
Lasa lohahevitra malaza tao Pakistan tamin'ny 4 Novambra 2019 i Rabi Pirzada. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny Lohahevitra Malaza 2019. CC BY 2.0
Mbola nisy mpilalao sarimihetsika iray hafa indray tany Pakistan niharan'ny heloka an-tserasera sy ny fanenjehana taorian'ny nivoahan'ny sariny sy ny lahatsariny tao amin'ny Aterineto. Vao avy nivarotra ny telefôniny ilay mpihira pop Pakistaney Rabi Pirzada no nisy olona nijirika ny tenimiafiny, ka namoaka an-tsokosoko ny sary sy lahatsariny manokana. Lasa nalaza be ny tsiambaratelon'ny sariny sy ny lahatsariny rehefa avy naparitaka an-tserasera ary nilaza izy fa hiala amin'ny sehatry ny showbiz .
میں رابی پیرذادہ شوبز سے کنارہ کشی اختیار کرتی ہوں ۔ اللہ تعالیٰ میرے گناہوں کو معاف کرے۔ اور میرے حق میں لوگوں کا دل نرم کرے۔
وَتُعِزُ مَن تَشَاء وَتُذِلُ مَن تَشَاء#SaveaSoul
— Rabi Pirzada (@Rabipirzada) November 4, 2019
“Hiala amin'ny sehatry ny showbiz izaho, Rabi Pirzada. Enga anie Andriamanitra ka hamela ny fahotako ary hanamora ny fon'ny olona mankasitraka ahy. #SaveaSoul “
Pirzada recently came into limelight when she released a song in support of people of Indian-held Kashmir in which she was wearing a suicide jacket. She also released a video where she is surrounded by snakes and threatened Indian Prime minister Narendra Modi.
Vao tsy ela akory izay i Pirzada no nisarika ny sain'ny maro rehefa namoaka hira ho fanohanana ny vahoaka tao Kashmir tantanan'i Indiana izay nanaovany fitafy misy baomba. Namoaka horonantsary iray ihany koa izy izay nahitana azy voahodidina bibilava ary nandrahona ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi .
Nanomboka ny fanentanana an-tserasera ny olona niaraka tamin'ny tenirohy #iamrabipirzada ho fanohanana an'i Rabi. Ilay mpianatra lalàna Pakistaney mpila ravinahitra Fouzia Gillani no nanomboka ny fanentanana:
Its my choice to support #Rabipirzada in this way. If people don’t get offended by nudity while watching the porn then they shouldn’t even get offended to see a naked woman supporting a cause.#iamrabipirzada
Thank you everyone for support.❤ pic.twitter.com/Y86516CUxD— Fauzia Ilyas (@FauziaGilani) November 3, 2019
Safidiko ny hanohana an'i #Rabipirzada amin'izany. Raha toa ka tsy manohina ny olona ny fitanjahana rehefa mijery pôrnô dia tsy tokony hanohina azy ireo ihany koa ny mahita ny vehivavy iray mitanjaka noho ny fanohanana fotokevitra.
Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny izy :
Nude pictures of Rabi Pir Zada were leaked by another person, however Pakistani people were cursing her instead of demanding an investigation against the person who leaked those photos and videos.
Just wondering after reading many women that why she took such photos.
There are several cases where men harassed woman by sending their nudes in women inbox. Then they don’t feel shame but if a woman come up with those ideas then their so called values hurt.
It’s a hypocrisy and it should be ended now.
Navoakan'ny olon-kafa an-tsokosoko ny sarin'i Rabi Pir Zada mitanjaka , nanozona azy anefa ny vahoaka Pakistaney fa tsy nitaky fanadihadiana momba ilay olona namoaka ireny sary sy lahatsary ireny.
Mampanontany tena ahy rehefa avy nijery vehivavy maro hoe inona no nahatonga azy naka sary toy ireny.
Maromaro ny tranga izay hanohinan'ny lehilahy ny vehivavy amin'ny fandefasana ny sarin'izy ireo mitanjaka any anatin'ny fandraisan-kafatry ny vehivavy. ary tsy menatra akory izy ireo kanefa raha misy vehivavy manan-kevitra hanao tahaka izany dia lazaina fa manimba ny lazaina fatratra ho soatoavin'izy ireo.
Fihatsarambelatsihy izany ary tokony hofarana ankehitriny.
Nisioka i Alishba Zarmeen, mpila ravinahitra Pakistaney any Canada hoe:
Let’s demystify human body and take away slut-shaming. That’s the only way to move forward. Luckily, my entire business is built around the very concept & empowering women to embrace all they’re made of.
In solidarity with #RabiPeerzada and Qandeels of the world.#iamrabipirzada pic.twitter.com/zFcWsQqrAN— Alishba (@SecularlyYours) November 3, 2019
Esory ny misiterin'ny vatan'olombelona ary esory ny fampamenarana. Izany no hany fomba handrosoana. Soa ihany fa miorina manodidina ny foto-kevitra sy manome hery ny vehivavy mba handray an-tanana ny zavatra ananan'izy ireo ny asako manontolo.
Ho firaisankina miaraka amin'i RabiPeerzada sy Qandeels manerantany
Nihevitra ny mpisera Twitter iray hafa fa tsy izany no fomba tsara hiarovana an'i Rabi ary nisioka izy hoe:
And this is the shittiest way supporting her.
— Aisha Jamil (@ItsssAisha) November 3, 2019
Izany no fomba tsy izy indrindra hanohanana azy.
Nisioka i Farhan Virk, bilaogera Pakistaney sady dokotera MBBS hoe:
رابی پیرزادہ کی حمایت میں لوگ کپڑے اتار کر اپنے مخصوص اعضا پر #IamRabiPirzada لکھ رہے ہیں۔ یہ کیا جاہلانہ طریقہ ہے کسی کی حمایت کا؟ ان لوگوں کا دماغ ٹھیک ہے؟
اس ٹرینڈ #IamRabiPirzada
پر کلک کریں اور جہالت کو دیکھیں pic.twitter.com/XJBBRKy6CV— Dr Farhan K Virk (@FarhanKVirk) November 3, 2019
Ho fanohanana an'i Rabi Pirzada dia manala fitafiana sy nanoratra ny #rabipirzadaaho ny olona tamin'ny faritry ny vatana miafin'izy ireo. Inona ity fomba tsy izy hanohanana olona ity? Tsy tonga saina ve ireo olona ireo. tsindrio ity hazo ity ary jereo izany fahaverezan-tsaina izany
Niteraka fanombantombanana ny adihevitra tao amin'ny Twitter
Any Pakistan, mahazo tosika sy fanohanana avy amin'ny elatry ny fampielezan-kevitry ny miaramila ISPR ny sarimihetsika. Mavitrika ao amin'ny Twitter ny tale jeneralin'ny ISPR, Asif Ghafoor ary tonga nanohana ny lohahevitry ny hira tao amin'ny sarimihetsika, Kaaf Kangana, tetikasa ISPR.
Pic 1. The item song is by an indian girl in the movie as per her role, you may watch movie to know the context.
Pic 2. It is neither at GHQ (GHQ is at Rwp not Islamabad) nor of an event organised for ISPR as such.— Asif Ghafoor (@peaceforchange) October 28, 2019
Sary 1: Avy amin'ilay vehivavy Indiana ny lohahevitry ny hira ao amin'ny sarimihetsika ary amin'ny fihetsika ataony no hahatakaranao ny zavatra resahan'ny sarimihetsika.
Sary 2: Sady tsy ao amin'ny GHQ ( any Rwp ny GHQ fa tsy any Islamabad) sady tsy hetsika nokarakarain'ny ISPR ihany koa izany.
Nifampizara sioka tamin'ny Tale Jeneralin'ny ISPR i Rabi ary niantso azy hanohana ny dihy manaitaitra sy ny hira. Mahamenatra eo amin'ny fiarahamonina Pakistaney ny dihy na ny dihy manaitaitra sy ny hira izay ahitana ny mpilalao sarimihetsika mifampamenatra noho izy ireo mampiseho ny vatany. Misy fiantraikany any India ny tonon'ilay hira ary nahaliana ny mpisera Twitter Pakistaney .
Nanala baraka ny DG i Rabi ary nisioka hoe:
Seriously disappointing, @OfficialDGISPR we all make mistakes but never refuse to admit it or explain it like this ?#chotisibaat pic.twitter.com/2SQHJPtSaz
— Rabi Pirzada (@Rabipirzada) October 31, 2019
Tena mandiso fanantenana, samy manao hadisoana avokoa isika ry manamboninahitra Tale Jeneralin'ny ISPR saingy tsy miaiky izany mihitsy na manazava toy izany.
Mpisera Twitter Pakistaney maro no nanome tsiny ny Tale Jeneralin'ny Seraseram-bahoaka Anatiny (Inter-Services Public Relations -ISPR) Mazaoro Jeneraly Asif Ghafoor noho ny nanaparitahany ny sary sy lahatsary tsiambaratelon'i Rabi Pirzada. Na izany aza, tsy misy rohy mivantana na porofo milaza fa mihoatra ny karajia Twitter izany.
Naneho hevitra ny mpisera Twitter iray hoe:
she criticized asif ghafoor and her pictures and videos got leaked after 1 hours
— Maaz Siddiqui (@m_siddiq7) November 1, 2019
Nitsikera an'i asif ghafoor izy ary niparitaka rehefa afaka ora iray ny sariny sy ny lahatsariny
leaks came after she criticized ghafoor for defending item song.. hence everyone doubting him
— 〽️ʊhandis (@TheMuhandiss) November 1, 2019
Niseho ny fiporitsahana rehefa avy nitsikera an'i ghafoor i Rabi noho ny fiarovana ny lohahevitry ny hira… izay no mahatonga ny rehetra hisalasala ny amin'ilay rangahy
Ny zava-niseho tamin'i Rabi dia tsy hoe mampiseho fotsiny ny mahazo ireo lasibatry ny fanitsakitsahana ny angondrakitra any Pakistan fa manasongadina ihany koa ny fihatsarambelatsihy sy fenitra roa eo amin'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.