Tantara tamin'ny 07 Novambra 2019
Mozeantsaina: Nahoana isika no tokony hikajy ireo fiteny tandindonin-doza
Ny fampatezàna fiteny tandindonin-doza dia mampiditra ny fanovana ny fomba ijerena ireo mpiteny ireo fiteny ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy, ny fomba hanomezana endrika ny fiteny ao amin'ny fampitam-baovao ao an-toerana sy mahasahana ny firenena, ary ny fomba hanomezan'ny governemanta lanja azy.
Mandà ny fangatahan'ny antoko avy any amin'ny farany havanana hanidy ONG mpiaro ny zon'olombelona ny mpampanoa lalàna Bolgariana
Tamin'ny 30 Septambra, nangataka tamin'ny fomba ofisialy ny hanafoanan'ny mpampanoa lalàna ny BHC ny mpikambana roa avy ao amin'ny VMRO-BND noho ny "fitsabatsabahany ny asan'ny fitsaràna" sy ny fanaovany "hetsika manohitra an-karihary an'i Bolgaria."
Nahoana i Pakistan no miezaka manelanelana amin'ny fifampiresahana fandriampahalemana eo amin'i Iran sy i Arabia Saodita?
Na eo aza ireo olana anatiny marobe tsy voavaha, voatsikera mafy ao an-tanindrazana sy ny any ivelany ny andraikitr'i Pakistan amin'ny fifampiraharahana amin'ny resaka fandriampahalemana Iran-Saodita.
Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana
Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.
Fantaro i Tuhi Martukaw (Jocelyn Ting-Hui Hung Chien), hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 5 ka hatramin'ny 11 Novambra 2019
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Tuhi Martukaw (Jocelyn Ting-Hui Hung Chien), ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 5 ka hatramin'ny 11 Novambra 2019. Hiresaka momba ny fiteny Pinuyumayan izy.