Kôlômbia, nametraka fialàna ny minisitry ny fiarovana noho ireo famborahana momba ny daroka baomba nataon'ny tafika

José Rojas, 15 taona . Jhon Pinzón, 17 taona . Wilmer Castro, 17 taona . Abimiller Morales, 17 taona . Diana Medina, 16 taona . Ángela Gaitan, 12 taona . Sandra Vargas, 16 taona. Zaza niisa fito no novonoin'ny tafika tanaty daroka baomba, ary nolazainy fa “guerrilleros“. BOTERO : MIALA !

Ny 6 Novambra 2019, nanamafy ireo manamboninahitra ko^lo^mbiàna fa tanora valo no maty tamin'ny volana Aogositra nandritra ny daroka baomba iray natao tany amin'ny faritra San Vicente del Caguán, daroka baomba natao hikendrena ireo manohitra avy amin'ny Tafika Revolisiônera ao Kôlômbia (FARC) [fr]. Ity vaovao ity, naboraky ny senatera Roy Barreras, dia nafenin'ny minisitry ny fiarovana.

Nametraka fialàna ny minisitry ny fiarovana, Guillermo Botero, ary napetrany ho hita ao amin'ny kaonty  Twitter an'ny minisiteran'ny fiarovana ny dika amin'ilay taratasy fametrahany fialàna, nanoloana ireo kiana marobe nohon'ny tsy namborahany ny nahafatesan'ireny ankizy ireny tany aloha, sy nohon'ny fanitsakitsahana ny Lalàna Iraisampirenena momba ny maha-olona  (DIH) [fr], araka ny fanazavan'ny olona iray mpampiasa sy ny  “neabogado” El Vago de los Hilos (Ny any ambadiky ny sehatra), teo amin'ny fahambaovaony,

Niteraka karazana adihevitra teny anaty tambajotra sôsialy ilay adihevitra omaly momba ny fitsipaham-pitokisana ny minisitry ny fiarovana. Adihevitra momba ny tokony hahafantarana raha mifanaraka amin'ny Lalàna Iraisampirenena momba ny maha-olona ilay hetsika nataon'ny tafika ka nahafaty ireo tanora 7. Manokatra ity fàhana fanazavana ity aho:

Nisy “hetsika sarintsarim-pisaonana” nokarakaraina tamin'ny 8 Novambra tao Bôgôta mba handinihana izay fomba hisorohana ny tsy hanaovan'ny governemanta famonoana hafa intsony amin'ny hoavy.

Ny gazety tsy mainkina La Silla Vacía (seza foana) dia mamaritra ny fialàn'i Botero ho toy ny “iray amin'ireo fotoana ratsy indrindra hatramin'izao ho an'ny governemantan'i Duque”.

El peor golpe recibido por el Presidente en sus primeros 15 meses de mandato.

No sólo porque se trata de un funcionario de alto perfil que sale por presión del Congreso y en parte la opinión pública.

Es que, además, hablamos del jefe de la cartera encargada de la seguridad, que es el corazón del partido de Gobierno, el Centro Democrático, y principal bandera del padrino y jefe político de Duque: el expresidente Álvaro Uribe.

Ity no kapoka henjana indrindra nahazo ny Filoha hatramin'ny nanombohan'ny fepotoam-piasàny. Tsy hoe fotsiny mpiasam-panjakana be mpahalàla no lasa noho ny tsindry avy amin'ny antenimiera, ary amin'ny ampahany dia noho ny tsindry avy amin'ny vahoaka. Fa dia olona tomponandraikitra ihany koa amin'ny rantsana misahana ny fiarovana, ny tena ain-dehiben'ny antoko eo amin'ny fitondrana mihitsy, ny Centro Democrático, ary ny voalohany ray mpiahy sy lehibe ara-politika ho an'i Duque: ilay filoha fahiny Álvaro Uribe.

Nandritra ny fihaonana iray tao Barranquilla,nanontanian'ilay mpanao gazety, Jesús Blanquicet, avy amin'ny gazety El Heraldo mikasika ilay fanafihana ny filoha Iván Duque. Toy izao no navaliny : “¿De qué me hablas, viejo?” (“Fa inona izany resahan-drangahy amiko izany, ry sakaiza ?”) Taty aoriana dia notantarain'i Blanquicet fa nodarohan'ireo miaramila mpambina ny filoha izy. Ny FLIP, Orina ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Kôlômbia, no namboraka antsipirihany vitsivitsy momba ilay tranga:

Toherin'ny FLIP ny herisetra nataon'ireo mpiambina ny filoha @IvanDuque tamin'ny mpanao gazety @JesuB avy amin'ny gazety mpiseho isandandro @cvelheraldoco nitranga omaly hariva tao Barranquilla. Nanatona ny filoha ilay mpanao gazety ary nanontany azy momba ilay daroka baomba tao Caquetá izay mety niteraka ny fahafatesan'ireo zaza valo tsy ampy taona. Tantarain'ilay mpanao gazety fa taorian'ireo fanontaniany indrindra no nanatona azy ireo mpiambina ny filoha izay nanome totohondry azy tany ambany foitrany mba hampandohalika azy.

Lasa tenifototra #DeQueMeHablasViejo ilay fehezanteny hoe  “Fa inona izany resahan-drangahy amiko izany ?”  ary niparitaka be teny amin'ireo mpampiasa aterineto mba hametrahana fanontaniana hafa amin'ny filoha sy hamaliana izany amin'io fomba io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.