Nosamborina ilay mpikatroka Trinidadiana mitaky ny famelana ny fampiasana rongony ho fitsaboana

Mpikatroka Nazma Muller notarihin'ny mpitandro ny filaminana teo anoloan'ny parlemanta ao Trinite sy Tobago tamin'ny 18 Oktobra 2019. Sary avy amin'i Nazma Muller. 

Tamin'ny 18 Oktobra 2019, nijoro teo amin'ny sisin-dalana ivelan'ny parlemantan'i Trinite sy Tobago ilay mpikatroka Nazma Muller mba hanohy hanery ny governemanta hampihatra ny lalàna misy momba ny rongony marijuana ho fitsaboana.

Tamin'ny lahatsoratra Facebook maraina, nanambara izy fa tokony “ivelan'ny Parlemanta isika manomboka amin'ny mitataovovonana ka hatramin'ny 3 hariva mba hampahatsiahy ny praiminisitra mikasika ny fampanantenany fa tsy hanameloka momba ny cannabis (rongony) ary mamela izany ho an'ny fampiasana manokana sy ara-pitsaboana manomboka amin'ny 30 jona amin'ity taona ity.”

Nampanantena i Muller fa “hijanona eo isaky ny zoma mandra-paha tanteraka ny fampanantenan'ny praiminisitra” — saingy tamin'ity zoma manokana ity, dia nosamborin'ny polisy teo ambanin'ny fizarana faha-49 ao amin'ny lalàn'ny fandikan-dalàna ao amin'ny firenena, izay miresaka momba ny “fiteny mahery setra sy fanitsakitsahana ny fandriampahalemana” izy- lalàna izay heverin'ny sasany ho mifanipaka amin'ny fahalalahana maneho hevitra voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenana.

Mihevitra ilay mpahay lalàna sady mpampianatra Jamille Broome, ohatra fa “tena mampahory” ilay lalàna ary mihevitra fa “ny fetra tokana hilazana fa fiteny ratsy dia rehefa mitarika na ahitana mety ho fitarihana herisetra izany fiteny izany.”

Na iza na iza voasambotra eo ambanin'ity lalàna ity dia miatrika onitra 200 dolara Trinidad sy Tobago (tokotokony ho 30 dolara amerikana) na sazy an-tranomaizina 30 andro.

Sary navoaka tao amin'ny pejy Facebookn'i Muller nampiseho azy nentin'ny polisy, izay nanala ny sora-baventy teny aminy koa, izay mivaky hoe, “Ampanenoy ny anjomaranao ho an'ny bozaka (rongony).”

Tsy ela ireo mpanohana dia nanomboka nizara ireo sary, niaraka tamin'i Christopher H. Samlal, mpaka sary naneho hevitra hoe:

Dr. Nazma Muller has been detained while protesting to “Free de Ganja”. Officers advised she will we taken to CPS to be charged and processed. Please share so people can see the real threats to our democracy.
#FreeTheWeed #LegalizeIt #DemocracyWhere

Nosamborina i Dr Nazma Muller raha nanohitra amin'ny “Halalaho ny Ganja”. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa ho entina any amin'ny CPS izy mba ho ampangaina sy hohadihadiana. Zarao azafady mba hahafahan'ny olona mahita ny tena loza mitatao amin'ny demokrasiantsika.

Tao anatin'ny resaka mitohy, nilaza i Samlal fa rehefa nanatona ireo mpitandro ny filaminana dia nilaza izy ireo fa ‘mitaona ny hafa mba hanakorontana ny parlemanta izahay. ” Raha nihevitra ireo mpaneho hevitra sasany fa nanao ny asany fotsiny ny polisy, Imtiaz Rudy Mohammed kosa nanontany hoe:

I thought parliament was inside of a building, was she trying to breach the building? Was she found with an IED [improvised explosive device] on her person? Was she in any way harming anyone or influencing harming to anyone in parliament? If all these answers are a no then she is being abused by the police. […] Free the lady let her do her civil duty.

Nihevitra aho fa ao anaty trano iray ny parlemanta, niezaka niditra an-keriny tao amin'ilay trano ve izy? Hita niaraka tamin'ny IED (fiaovana mety hipoaka) ve izy? Nanohintohina olona ve izy sa nandratra olona tao amin'ny parlemanta? Raha tsia ny valin'ireo fanontaniana rehetra ireo, dia nanararaotra azy ny polisy. […] Avotsory izy, avelao izy hanao ny adidiny sivily.

Navotsotra i Muller tamin'ny 7:30 hariva teo. Tamin'ny fihainoana azy tamin'ny 21 Oktobra, dia nilaza izy fa “tsy meloka” tamin'ny fiampangana azy ary nahemotra amin'ny 13 Novambra 2019 ny raharaha.

Raha niresaka tamin'ny Global Voices tamin'ny telefonina i Muller dia nilaza fa nitazona ny Dr. Emir Crowne, Matthew Gayle sy Jason Jones avy ao amin'ny Parlemanta New City ho mpisolovavany izy ary tsy navela hiresaka momba ny antsipirihan'ny raharaha. Nohamafisiny kosa, fa ny fiampangana azy dia “ny fampiasana fiteny ratsy hanelingelina ny olona eny an-dalambe”. Na izany aza, tsy nahitana mpandalo ny sary tamin'ilay faritra ivelan'ny parlemanta tamin'ny andro voalaza.

Tao amin'ny WhatsApp, nilaza tamin'ny Global Voices i Dr. Crowne fa “misy idiran'ny lalàmpanorenana lalina ity raharaha ity”:

Here we have someone exercising her constitutional right to expression and her constitutional right to protest and both of those rights have seemingly been infringed by the state and […] it does appear to be a trend of silencing dissent, silencing unpopular speech in Trinidad and Tobago — so we are very concerned about two constitutional grounds that are triggered here — the freedom of thought and expression and the freedom of association and assembly.

Eto isika dia mahita olona mampiasa ny zony haneho hevitra voalazan'ny lalampanorenana sy ny zony hanohitra voalaza amin'ny lalàmpanorenana ary nanitsakitsaka ireo zo roa ireo ny fanjakana […] ary hita fa toa mahazo vahana ny fanampenam-bava ny mpanohitra eto Trinite sy Tobago – ka tena manahy momba ireo zo roa voalazan'ny lalampanorenana izay voalaza eto izahay  – ny fahalalahana hanana hevitra sy haneho hevitra ary ny fahalalahana hanangana sy hiditra fikambanana sy hivory.

Manoritsoritra ny fizotry ny fisamborana sy ny fanagadrana ho “mandratra saina”, nilaza i Muller fa vao maika izy nahazo hery mba hanohy ny tolony ho an'ny rariny. Na dia voalaza fa efa vonona aza ny volavolan-dalàna mifehy ny rongony ary mila hapetraka fotsiny ao amin'ny parlemanta, dia nilaza izy samy tsy misy nasaina hanome ny heviny mba hanampy amin'ny fampandaniana ny volavolan-dalàna milamina na izy na ireo mpandray anjara hafa noresahany.

Nolavin'ny filoham-pirenena ihany koa ny fangatahan'i Muller hiditra an-tsehatra amin'ny resaka rongony ara-pitsaboana.

Iray andro taorian'ny fakana am-bavany azy, nalefa tany am-ponja ao an-drenivohitra Port of Spain i Muller – tsy toy ny voafonja, fa toy ny mpisolo vava. Nizara ny zavatra niainany tany tao amin'ny Facebook izy:

To those who say the war is over, Rowley has promised to decriminalise, tell that to the citizens of this country who are packed 15 man to one stinking cell […]
I had the honour of coaching the debating team, the defending champions, to prepare for the annual prisons debate final in Woodford Square on November 13.
The question is: Should marijuana be decriminalised in Trinidad and Tobago? And Port of Spain will be answering with a very solid yes.
Until Keith Rowley brings the legislation to Parliament, marijuana is still illegal. And the police are still arresting and charging mostly young, working-class men for possession of marijuana, and sending them to the already overcrowded prison if they can't make bail.
How you think those men feel when they come out…?

Ho an'ireo izay milaza fa tapitra ny ady, nampanantena ny hanaisotra ny mahameloka i Rowley, lazao izany amin'ny olom-pirenena ao amin'ity firenena ity izay nametraka lehilahy 15 ao anaty efitra iray masiso ao amin'ny fonja […]
Nanam-bintana aho nampiofana ny ekipan'ny adihevitra, ireo tompon-dakan'ny fiarovana mba hiomanana amin'ny adihevitra fanao isan-taona momba ny fonja ao amin'ny Kianjan'i Woodford amin'ny 13 Novambra.
Ny fanontaniana dia izao: Tokony ho tsy raràn'ny lalàna ve ny marijuana any Trinite sy Tobago? Ary hamaly amin'ny eny lehibe i Port of Spain.
Mandra-pitondran'i Keith Rowley ny lalàna any amin'ny Parlemanta, mbola tsy ara-dalàna ny marijuana. Ary mbola misambotra sy miampanga ny ankamaroan'ny tanora, sarangan'ny mpiasa noho ny fihazonana rongony ny mpitandro ny filaminana, ary mandefa azy ireo any amin'ny fonja efa hipoka raha tsy afaka mandoa onitra izy ireo

Ho an'i Muller, mihoatra lavitra noho ny filàna ara-pitsaboana, ny fahalalahana ara-pivavahana (Rastafariana izy) na koa ny zo hampiasa manokana ny zava-maniry mihitsy aza ny resaka lalàna sy fandraràna ny cannabis – mifamatotra mivantana amin'ireo aretina marobe ara-tsosialy atrehin'ny firenena izany, ary ho azy, “ny famelana izany” no afaka manome fanamaivanana tena ilaina – eo amin'ny sehatra rehetra.

Hanao hetsi-panoherana eo ivelan'ny parlemanta indray i Muller androany Zoma 25 Oktobra, ary manohana azy i Daniel Junior Sawic George — raim-pianakaviana izay nanao hetsi-panoherana mandeha an-tongotra manokana mba hamelàna ny fampiasana ny cannabis satria mihevitra izy fa afaka manampy ireo zanany vavy roa marary ny marijuana fitsaboana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.