Tantara tamin'ny Oktobra, 2019
Mozambikana mpanora-gazety sy mpikatroka lasibatry ny fandrahonana amin'ny taom-pifidianana
Nandrakitra tranga maro izay ahazoan'ny mpanora-gazety sy mpikatroka fandrahonana sy fitsabahana amin'ny asany mifandraika amin'ny fifidianana ireo fikambanana mpandala ny zon'olombelona.
Nanala ny ampahany tamin'ny fanapahana ny fifandraisana ao Kashmir i India, mbola tapaka kosa ny aterineto
Araka ny tatitra vao haingana, manohitra ny famoretana sy ny fanakatonana ny fifandraisana napetraky ny governemanta Foibe Indiana ny Kashmirita "amin'ny alalan'ny satyagraha na tsy fankatoavana sivily tsy misy herisetra".
Tezitra amin'ny tsy nahatafidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny Albaney; ‘mbola mamiratra’ ny masoandro, hoy kosa ny PM
"Ity no fahadisoana goavana indrindra nataon'ny EU tamin'ity taona ity, firenena eo ampanavaozana izay tena nila ity fanapahan-kevitra ity i Albania"
Nosafidian'ny BBC ho iray amin'ireo vehivavy 100 nanana herim-panintonana indrindra ilay vehivavy Thailandey moanina Theravada
Nifanehitra tamin'ny fanoherana avy amin'ny laika sy ny moanina izay manohitra ny fanokanana ny vehivavy ny ezaka nataon'i Dhammananda hanangana indray ny fitohizan-taranaka Theravada bhikkhuni (monasiteran'ny vehivavy) any Thailandy.
Barbadiana sa Jamaikana i Rihanna? Milaza ireo mpisera Twitter Jamaikana fa Jamaikana izy
Eny, avy ao amin'ny nosy Karaiba, Barbados ilay mpihira superstar, Rihanna, saingy nisy fotoana nanontany tena ireo mpisera media sosialy raha tena avy ao Jamaika tokoa izy.
Efa misy izao ny Lingua Okrainiana vaovao!
Misokatra ny Lingua Okrainiana ato amin'ny Global Voices.
Taratasim-pifandraisana RV: Fetibe maharitra herinandro ao Goatemalà ho fankalazana ny fahasamihafan'ny tenin-janatany ao anaty aterineto
Ny gazetin'ny Rising Voices dia manome rohy mankany amin'ireo hetsika momba ny fampidirana nomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno anaty aterineto.
Navotsotr'ireo manampahefana Tajika i Alex Sodiqov, mpanoratra ato amin'ny GV
Tafaray tamin'ny vady aman-janany ihany i Alexander Sodiqov, mpikaroka sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices, ny 22 Jolay 2014, rehefa notanan'ireo manampahefana Tajika nandritra ny dimy herinandro.
Mikasa ny hanakatona ny ONG mpiaro ny zon'olombelona ela niainana indrindra ao amin'ny firenena ny farany havanana ao Bolgaria
Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana nanomboka tamin'ny taona 2007, nivadika ho farany havanana i Bolgaria tamin'ny taona 2017 raha niara-dia niaraka tamin'ny fiaraha-mitantan'ny antoko nasionalista madinika ny antoko afovoany-havanana GERB an'ny Praiminisitra Borisov.
Namoaka rakibolana antserasera amin'ny fiteny indizeny 21 ny fanjakana indiana ao Odisha
Ahitana fiteny mihoatra ny 780 eto India ary manakaiky ny 220-250 eo ny fiteny maty tao anatin'ny 50 taona farany.