- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Nisondrotra ny saran'ny fiarakaretsaka ary miseho ny mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra taorian'ny daroka baomba Moskoa

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet

(Marihana fa efa tamin'ny taona 2010 ny lahatsoratra adika eto)

Mielipatrana ny fiantraikan'ny daroka baomba tanaty metro vao haingana. Misaona ireo niharam-boina ny vahoaka, mitady valiny amin'ireo fanontaniana maro, mandinika ny hoavin'i Rosia ary maneho fahatezerana amin'ireo … mpamily fiarakaretsaka sy mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra izay toa manararaotra ny voina.

Bilaogy marobe izay niseho avy hatrany taorian'ny daroka baomba no niresaka momba ireo mpamily fiarakaretsaka izay nampitombo ny saran-dàlana ho an'ny olona miezaka handeha hody sy handeha hiasa tao anatin'ny adiny iray taorian'ny loza. Araka ny filazan'ireo bilaogera, eo amin'ny 3,000 rubles (101 dolara) ny saran-dalan'ny fiarakaretsaka mankany afovoan-tanàna ao Moskoa raha miala ao amin'ireo toerana nisian'ny baomba (10 minitra mandeha fiara), izany hoe nitombo avo valo heny noho ny tena sarany talohan'ny loza .

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy [1] [RUS] momba ity olana ity ilay ilay mpanentana malaza (taloha) tamin'ny fahitalavitra ary mpanentana amin'ny radio ankehitriny, Vladimir Solovyev:

Отдельно хочу сказать о мерзавцах, которые пытаются собрать деньги якобы на помощь пострадавшим. Их надо судить как пособников террористов. Таксисты в Америке после трагедии работали бесплатно, а наши взвинтили цены. В налоговую и штрафовать. Редкие подонки. Их бы номера и фамилии вывесить в сети и объявлять по радио и ТВ – устроить доску позора.

Te hilaza aminao aho, indrindra ny momba ireo mpisoloky izay miezaka manangona vola lazaina ho fanampiana ireo traboina. Tokony hiatrika fitsarana ho toy ny mpiray tsikombakomba amin'ny mpampihorohoro izy ireo. Niasa maimaimpoana ireo mpamily fiarakaretsaka tao Amerika taorian'ny voina [fanafihana fampihorohoroana 9/11 tany New York City – V.I.], ny antsika kosa nampitombo ny saran-dalana. Tokony hojeren'ny sampan'ny hetra izy ireo ary saziana handoa onitra. Mahasosotra, tokony alefa ao amin'ny aterineto sy lazaina amin'ny radio sy fahitalavitra ny laharan'ny takelaky ny fiaran'i'zy ireo sy ny anaran'izy ireo. Tokony apetraka amin'ny rindrin'ny henatra izy ireo.

Bilaogera hafa (ato [2], ato [3] ary ato, [4] ohatra) naneho ny hatezerany momba ireo mpamily fiarakaretsaka ary nitanisa ohatra tahaka izany momba ireo mpamily fiarakaretsaka tao New York City nandritra ny loza 11 septambra.

Maika ny olana ka nandrisika ireo mpamily fiarakaretsaka  [5]ny praiminisitra Rosiana Vladimir Putin mba tsy hanararaotra ny toe-javatra ho amin'ny tombontsoany fa “hampiseho firaisankina amin'ireo olona izay niharan-doza.” Mba hamahana ny olana momba ny fitaterana, dia nandefa fiara fitateram-bahoaka 131 maimaim-poana  tany amin'ny faritra nisian'ny loza ny biraon'ny ben'ny tanànan'i Moskoa.

Tranga iray hafa, mpisoloky antserasera koa nivoaka tamin'ny finday.

Nampitandrina [6] [RUS] ireo Moskovita ilay mpisera LJ molnija manoloana ireo hafatra an-tsoratra mangataka fanomezana hanampiana ireo niharam-boina tamin'ny daroka baomba tamin'ny metro:

Пожалуйста, не доверяйте паническим смскам с незнакомых номеров!
мне в обед пришла смс
“Уважаемы Россияне, убедительно просим Вас оказать посильную помощь пострадавшим от терактов в Московском метро. Все средства будут перечислены в НИИ Склифосовского. Стоимость смс 45 руб без налогов”
позвонила оператору, мне сказали, что ни о чем подобном Склифу или реальной благотворительной организации они пока не слышали. и самый финиш – стоимость смс на сей чудный номер не 45, а почти сто рублей.

Aza matoky ireo SMS taitaitra avy amin'ny laharana tsy fantatra azafady!
Naharay hafatra an-tsoratra aho tamin'ny atoandro.
“Ry Rosiana malala, mangataka aminao izahay hanampy ireo traboina amin'ny asa fampihorohoroana tao amin'ny metro Moskoa. Ny vola rehetra azo dia hafindra any amin'ny Ivotoeram-pikarohana Antsoina hoe Sklifosovsky [antsoina koa hoe” Sklif” ny Ivo-toerana fanampiana ho an'ny vonjy taitra ao Moskoa- VI]. 45 roubla [1,5 dolara] ny saran'ny hafatra an-tsoratra aloan'ny hetra. “
Niantso ny orinasan'ny finday aho ary nilaza tamiko izy ireo fa tsy mahalala na inona na inona momba izany ny Sklif na ny fikambanana mpanao asa soa ara-dalàna. Ny zavatra mahaliana dia tsy 45 robla fa 100 robla [3.3 dolara] ny tena vidin'ny hafatra an-tsoratra amin'ity laharana mistery ity.

Bilaogera hafa Apraxis nanampy tao amin'ny bilaoginy [7] [RUS] fa mahakasika ireo izay monina ao Saint Petersburg ihany koa izany.

Taty aoriana dia nanambara ny fanapahan-keviny [8] ireo orinasa telo lehibe indrindra momba ny finday any Rosia fa hanonitra ireo olona izay niharan'ilay fisolokiana hafatra an-tsoratra .