- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda: Nandrava ny tsenan'i Owino ny afo

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina

(Marihana fa efa tamin'ny taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Afo goavana no nandevona ny tsenan'i Owino tao Kampala tamin'ny alarobia maraina, ka olona dimy no naratra mafy ary trano an'arivony no simba. Tombanana ho niharan'ny fatiantoka ireo mpivarotra miisa 25 000, izay vehivavy no ankamaroany.

Owino, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Tsena Nakivubo Park Yard sy St. Balikuddembe no tsenabe lehibe indrindra ao Kampala ary ao anatin'ny adihevitra maro momba ny zo fampanofana. Nisy ny drafitra vao haingana hanamboatra toby fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka vaovao ao amin'ny kianjan'i Nakivubo eo akaiky, izay niteraka hatezerana teo amin'ireo mpivarotra, izay ho very toerana raha mivoatra ny fanatanterahana izany.

Mitatitra [1] ny Daily Monitor any Oganda fa nanomboka tao amin'ny lavaka amin'ny rindrina iray manasaraka ny tsena amin'ny kianja ny afo, ary maro ireo niharam-boina miampanga ny orinasan'ny fitateram-bahoaka fa te-hanangana ny gara amin'ny afo. Miombon-kevitra ireo bilaogera sasany.

Phantom ao amin'ny Even Steven [2] manoratra hoe:

The Market got burnt. I am staying with arson because those who should know, albeit having said it in the throes of grief, maintain that someone burnt down their lives. Listening to P. K. Bbosa in the evening while he hosted some traders, it came out that the Minister Matiya Kasaija and his counterpart Disaster Preparedness State Minister Musa Echeru had happened upon what should have been immediately bagged as critical evidence: a kavera [3] (Ed.: plastic bag) and a little can that had previously obviously held petrol. That the Police did not take these items is really worrying.

Nirehitra ny tsena. Mijanona amin'ny afo aho satria ireo izay tokony hahalala, na dia nilaza izany aza tao anaty alahelo aza, dia mitazona ny heviny fa misy olona mandoro ny fiainan'izy ireo. Raha nihaino an'i PK Bbosa ny hariva rehefa nampivahiny mpivarotra sasany izy, dia hita fa ny minisitra Matiya Kasaija sy ny namany, minisi-panjakana misahana ny fisorohana ny loza voajanahary, Musa Echeru no niseho tamin'ny zavatra tokony ho heverina avy hatrany fa porofo lehibe: kavera [3] (Ed.: harona plastika) sy tavoahangy kely izay mazava ho azy fa efa nahitana solika. Mampiahiahy fa tsy nojeren'ny polisy ireo entana ireo.

Geria ao amin'ny Ariaka [4] manontany tena raha manana anjara toerana ny departemantan'ny afo:.

The head quarters of the fire fighting institution, the police fire brigade happens to be a stone’s throw away from the Nakivubo scene. They arrived at the scene 90 minutes late according to press reports.

Ny mpitarika ao amin'ny foiben'ny  ady amin'ny afo, toa vato nariana avy amin'ny sehatra Nakivubo ny borigadin'ny polisy mpamonjy trano may. Tonga tany amin'ilay toerana ry zareo 90 minitra taoriana araka ny tatitra an-gazety.

Tumwijuke ao amin'ny Ugandan Insomniac  [5]mitaraina noho ny fahaverezan'ireo fivelomana maro be, hoy izy: “Hirika ho amin'ny fanovana ny loza rehetra, saingy Oganda ity. Amin'ny endrika-L ny fianaranay. Miampanga ireo mpanao politika maro izay nandany ny Alarobia tamin'ny kajikajy ara-politika teny an-tsena izy:

That there should be a National Day for the Caning of All Politicians. I spent much of yesterday afternoon at Owino Market. Within the space of about three hours, I counted 17 local and national politicians who visited the market to ‘show their sympathy’ to the vendors. Opposition leaders blamed the government for not investing in the safety of the people. Cabinet ministers made unrealistic promises of compensation. Members of Parliament said enough was enough and it was time for the people to demand more for their taxes. None of them mentioned he obvious: that the vendors were sitting on a time bomb, that the politicians all knew it and that they chose to do absolutely nothing.

Tokony hisy Androm-pirenena iray ho an'ny fihomehezana ireo mpanao politika rehetra. Nandany ny omaly hariva teo amin'ny tsenan'i Owino aho. Tao anatin'ny telo ora teo ho eo, dia mpanao politika 17 teo an-toerana sy nasionaly no voaisako tonga nitsidika ny tsena mba hampiseho ny fiaraha-miorin'izy ireo amin'ireo mpivarotra. Nanome tsiny ny governemanta ho tsy mampiasa vola amin'ny fiarovana ny vahoaka ny mpitarika ny mpanohitra. Nanao fampanantenana fanonerana tsy mety tanteraka ny filankevitry ny minisitra. Nilaza ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta fa ampy izay ary fotoana izao ho an'ny vahoaka hitakiana bebe kokoa ny hetran'izy ireo. Tsy nisy na iray tamin'izy ireo aza nilaza fa mazava ho azy fa: nipetraka tamin'ny baomba ireo mpivarotra ireo, ary fantatry ny mpanao politika rehetra izany ary nisafidy ny tsy hanao na inona na inona izy ireo.

Nitsikera ireo mpanao politika Ogandey izay “manana fahasahiana hilaza fampanantenana poakaty no sady manaratsy ny governemanta” i Spartakuss [6] Hoy izy nanoratra:

I shopped there growing up [no i didn't stop, i just haven't bought clothes in a long time] and i was told by the guy who sold me shirts that the suits they unwrapped which were good were actually sold to the upmarket stores to go for upwards of UGX 1 million (Ed.: approximately $500)! Now this population is caught without an out. they have taken loans, borrowed, buried their life savings into this. 25,000 lives changed by one action. What of all their dependents, families, their children at campus? This is tantamount to terrorism!

In the end, these are the people who work and toil and sweat and eat the sewerage that runs through their workplace are the ones who pay for everything that the politicians enjoy and covet. They are the ones who vote, the ones who take loans, who send their kids to school, who buy all that investor -produced sugar and tea! who bloody buy airtime! They are the reason that most of these banks exist! These are the reason there is a tax base in Kampala! They support this city and almost this country on their shoulders! on nothing but those lean shoulders.

Niantsena tany aho, tany aho no lehibe [tsia, tsy nijanona aho, efa ela fotsiny aho no tsy nividy fitafiana] ary nolazain'ny namana iray tamiko izay nivarotra akanjo tamiko fa ny akanjo nofonosony izay tena tsara dia amidy eny amin'ny tsena avo lenta ka tafakatra amin'ny vidiny UGX 1 tapitrisa (Ed .: manodidina ny 500 dolara)! Ankehitriny, dia tratra tsy misy fivoahana ity vahoaka ity, nitrosa izy ireo, nindram-bola, nandevina ny tahiriny nandritra ny fiainany. Niova noho ny tranga iray ny fiainan'olona 25000. Ahoana ny amin'ny olona velomin'izy ireo, ny fianakavian'izy ireo, ny zanak'izy ireo any amin'ny tobim-pianarana? Mitovy amin'ny fampihorohoroana izany!

Farany,  ireo olona miasa sy misasatra mafy ary mitsemboka sy mihinana ny fako mandalo ao amin'ny toeram-piasan'izy ireo no mizaka ny zava-drehetra izay ankafizina sy irian'ireo mpanao politika. Izy ireo no mifidy, maka trosa, mandefa ny zanany any an-tsekoly, izay mividy ireny siramamy sy dite vokarin'ny mpampiasa vola ireny! Izy ireo no antony mahatonga ny fisian'ny ankamaroan'ireo banky ireo! Izy ireo no antom-pisian'ny haba hetra ao Kampala! Manohana ity tanàna ity izy ireo ary saika ity firenena ity no eo an-tsorok'izy ireo! tsy amin'ny na inona na inona fa amin'ny soroka malefaka.