Nahoana i Pakistan no miezaka manelanelana amin'ny fifampiresahana fandriampahalemana eo amin'i Iran sy i Arabia Saodita?

Pakistan President Imran Khan and the President of Iran Hassan Rouhani. Collage

Ny filohan'i Pakistan Imran Khan sy ny filohan'i Iran Hassan Rouhani. Sary natambatra tamin'ny alalan'ny Flickr sy Wikipedia. CC: BY-SA. 

Nihaona tamin'ny Mpanjaka Salman sy ny Printsy Mohammad Bin Salman  avy ao Arabia Saodita tamin'ny Oktobra 2019 ny praiminisitra Pakistaney Imran Khan taorian'ny roa andro nandehanana tany Iran mba hiresaka momba ny olana ara-paritra. Na eo aza ireo olana anatiny marobe tsy voavaha, voatsikera mafy ao an-tanindrazana sy ny any ivelany ny andraikitr'i Pakistan amin'ny fifampiraharahana amin'ny resaka fandriampahalemana Iran-Saodita.

Nitombo vao haingana ny fifanolanana teo amin'i Arabia Saodita sy Iran – samy fahavalo henjana ara-paritra – taorian'ny fanafihana ny tobin-tsolika Saodiana tamin'ny volana lasa teo, izay nahitana fiantraikany ratsy tamin'ny famokarana solika ao amin'ny fanjakana ary nahatonga ny fikaran'ny vidin'ny solika manerantany. Nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana ireo mpikomy Houthi ao Yemen, izay miady amin'ny vondrona Yemenita isan-karazany tohanan'ny fiarahana tarihan'i Arabia Saodita nanomboka tamin'ny taona 2015 ary voalaza fa tohanan'i Iran sy i Korea Avaratra kosa.

Nolavin'i Iran ny fandraisany anjara ary nampitandrina ny mety hisian'ny “ady feno” izy raha misy ny fanafihana ny faritaniny. Miezaka mafy mamaha ny fifandonana eo amin'ireo mpifahavalo goavana ankehitriny i  Pakistan, izay nitàna fifamatorana akaiky tamin'i Arabia Saodita (ary efa niala tamin'i Iran nandritra ny taona maro), na dia mijanona amin'ny fomba ofisialy tsy mitanila amin'ity fifandirana ara-paritra ity aza.

“Manome lanja goavana ny fifandraisana amin'i Iran i Pakistan”, hoy i Khan, araka ny fanambarana an-gazety. “Vonona ny handray ny andraikiny amin'ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana ao amin'ny faritra i Pakistan.”

Matetika nilaza i Imran Khan fa tiany i Pakistan mba ho lasa mpiantsehatra lehibe sy tompon'andraikitra eo amin'ny sehatra ara-paritra sy manerantany ary efa nangatahana ihany koa teo aloha mba ho mpanelanelana eo amin'i Etazonia sy Afghanistan ary koa Etazonia sy Iran.

Niresaka tamin'i Robert M. Hathaway, talen'ny Programa Aziatika sady sakaizan'ny Foibe Woodrow Wilson momba ity raharaha ity ny Global Voices. Nilaza i Hathaway hoe:

Facing multiple crises at home, PM Khan – like many previous leaders from all over the world – would love to achieve a triumph on the international scene. Failing that, he would love to be seen as a power broker and a substantial global figure, even if his current mediation efforts fail to bear fruit.

Miatrika krizy marobe ao an-tanindrazany, – sahala amin'ireo mpitondra teo aloha manerana izao tontolo izao – dia te-hahita fandresena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny PM Khan. Raha tsy mahomby  izany, dia tiany ny handraisany azy ho mpanelanelana matanjaka sy malaza manerantany, na dia tsy nitondra vokatra aza ny ezaka fanelanelanana nataony ankehitriny.

Nanampy i Hathaway fa sarotra ny maminavina hoe ahoana no ahafahan'i Khan mifampiraharaha fitsipika izay hanome fahafaham-po ny filàna ara-politika, ara-piarovana sy ny filàna anatiny ao Iran sy ao Arabia Saodita.

Eo ihany: Nanomboka ny fihaonana teo amin'ny praiminisitra Imran Khan sy ny mpiambina ny Moskea Masina roa an'ny Mpanjaka Hajaina Salman bin Abdulaziz Al-Saud – Izany dia ezaka fanelanelanana sy fanamorana ny resaka mivantana eo amin'i Iran sy Saodita nataon'ny praiminisitr'i Pakistan rehefa avy nitsidika an'i Iran – Pak teo anivon'ny dingana!

Hoy koa i Hathaway hoe:

Khan must take care not to alienate the Saudis, given his dependence on Saudi favour. This will limit his ability to act as a genuine ‘honest broker’. Iran will not trust him and Saudi will resent any attempt by Khan to act as a neutral.

Tokony hitandrina i Khan mba tsy hanimba ny Saodiana izy, noho ny fiankinany amin'ny fankasitrahana Saodiana. Hametra ny fahafahany hiantsehatra ho tena ‘mpanelanelana mahatoky’ izany. Tsy hatoky azy i Iran ary hanohitra izay ezaka rehetra ataon'i Khan mba tsy hitanilana i Saodita.

Nifototra tamin'ny tsy fifampitokisana noho ny antony maro ny fifandonana eo amin'i Iran sy Pakistan tao anatin'ny taona vitsy lasa. Nifampiampanga ny firenena roa tonta fa manohana ireo hetsika fisintahana ao amin'ny firenena ao amin'ny faritanin'i Baluchistan, izay manasaraka ny sisintanin'ny roa tonta.

Nahatonga an'i Iran hisalasala an'i Pakistan ihany koa i Raheel Sharif, lehiben'ny tafika teo aloha tao Pakistan mitarika ny firaisan'ny miaramila ankehitriny tarihan'ny Saodiana mba hanohitra ny Shiita Houthis any Yemen, ka nampahasarotra kokoa ny asan'i Khan.

Ary satria tsy afaka manalavitra ny tenany amin'i Arabia Saodita i Pakistan no tsy afaka manafoana ireo fiarahamiasa ara-miaramila am-polo taona teo amin'ireo fanjakana samy maro an'isa Sonita ireo, nilaza koa i Hathaway fa “tsy afaka ny hiankina loatra amin'ny zotra atondron'i Arabia Saodita i Khan” ao anatin'io fifandonana mety hihamafy io. Hoy izy:

Pakistan’s relations with Iran are already troubled. The last thing Khan (or Pakistan) needs is heightened tensions with Tehran.

Efa mikorontana ny fifandraisan'i Pakistan amin'i Iran. Ny zavatra farany ilain'i Khan (na Pakistan) dia ny fanamafisana ny fifandonana amin'i Tehran

Na dia eo aza ny mety ho fiantraikany amin'ny fitomboan'ny fifandirana eo amin'i Iran sy i Arabia Saodita, dia tsy manohana ny fidiran'i Khan amin'ny ady Iran-Saodiana ireo mpandinika Pakistaney maro, sy ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena .

Alonalona tsy mety mitsahatra, manomboka amin'ny ezaka Hetsika Khilafat taona 1926 ka hatramin'ny famahana ny ‘Raharaha Hijaz’ ka hatramin'ny  ‘ezaka fanelanelanana’ nataon'i Imran Khan teo amin'i Arabia Saodita sy Iran. Fa maninona ireo pan-Silamo/Pakistaney manerana ny zana-kaontinanta raha mifantoka amin'ireo olana anatiny alohan'ny hanavotana ny ummah?

Niresaka tamin'i K Akhtar, manam-pahaizana momba ny politika ivelany any Islamabad ihany koa ny Global Voices:

Both Saudi Arabia and Iran will be looking out for the best interests and Pakistan should do the same. And that means not getting actively involved in the conflict and maintaining good relationships with both countries.

Samy hitady izay tena mahasoa i Arabia Saodita sy Iran ary tokony hanao toy izany koa i Pakistan. Ary midika izany fa tsy mandray anjara mavitrika amin'ny fifanolanana ary mihazona fifandraisana tsara amin'ny firenena roa tonta.

Na izany aza, dia nankasitraka ny fihetsik'i Pakistan i Iran, na dia efa mahafantatra ny fiarahamiasan'i Pakistan amin'i Arabia Saodita aza. Nilaza i Akhtar fa te-hitazona ny fifandraisana “ho tsy miandany , na dia ny kely indrindra aza” amin'ireo firenena manodidina azy i Iran, na eo aza ny ahiahiny.

Nitsidika an'i Pakistan tamin'ny volana Martsa ihany koa ny filoha Iraniana Hassan Rouhani mba hiezaka handresy lahatra ny governemantany hijanona tsy hitanila amin'ny ady.

Ny filoha Rouhani nandritra ny fihaonana tamin'ny filohan'i Pakistan, Aref Alavi tamin'ny fihaonambe NAM tany Baku: Manana fahafahana tsara hanitatra ny fiarahamiasa i #Iran & Pakistan. Manitatra ny fiarahamiasa amin'ireo firenena ao amin'ny faritra i Iran ary nametraka an'i #Pakistan ho laharam-pahamehana amin'ny politikany izy.

Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety niarahana taorian'ny fifampiresahana teo amin'ny firenena roa tonta tamin'ny Oktobra 2019, nilaza i Rouhani fa tsara ny fihetsika ho an'ny fandriampahalemana.

Nisioka ny Mpitarika Faratampony Ayatollah Seyed, Ali Khamenei ao Iran hoe:

Mandray an'i #Pakistan ho rahalahy mpifanolo-bodirindrina i Iran. Amin'ity hirika tsy mbola nisy toy izany ity, tokony ho tsara kokoa noho ny ankehitriny ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta. Tokony hamafisina ny fiarovana eny amin'ny sisintany, ary tokony vitaina ireo tetikasa naato toy ny fantsona mitondra etona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.