were forced to observe blanket media black out. Remember Imran Khan claiming that media in Pakistan is fewer than UK? pic.twitter.com/C7dK2SmZnW
— Murtaza Solangi (@murtazasolangi) October 30, 2019
Nopihana tsy hiasa ny aterineto finday hampitsaharana ny famoahana mivantana antserasera ny diabe azadi an'i Maulana Fazul Rehman raha noterena tsy hampita na inona na inona ny fahitalavitra rehetra. Mahatsiahy ny filazan'i Imran Khan hoe vitsy kokoa noho i UK ny fampitam-baovao ao Pakistan?
Ankoatra ny fahatapahan'ny aterineto, noferan'ny vondrona Ansar Ul Islam ihany koa ny mpanora-gazety tsy hanangom-baovao amin'ny diabe tao amin'ny toerana nanaovana izany.
اظہارِ رائے بنیادی جمہوری حق ہے لیکن فضل الرحمٰن کے آزادی مارچ میں شریک کارکنان کو بولنے کی اجازت ہی نہیں۔۔۔#FreedomMarch pic.twitter.com/AO9jLqvDMU
— Noshi Gilani (@noshigilani) November 3, 2019
Dikantsoratra: Zo fototra ho an'ny olombelona ny fahalalaham-pitenenana saingy tsy avela hiresaka ny vahoaka ao amin'ny diabe azadi.
Nisedra fanoherana ihany koa ny vehivavy mpanora-gazety vitsivitsy rehefa niezaka ny hanao diabe ry zareo.
Nisioka ny mpanora-gazety nanana ny lazany Muhammad Malick:
Our two journalists Shifa Yousufzi & Annie shirazi we’re barred from covering JUI-F rally because they were ‘women’ and weren’t allowed to enter the venue. Seriously…cause they were women? What a shame and what a silly way to misrepresent Islamic teachings. Shameful indeed!
— Mohammad Malick (@MalickViews) November 1, 2019
Tsy navela hanangom-baovao amin'ny fihaonan'i JUI-F ny roa amin'ny mpanora-gazetinay Shifa Yousufzi & Annie shirazi satria vehivavy ireo ary tsy mahazo miditra ao an-toerana. Tena izany ve… satria vehivavy ireo? Henatra sy fomba ratsy handikàna vilana ny fampianarana islamika. Tena mahamenatra!
Manonona ny mpanora-gazety mpilaza vaovao Shiffa Z. Yousafzai:
Thread from Maulana March: Went to the ground, only men could be seen in the ground for yards and yards. It felt very awkward and uncomfortable to be stared at some kind of alien still my team went ahead with me covering the march. So we went towards the ground. #Azadi_March
— Shiffa Z. Yousafzai (@Shiffa_ZY) November 1, 2019
Randram-baovao avy amin'ny diabe Maulana: nandeha teny an-kianja izahay, ny lehilahy ihany no tokony ho hita eny an-kianja manerana ny tokotany. Mampikaviavia sady tsy ahazoan'aina ny jerena ho toa “alien” [tsy olon'ny tany] raha miaraka amiko ny ekipako manangom-baovao amin'ilay diabe. Ka dia nankeny an-kianja izahay.
Araka ny antony omen'ny antoko JUI-F, tsy mandray anjara amin'ny dharna ny vehivavy satria any an-trano ireny mifady hanina sy mivavaka ho an-dralehilahy sy ny mahasoa ny fianakaviana.
This is probably the most twisted logic you'd come across
Ansarul Islam workers tell @NayaDaurpk, #women aren't allowed at #AzadiMarch as their job is to sit home and pray for their male counterparts, even if they support Maulana's cause
Watch full ??https://t.co/uk3k30fuVp
— NayaDaur Media (@nayadaurpk) November 1, 2019
Ity angamba ny lojika hitanao ao.
Niteny tamin'i Naya Daurpk ny mpiasan'ny Ansarul Islam fa tsy navela handeha amin'ny diabe azadi ny vehivavy fa ny mipetraka any an-trano sy mivavaka ho an'ny lahy no asany, eny fa na dia manohana ny fotokevitr'i Maulana aza ry zareo.
Hijery manontolo
Talohan'izany ny lehiben'ny JUI-F Maulana Fazlur Rehman nampahafantatra ny Ligy Miozolomana Pakistan-Nawaz (PML-N) amin'ny tsy fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny sit-in ho avy ao Islamabad satria tsy Islamika izany amin'ny fomba fisainandry zareo hoe vehivavy handray anjara amin'ny zavatra toy izany.
Manao fehin-kevitra ny toe-draharaha ny mpanao hatsikana Shehzad Ghias Shaikh:
What does Maulana Fazlur Rahman think? He can become Prime Minister by having a dharna in Islamabad, playing the religion card, threatening violence, exploiting the ahmadi issue, courting the army's support and asking for the PM's resignation? Who does he think he is? Imran Khan?
— Shehzad Ghias Shaikh (@Shehzad89) November 5, 2019
Fa inona no eritreretin'i Maulana Fazlur Rahman? Afaka ny ho praiminisitra izy amin'ny fanaovana dharna ao Islamabad, milalao fivavahana, mandrahona herisetra, manararaotra amin'ny raharaha ahmadi, mikôty ny fanohanan'ny tafika ary mangataka ny fialan'ny PM? Fa mieritreritra azy ho iza izy? Imran Khan?