Mety hipoaka ao Trinite ny volokanom-potaka: efa niomana ve ny mponina?

Ranom-potaka nivoaka tamin'ny volkano tao afovoan'i Trinite tamin'ny volana Novambra 2006. Sarin'i Jennie Mallela, CC BY-NC 2.0. 

Miorina ivelan'ny faritry ny rivo-doza ny firenena nosy kambana Trinite sy Tobago, saingy miatrika loza voajanahary ateraky ny orambe mivatravatra, tondra-drano goavana, horohorontany ary koa indraindray volkano mihitsy aza izy.

Ao Trinite afovoany, vao haingana ny fotaka volkano Piparo no nampiseho famantarana tranga mihamafana, ampy hampisy fivakisana eny amin'ny arabe akaiky. Nisy trano iray manokana niharan'ny fahasimbana ara-drafitra ary nitatitra ireo mponina ao Piparo fa nandre feo mafy sy setroka maimbo solifara tamin'ny rivotra.

Raha mikasika ny fahavononan'ny drafitra momba ny loza voajanahary, dia matetika ny Biraon'ny Fiomanana sy ny Fitantana ny Loza (ODBM amin'ny teny Anglisy) no ianjeran'ny rihitra. Saingy mahatsapa ny mponina sasany ao Piparo fa tsy ampy ny zavatra natao mba hiomanana amin'ny ratsy indrindra.

Araka ny tatitra avy any an-toerana, dia mbola tsy maintsy mamaritra ny fotoana mety hipoahan'ny fotaka volokano ireo manam-pahaizana momba ny volokano – saingy raha tonga izany, dia tsy vao voalohany akory.

Tamin'ny 22 febroary 1997, nipoaka ny volokano feno fotaka Piparo, ka fianakaviana 31 no nafindra toerana:

Tsy mitovy amin'ny volokano indizeny mahazatra mandritra ny fipoahana ny fotaka volkano, tsy mamokatra afotroa sy lavenona ny volokano fotaka fa  mamoaka etona, methana sy introgene ary dioksyda karbonina kely kokoa:

Fipoahana fotaka volokano tao Piparo, nisy fivakisana teny amin'ny arabe, Trinite sy Tobago

Faritra atahorana

Mampiseho ny tsy nampoizina tamin'ny fipoahana taona 1997 fa tena ilaina ny fiomanana amin'ny loza ao anatin'ny tranga fipoahana hafa

Nanao antso ho an'ny ekipan'ny vonjy taitra eny anivon'ny vondrom-piaharamonina ny filohan'ny Filankevitry ny tanànan'i Piparo, Ryan Ghanny raha sanatria ka mbola mipoaka indray ny volokano fotaka. Nanamafy ny vaovao farany tamin'ny Facebook tamin'ny 6 Oktobra 2019 fa tsy maintsy mandalo fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo eny amin'ny faritra mba “hanatsarana ny fepetra eny an-tanàna, mampahafantatra antsika ny fahalalana ilaina ary manome antsika ny fitaovana ilaina rehefa mitranga eo amin'ny vondrom-piarahamonintsika ny loza voajanahary.

Nandanjalanja momba ny volokanom-potaka Piparo tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety ihany koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nilaza izy fa nifandray tamin'ny mpahay toe-tany za-draharaha izay nanatontosa fitiliana tao amin'ny toerana nipoahan'ny volokano, ary koa nanao fanadihadiana amin'ny drôna (tantelimby) mba hamokatra sarintany 3D ao amin'ny faritra ny ODPM, miaraka amin'ireo sampam-panjakana mitantana ny loza voajanahary eo an-toerana

Ankoatra izany, manao fanairana ireo mpamono afo sy ny polisy manodidina ary nampitomboina ny mpanao fisafoana. Voaràra ho an'ny fiara sy mpandeha an-tongotra ankehitriny ny toerana.

Ampy ve izay?

Na dia eo aza ireo fepetra ireo, na izany aza, dia tsy afa-po tamin'ny ezaka fiomanana i Ghanny.

Tamin'ny faramparan'ny volana septambra dia nisy ekipa tompon'andraikitra momba ny loza voajanahary nihaona tamin'ireo mponina mba hampahafantatra azy ireo ny drafitra famindrana toerana amin'ny tranga fipoahan'ny volkano, ary nanatontosa fiofanana miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina ny vondrona fitantanana ny loza ao amin'ny ODPM, ​​saingy nanizingizina i Ghanny fa tsy misy ny vola, ny fitaovana, ny famatsiana na fotodrafitrasa eo an-toerana mba hiantohana ny fepetra famindrana ara-dalàna sy azo antoka ataon'ireo sampan-draharaha. Toy ny tamin'ny 30 septambra, tsy mbola voamarina ireo làlana mankany amin'ny famindran-toerana.

Satria mbola mitohy mihitatra ny vava afotroa, na izany aza, dia nihaona tamin'ny Filankevitry ny Tanàna tamin'ny 17 Oktobra tao amin'ny Foiben'ny Fiarahamonina ao Piparo ny sampan-draharaham-panjakana. Nanasongadina ireo fitaovana omen'izy ireo amin'ny tranga fipoahana ireo sampan-draharaha tahaka ny biraom-paritra momba ny fahasalamana, ireo tolotra fiarovana, ny Housing Development Corporation, ny tompon'andraikitra momba ny fitantanana ny tontolo iainana ary ny vokovoko mena.

Na dia mbola eo am-pamolavolana ny «drafitra famindrana tanteraka mandritra ny fotoana maharitra» izay mifototra amin’ny fikarohana nataon’ny Oniversiten'i Antilles aza, dia misy ireo drafitra hanao fampiharana fampitahana. Nilaza ny Tale Jeneralin'ny ODPM, ny jeneraly (Retëd) Rodney Smart fa natoky ny fepetra nomanina izy.

Raha mitana andraikitra lehibe amin'ny fitantanana ny vonjy taitra ny sampan-draharaham-panjakana, dia tompon'andraikitra ihany koa ny fiarahamonina.

Mikasa ny hampaneno lakolosy ao amin'ny moskea ny tanànan'i Piparo ary hampaneno ny anjomaran'ny fiara mba hanairana ireo mponina fa hipoaka ny volokano. Tompon'andraikitra amin'ny fanairana ny mponina ihany koa ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, izay nangatahana mba hamolavola famindrana fianakaviana izay manohana ny drafi-panavotana vondrom-piarahamonina ary mamorona ekipan'ny Vonjy Taitra amin'ny Fiarahamonina.

Ny faritra midadasika ao an-tanànan'ny Princes Town dia fonenan'ny olona eo amin'ny 10.000 eo, saingy vitsy kokoa ny isan'ireo mponina manodidina ny volokano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.