- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hehy, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet
Christmas tree on the main square of Vladivostok photo by zeka_vasch [1]

Hazo Krismasy eo amin'ny kianja lehibe ao Vladivostok, sary zeka_vasch 

(Marihana fa efa tamin'ny taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.

Misy koa anefa ny antony mahatonga alahelo, eso na tsy tatitra satria ady maharitra amin'ireo polisy, ny toetrandro ary/na ny manampahefana eo an-toerana ny fiainana ao Vladivostok. Miharihary ao amin'ny aterineto ity hatsikana tsy manam-paharoa ity.

Miady isan-taona amin'ny ranomandry ny mponina ao an-tanàna, saingy hafa tamin'ity ririnina ity satria miatrika orana ihany koa izy ireo. Amin'ny fomba nentim-paharazana, rakotra ranomandry ny arabe sy ny lalana ao an-tanàna ka tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mijery izany amin'ny lafiny tsara ny olona. Noho izany, herinandro vitsy lasa izay, taorian'ny orambe mivatravatra, saika nivadika ho ranomandry fikorisana goavana ny tanàna manontolo ka nikorisa mihitsy tamin'ny sisin-dalana ilay bilaogera yasinkov [2].

Tamin'ny taona 2009, nandany vola am-polo tapitrisany robla tamin'ny hazo Krismasy mirefy 28 metatra  [3][ru], izay lafo indrindra ao amin'ny firenena ny manampahefana tao Vladivostok. Toa tsy nahita fampiasana tsara ny tetibolany ny Kaominina. Andro vitsy talohan'ny taombaovao, nazeran'ny tsio-drivotra io hazo noely tsy taka-bidy io.

[4]

Hazo Krismasy nianjera tao Vladivostok (2009). Sarin'i Zeka_vasch ao amin'ny Livejournal. 

Fiasco malaza iray izay nasehon'ny mpiserasera toa an'i Den tao amin'ny aterineto, ary nomarihany [3] hoe [RUS]:

В следующем Новом году купим за 15 лимонов, а то эта какая-то дешевая была, хлипкая. Будет чуточку получше

Amin'ny Taombaovao manaraka, dia hividy biriky 1500 isika, mora vidy sy mihozongozona izany. Ho tsara kokoa izy.

Raha nanala azy ireo bilaogera sasany, mpiserasera Маргарита [Margarita] kosa nilaza hoe [3]:

Бог все видит!!! Сколько инвалидов детей нуждается в денежной поддержке? А эти “властелины” народного добра выкидывают деньги на ветер!!! Чем вы гордитесь??? говоря о стоимости? Что самый богатый город в стране, чтоб за такие деньги украшать площадь??? Лучше бы технику для очистки дорог купили!!! Расточители народных денег!!!

Hitan'Andriamanitra daholo ny zavatra rehetra! Firy amin'ireo ankizy sembana no mila fanampiana ara-bola? Ary manipy vola eny am-baravaran-kely ireo “tompon'ny” fananam-bahoaka! Inona no reharehanareo? miresaka ny vidiny? Tanàna manankarena indrindra eto amin'ny firenena ve mba handravaka toerana amin'ny volabe toa izany?? Tokony mividy milina fanadiovana ny làlana ianareo! Ry mpandany volam-bahoaka!

Tamin'ity taona 2010 ity, dia efa betsaka ny noresahana momba ny hazo krismasy. Nahena hatramin'ny atsasany [5] [Rus] ny tetibolan'ny fetiben'ny Taombaovao. Na izany aza, nanantena ny  mpiserasera fa ho simba indray ny hazo Krismasy. Mpisera LJ fstrelcov [6] nanolo-kevitra [7] [Rus] hametraka vatobe efajoro miloko maintso miaraka amin'ny soratra hoe “Hazo Krismasy” fa tsy hazo voajanahary, mba ho mafy ny fananganana ary mahatohitra rivotra mahery. Toa tsy noraisin'ireo tompon'andraikitra sy mpanaingo izany hevitra izany fa mbola nanangana hazo noely nentindrazana manerana ny tanàna izy ireo.

Ilay hazo Krismasy “an-dranomasina” no tena voatsikera mivantana indrindra, noho ny endriny sy ny habeny. Lazaina fa an-dranomasina izy satria mitovy amin'ny fanilon-tseranana. Ary tsy nahatana ireo mponina fa namadika izany ho hatsikana. Nisy mihitsy aza ireo mpikatroka naniry hikarakara flash mob mba hanakodia baolina ranomandry goavana anankiroa [8][Rus] ary hametraka azy eo anilan'ny hazo. Tsy tontosa anefa izany, satria tsy ampy ny ranomandry ho amin'izany.

"Marine"Christmas tree by zeka_vasch on Livejournal [9]

Hazo Krismasy “an-dranomasina” avy amin'ii zeka_vasch tao amin'ny Livejournal

Manohy manara-maso ny zava-misy amin'ny hazo Krismasy ilay bilaogera malaza ao Vladivostok, zeka_vasch [10] ary mamoaka antserasera ireo fanehoan-keviny miaraka amin'ny sary. Mbola manantena ny olona fa ho vaky na hirodana ny hazo noely ao amin'ny kianja afovoany, manome voninahitra ny fomba nentin-drazan'ny tsy fahombiazana malaza ao Vladivostok.

Te-haneho ny fankasitrahany manokana ho an'ilay bilaogera zeka_vasch [11] izay nanome alalana azy hampiasa ny sariny tamin'ity lahatsoratra ity ny mpanoratra.