Torohevitra fanoratana isankerinandro: Ny fitsipika amin'ny fitanisàna avy ao amin'ny tambajotra sosialy
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2015)
Angon'ireo fampiharana tsara indrindra amin'ny fanoratàna sy famoronana tatitra ato amin'ny Global Voices ireo Torohevitra Fanoratàna Isankerinandro. Atolotr'i Oiwan anao ireo torohevitra ho an'ny volana Oktobra, toniandahatsoratry ny faritra Azia Avaratra-Atsinanana.
Nanova tanteraka ny tontolon'ny fanaovan-gazety ireo tambajotra sosialy tamin'ny fanomezana ny olona ny fomba fanaparitahana haingana ireo loharanom-baovao maro eny an-toerana sy ny fanaparitahana vaovao ho aminà mpijery bebe kokoa. Amin'izany ihany, ho an'ny tatitra ataony dia afaka mampiasa ireo loharano eny an-toerana ihany koa ireo mpanao gazety matihanina .
Hita indrindra izany mandritra ireo loza voajanahary na loza mahafaty. Mipoitra haingana kokoa ao amin'ny tambajotra sosialy ireo sary sy lahatsary avoakan'ny olontsotra, fa tsy toy ny an'ireo haino aman-jery mahazatra .
Ho an'ireo mpanao gazety matihanina, fanamby iray ny famantarana raha toa ka mendri-pitokisana ny loharanom-baovao iray ao amin'ny tambajotra sosialy (manana fehezana taridàlana natokana ho an'ny fanamarinana ny votoatin'ny tambajotra sosialy ny Global Voices). Fa rehefa mitanisa avy ao amin'ny tambajotra sosialy ianao, misy zavatra hafa mila jerena fanampin'ilay olana amin'ny fahamarinana, toy ny endrika maha an'ny daholobe/manokana an'ireo tambajotra sosialy.
Tsy voatery midika hoe manaraka fitsipika ny ara-dalàna
Mazava ho azy, misokatra ho an'ny daholobe ny Twitter ary manana ny safidy ny hanova ny momban'ny hafany ho lasa ho azy manokana ireo mpampiasa azy. Fa ny maha ho an'ny daholobe ny zavatra iray dia tsy voatery midika hoe manaraka fitsipika ny fampiasàna izany. Marina fa ho an'ny olana saropady toy ny fanafihana ara-pananahana na ny famonoantena, tokony hitandrina ny olona rehetra (fa tsy ireo mpanao gazety ihany) amin'ny fizaràna ilay hafatra amin'ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa. Tsy voatery hidika foana hoe manaraka fitsipika ny ara-dalàna, hoy ny blaogera Tauriq Moosa. (Pao-tsatroka ho an'i Sahar sy Lauren tamin'ny fanasongadinana ity adihevitra ity.)
Ahatsiarovako ilay vehivavy pelaka iray namako izay ary vao niseho tamin'ny Facebook vao herinandro vitsivitsy izay ity resaka ity. Nitandrina be izy tamin'ny fiazaràna fanambarana iray tao anatin'ny hafatra izay nilaza fa nanafina izany hafatra izany tamin'ny reniny izy ary nangataka ireo nahita ilay hafatra mba tsy hizara izany na hamerina hamoaka izany. Avy amin'ny fiofanany matihanina amin'ny fanaovan-gazety izany fitandremana izany. Nanazava izy taty aoriana fa na dia efa ahiany ho mahafantatra ny fironany ara-pananahana aza ny reniny, tsy tiany ny hiaina tsindry izay mety hisy raha toa ka zaraina amin'ny mpijery bebe kokoa ilay hafany. Kanefa kosa, fanambarana ara-politika tsy maintsy ataony ny “fisehoana’ imasombahoaka tao amin'ny Aterineto.
Milaza amintsika indray ilay fisehoan'ny namako tamin'ny daholobe ankoatra ny reniny fa tsy vitan'ny hoe ho an'ny rehetra ny tambajotra sosialy; fifangaroana mibaribarin'ny an'ny daholobe sy ny manokana, ny an'ny tena manokana sy ny sosialy izany. Mamaky ireo hafatry ny namako eny amin'ny tambajotra sosialy ihany koa aho izay iresahan'izy ireo mikasika ireo aretiny. Maro ireo mangataka fanohanana amin'ny ady manokana ary tsy maniry ny halaza noho ny aretiny. Mila mitandrina amin'ny fahazoana ny alalana avy amin'ireo mpanoratra isika vao mampiasa ireny fitanisàna ireny ao anatin'ny fitantarana mivoaka lavitra amin'ny fikasàn-dry zareo tany am-piandohana.
Olana ara-piarovana
Ankoatra ilay endrika maha an'ny daholobe/manokana ananan'ny tambajotra sosialy, olana ara-pitsipika iray hafa tokony horesahantsika ny resaka ara-politika eny amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana rehef mitanisa zavatra avy any anaty tambajotra sosialy.
Raha ny mikasika an'i Shina manokana, ampiharin'ireo tambajotra sosialy ny rafitra fandraketana ny tena anarana. Noteran'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta ireo mpampiasa Aterineto ho tomponandraikitra manoloana ny lalàna amin'ny zavatra lazainy an-tambajotra. Na dia manampy amin'ny fanamarinana aza izany, satria tonga dia afaka amarinina sy hitan'ny rehetra ny mombamomba ireo mpandahateny, indrindra ireo olomalaza fanta-bahoaka, ankavitsiana aho no mba miresaka amin'ireo mpanoratra mba hangataka aminy ny hitanisàna azy ireo na hangataka fanehoankevitra fanampiny aminy, indrindra satria mety hiteraka olana ho azy ireo ny fiseraserana amin'ny mpilaza vaovao any ampitan-dranomasina.
Fanampin'izany, rehefa mitanisa mpampiasa aterineto tsotra izay tsy mamoaka ny maha-izy azy marina ao amin'ny mombamomba azy aho, tsy dia apetako ao loatra ny anaran'izy ireo rehefa mitsikera ny manampahefana ireo fitanisàna. Na dia afaka hahafantatra ny fiavian'ilay hafatra amin'ny alalan'ny fanadihadiana aza ireo manampahefana, afaka miaro tena ireo mpanoratra amin'ny fanamarinana fa mety avy amin'ireo namerina nibitsika ilay hafatra ireo fitanisàna ireo, fa tsy nikàsa ny hanaparitaka izany izy ireo.
Raha ny marina, nahatsikaritra aho fa maro ireo blaogy mpanelanelana/mpampita, izay taloha zatra nitanisa nivantana avy tamin'ireo fanehoankevitra an-tambajotra, no nanajanona izany fomba izany mba tsy hiteraka olana ho an'ireo mpampiasa aterineto. Manahirana ahy foana ny fanontaniana hoe mety hiteraka olana na tsia ho an'ireo mpampiasa aterineto ve ireo fitanisàko rehefa manoratra lahatsoratra mikasika an'i Shina ato amin'ny GV aho. Matetika ny valinteniko dia miankina amin'ny zava-misy, ilay olana (hatraiza no maha-saropady azy), ny tontolo politika, ny mpanoratra (raha toa ka tonga saina amin'ireo mety ho vokatr'izany ilay olona) ary ny hoe hatraiza no mety ho tratran'ilay hafatra.
Asa marobe tsy hita pesimpesenina no miatrika olana sahala amin'izany, toy ny free Veibo, izay manohana ireo lahatsoratra voasivana ao amin'ny Weibo ary mamadika azy ireny ho hitan'ny daholobe, ary koa hetsika fanentanana maro mifandraika amin'ny zon'olombelona. Samy manana ny laharam-pahamehany avokoa ireo tetikasa tsirairay avy ireo ary manao safidy sarotra amin'ireo soatoavina mifanohitra. Heveriko fa izany no fototry ny fitsipika — tsy fandraisana fanapahankevitra maivamaivana.
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...