- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolalana mpivoaka isan-kerinandro mikasika ny asa fanoratana : manolo-kevitra momba ny tantara

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Fomba fanoratra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2015)

Fitambaran'ireo fomba fanao tsara indrindra amin'ny asa soratra sy ny fitaterana ato amin'ny Global Voices ny Torolalana Mpivoaka Isan-kerinandro mikasika ny Asa Fanoratana. I Rezwan [1], toniandahatsoratry ny faritra Azia Atsimo [2], no hitondra ho anao ireo torohevitra amin'ity volana Septambra ity.

Mety ho sarotra ny manoratra lahatsoratra ato amin'ny GV. Haiko fa na ho an'ireo mpandray anjara matetika, izay maro, aza, indraindray dia mety ho sarotra ny mitady lohahevitra horesahina. Mety efa namaky lahatsoratra feno vitsivitsy mikasika lohahevitranà vaovao mafana iray ry zareo ary tsy fantany ny lanja hoentin'ny asa sorany (izany hoe, efa nisy olon-kafa nanao izany ka nahoana no tokony mbola hanao izany aho?) na koa mety tratran'ny krizin'ny fitohanan'ny mpanoratra izy ireo.

Raha toa ka manam-potoana ianao fa tsy dia azonao antoka loatra hoe inona no horesahinao, manampy foana ny mieritreritra ny sokajy mahaliana anao ao anatin'ny zavatra tianao hosoratana. Mety mifantoka aminà lohahevitra na fanontaniana iray mandritra ny fotoana maharitra ianao, kanefa manana fahaizana na traikefa aminà olana hafa; noho izany, angamba afaka manandrana fiovàna ianao.

Afaka manomboka amin'izay lohahevitra hainy indrindra ireo mpanoratra vaovao. Ny fanaovany izany dia hahafahany mahazo aina tsara eo am-panoratana momba ny zavatra ananany fahalalàna lalina.

Misy karazanà fomba maro ahafahanao mahita hevitra ho ana lahatsoratra am-bilaogy.

Vao manana hevitra fotsiny ianao, ny dingana manaraka dia ny famantarana ny fomba hitondranao izany. Amin'ny andininy manaraka, hiresaka mikasika ny fakàna ireo loharanon-kevitry ny tambajotran'olontsotra sy ny fanalehibeazana ny fomba fijerintsika aho.

Mba lazao ahy raha toa ka manana fanontaniana ianao!