Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

“Samy manana fandondònana isa-trano”. Izay tantarain'ny vavahadin'ny Carthagène des Indes ao Kolombia

Fort de San Felipe de Barajas [fr], Carthagène des Indes, Kolombia. Saripikan'ny mpanoratra.

Malaza amin'ireo fitazanana mahasondriana indrindra fa amin'ireo màndany manantantara, naorina nandritra ny vanim-potoam-panjanahantany espaniola mba hiarovana amin'ny piraty sy  ireo jiolahintsambo isan-karazany avy any Eoropa i Carthagène des Indes [fr],. Ity no manda tsy voadingana nidrindra ao Amerika Atsimo sy Karaiba.

Vavahadin'ny fokontany manantantara ao Carthagène des Indes.  Saripikan'ny mpanoratra.

Efa saika azo atao mihitsy ny miteny hoe i Carthagène des Indes dia “mozea ankalamanjàna feno tsiambaratelo”, tahaka ireo manafina antsipirihan-javatra iray mampiavaka ny tanàna : ny fandondònana ao aminy, “ireo kanonta tranainy vita metaly mandravaka varavarambe maro […] raha mbola tsy nisy ny lakolosy fanairana”, araka ny bilaogy fanaovan-dia El rincón de Sele (ny zoron'i Sele). Izay nanovona toy izao tao amin'izany lahatsoratra izany :

Durante siglos fue, sin duda, un símbolo de distinción de tal forma que existía un refrán en español que decía «A tal casa tal aldaba» refiriéndose por completo a términos de clase social y poder. […] Durante la época colonial en América hubo ciudades ricas en la diversidad y laboriosidad de dichas aldabas, siendo una de las más destacadas Cartagena de Indias, en la actual Colombia, la cual formó parte en principio del Virreynato de Perú y a partir del Siglo XVIII del Virreynato de Nueva Granada.

Tsy isalasalàna fa mari-piavahana nandritra ny taonjato maro io ka nahatonga ny fisian'ny ohabolana manao hoe “A tal casa, tal aldaba” (Trano iray, fandondònana iray) hanondroana ny saranga sy ny fahefana ampelatanany. […] Nandritra ny vanim-potoana fanjanahantany tao Amerika maro ireo tanandehibe manankarena fahamaroana sy sokitra amin'ireny fandondònana ireny, iray amin'izay miavaka indrindra i Carthagène des Indes, ao Kolombia amin'izao fotoana izao, kanefa tao anatin'ny fitondram-panjaka lefitra ao Però tany amboalohany fa tao anatin'ny fitondram-panjaka lefitra tao Grenady Vaovao nanomboka tamin'ny taonjato faha-18.

Samy manana ny dikany manokana ny karazany tsirairay avy, izay azavaina ato amin'ny habaka an-tranonkala Fuscia :

La lagartija significaba que era parte o descendiente de la familia real. El león significaba que era parte del mando militar o de la iglesia, casi siempre fueron destinadas para las puertas de las iglesias.

El pescado o figura marina significaba que era un comerciante, la mano se decía que era la mano de la Virgen de Fátima, por ende, era una familia religiosa.

ny katsatsaka dia nidika hoe anisan'ny taranaka fianakaviam-panjaka. Ny liona midika hoe ao anatin'ny tafika na fiangonana, sy saika natao ho an'ny varavaran'ny fiangonana. Ny trondro na endrika an-dranomasina dia nidika hoe mpivarotra. Ny tanana, nolazaina fa tanan'ny Virijiny tao Fátima, ka amin'izay fotoana izay dia hoe fianakaviana mpivavaka.

Porte du quartier historique de Carthagène des Indes. Photo de l'auteure.Les clous d'ornement métalliques témoignent de la position sociale élevée des propriétaires.

Ireny fanehoana rehetra ireny dia asan'ny mpanefy nanome ny endrika araka ny komandin'ny tompontrano. Amin'izao fotoana izao, mbola manao ny asa hatrany ny taranak'ireo mpanefy, tahaka izany ohatra i Jesús Acevedo Pombo, avy ao amin'ny fokontanin'i Getsemaní ao Carthagène, izay mitantara :

[…] al principio sólo le mandaban a hacer leones, anillos y manos, que eran las figuras clásicas que había en la época de la Colonia.

Ahora, las personas están menos interesadas en seguir con la tradición y se les ha dado por innovar mandando a hacer sirenas, caballitos de mar y hasta cabezas de diablos.

[…] Tamin'ny voalohany ny olona nangataka tamiko fotsiny ny hanaovana liona, peratra sy tanana, izay endrika mahazatra tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany. Amin'izao fotoana izao, tsy dia mahaliana an-dry zareo loatra ny tarazo ka nanapa-kevitra ry zareo ny hanavao amin'ny fikomandiana zazavavindrano, soavalin-dranomasina ary eny fa na hatramin'ny lohan-devoly aza.

Noho ireo mpisera Twitter, maro ny sary hita mampiavaka an'i Carthagène des Indes :

Fandondònan'i Carthagène. Ny hakanton'ny zavatra bitika maro.

Ny tanàndehibe ahitana ny fandondònan'i Amerika atsimo tsara indrindra : Carthagène des Indes (Saripika Instagram)

Ireo fandondònan'i Carthagène.
Hita taratra amin'ireo fandondònana tsara bika ireo ny tantaram-piarahamonin'ilay tanandehiben'ny fanjanahantany. 

———-
Misy ohabolana iray malaza izay any Espaina manao hoe “Samy manana ny fandondònany isa-trano”. Fomba nanehoana ny satam-piarahamonina na ny asan'ny tompon-trano eo amin'ny varavarana fidirana araka ny endriky ny fandondònana eo aminy izany.

Indro ny antony iray tsara hitsidihana an'i Carthagène des Indes.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.