Tanora mpikatroka Tanzaniana manana vinam-panabeazana mampiaty

Saul Mwame, avy any Tanzania, miresaka ao amin'ny Firenena Mikambana nandritra ny fivoriana mifantoka amin'ny fampianarana, Tanjona 4 amin'ny Tanjona Fampandrosoana lovainjafy. Sary nahazoana alalana avy amin'i Saul Mwame. 

Mijoro loha-laharana amin'ny ady ho an'ny fanabeazana iarahana ho an'ny mpianatra isan-karazany – ao anatin'izany ny mpianatra manana fahasembanana i Saul Mwame, 20 taona mpianatra amin'ny lisea ao amin'ny Ambaratonga Faharoa DCT Mvumi any Dodoma, renivohitr'i Tanzania.

Niara-nanangana ny klioba fianarana mifototra amin'ny fampifandraisana (Connections) (CBL) tamin'ny volana Janoary 2019 Mwame, mba hisolo vava indrindra ho an'ireo mpianatra manana fahasembanana ara-pahitana satria nahita ireo mpiara-mianatra aminy manana olana ara-pahitana tsy mba mahazo fanohanana araka ny tokony ho izy ny lehilahy. Nanomboka ny klioba ihany koa i Mwame mba hanampy hanentana ireo mpianatra rehetra manoloana ireo manana filàna manokana.

Nahita aingam-panahy ho an'ny klioba i Mwame rehefa avy namaky boky momba ny CBL, “fomba iray hanabeazana sy hianarana izay mitrandraka ny tontolo mifandray (amin'ny aterineto)”, ary hihaona amin'ny mpanoratra ny boky CBL any Oganda.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices, nanazava ny fomba nanombohany i Mwame:

“I started CBL … after observing that fellow students with special needs lack cooperation. So, this was the way to sensitize cooperation so that visually-impaired students can have access to academic materials …to help them achieve their goals.”

“Nanomboka ny CBL aho… rehefa avy nandinika fa tsy ampy fiarahamiasa ireo mpiara-mianatra manana filàna manokana. Ka izany no fomba ahafahana manentana fiarahamiasa mba hahafahan'ny mpianatra manana olana ara-pahitana mahazo fitaovana akademika … hanampiana azy ireo hahatratra ny tanjony. “

Iray amin'ireo sekoly any Tanzania manana sampana ho an'ny olona manana olana ara-pahitana ny Ambaratonga faharoa DCT Mvumi ho fanohanana ireo mpianatra manana hasembanana ara-pahitana na jamba tanteraka. Afaka miditra amin'ny milina Braille (rafitra teboka nampitomboina ampiasain'ny olona tsy dia mahita mba hametahana soratra) ireo mpianatra 10 na mihoatra manana olana ara-pahitana ao amin'ny sekolin'i Mwame ary afaka mandray an-tsoratra  amin'ny Braille amin'ny alàlan'ny soran-tononina miaraka amin'ny fanampian'ny mpiara-mianatra.

Saingy tsy afaka miditra amin'ny boky fianarana sy fitaovam-pianarana any an-tsekoly izay mampiasa Braille ny ankamaroan'ny mpianatra tsy dia mahita na dia misy aza ny mpanao pirinty Braille ao Dar es Salaam, renivohitra.

Saul Mwame (afovoany) miaraka amin'ny mpikambana ao amin'ny klioba CBL. Sary nahazoana alalana  avy amin'i Saul Mwame.

Tao anatin'ny fotoana fohy, nahangona mpikambana 38 izay mivory faran'ny herinandro mba handray fiofanana momba ny fahaiza-miaina sy atrikasa fanabeazana ho mpandraharaha ny fikambanana. Mitantana hetsika any amin'ireo sekoly eo an-toerana ihany koa ireo mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny klioba mba hampianatra fahaiza-miaina amin'ny mpianatra manana olana ara-pahitana sy ireo hafa manana filàna manokana, miandry ny vola misy.

Manao asa fiarovana ho an'ny sembana nanomboka tamin'ny taona 2016 i Mwame raha nanangana ny Building Africa's Future Foundation:

Tamin'ny taona 2017 – Nandeha tsara izany, nanome fanantenana hatrany, miasa miaraka amin'ny olona tsy dia mahita mba hahatsapa ny fahaizan'izy ireo, tsy hoe tsy fahavitana akory ny Fahasembanana. Mirehareha mahita an'i Erick Mlasani, mpianatra mendrika manana olana ara-pahitana  ao amin'ny firenena ary ankehitriny mianatra ao amin'ny Oniversiten'i Dar es Salaam mba ho lasa mpisolovava

Mametraka ny fianarana ho “namana kokoa” ho an'ny rehetra

Nahita ny fanadihadiana vao haingana notontosain'ny HakiElimu, fikambanana Tanzaniana tsy mitady tombontsoa fa na dia any am-pianarana izay heverina ho “iarahan'ny rehetra” aza, dia mbola tsy namana kokoa ho an'ny mpianatra manan-kilema ara-pahitana ny tontolo fianarana. Vitsy ny sekoly misy ao Tanzania natokana indrindra ho an'ny olona manana kilema isan-karazany.

Nanatevin-daharana hetsika manerantany i Tanzania mba hamorona fampianarana iarahan'ny rehetra sy tsara kalitao ho an'ny mpianatra isan-karazany, ao anatin'izany ny mpianatra manana kilema. Tamin'ny taona 2004, nametraka politikam-pirenena momba ny fahasembanana izay manasongadina ny filàna tontolo fianarana mendrika ho an'ny olona manana filàna manokana izy, ary noraisin'ny minisiteran'ny fampianarana tamin'ny taona 2009 izany.

Saul Mwame (manao akanjo manga) mijoro miaraka amina vondrona mpianatra manana filàna manokana. Sary nahazoana alalana avy amin'i Saul Mwame. 

Na izany aza, mbola miatrika fanamby maro ny sekoly eo amin'ny lafiny fampianarana iarahana sy tsara kalitao. Niasa mba hanatsara ny fampiofanana ataon'ny mpampianatra sy nanangana sekoly manokana ho an'ny mpianatra sembana ny governemanta.

Saingy nanambara ny tatitry HakiElimu fa mpianatra marobe no mbola miatrika mpampianatra tsy ampy fahaizana, tsy mahafeno fepetra ary tsy ampy fitaovam-pampianarana ho an'ny mpianatra manana kilema ara-pahitana.

Mpisolovava nahazo loka

Teraka tao Kibaigwa, Tanzania i Mwame, ary avy amin'ny fianakaviana mahantra. Nilaza izy fa niatrika tsy fahampian'ny fiarahamiasa avy amin'ny vondrom-piarahamoniny manoloana ny vinavinany ho an'ny tontolo fianaràna tsara kokoa ho an'ireo mpianatra manan-kilema ara-pahitana.

Saingy talentany ny fisoloam-bava.

The responsibilities and destiny of our nation is upon the youth. How do we as youth prepare for it?

Eo am-pelatanan'ny tanora ny andraikitra sy anjaran'ny  firenentsika. Ahoana no fomba hiomanantsika amin'izany amin'ny maha tanora antsika?

Amin'ny maha ambasadaoron'ny Global Youth ho an'i Tanzania amin'ny alàlan'ny TheirWorld, fikambanana tsy miankina momba ny fanabeazana, nanolo-tena hanao fanentanana nandritra ny roa taona momba ny Tanjona 4 ho an'ny Fampandrosoana Lovainjafy: fanabeazana iarahana, tsara kalitao sy mitovy ho an'ny rehetra i Mwame .

Tamin'ny taona 2017, nisolo tena an'i Tanzania nandritra ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny Tanjona ho an'ny Fampandrosoana lovainjafy avo lenta mifantoka amin'ny fampianarana i Mwame.

Ho fanomezam-boninahitra ny asa mafy nataony dia nandresy tamin'ny Loka Printsesy Diana 2019 i Mwamwe, loka omena ny tanora izay mametraka fiantraikany tsara eo amin'ny fiarahamonin'izy ireo. Nanosika an'i Mwame hiasa mafy kokoa izany mari-pankasitrahana izany.

Sometimes people do not understand and appreciate what you are doing, especially when you get such an award, they still don’t care! But, for sure, this has made me understand that there are people who see what I’m doing and I want to put more effort to connect with different people [in order] to bring developments [to] my community.

Indraindray ny olona tsy mahatakatra sy tsy mankasitraka izay ataonao, indrindra rehefa mahazo loka toy izany ianao, dia mbola tsy miraharaha izy ireo! Saingy, azo antoka, fa nahatonga ahy hahatakatra izany fa misy ireo olona mahita ny ataoko ary te-hanao ezaka bebe kokoa aho mba hifandray amin'ny olona isan-karazany [mba] hitondra fampandrosoana ho an'ny fiarahamoniko.

Matoky ny herin'ny fifandraisana i Mwame mba hanampy azy hahatratra ny vinavinany. Nanome herim-po ho an'i Mwame ireo fifandraisana ireo mba hanohizany ho mpitarika sy hiaro ireo mpianatra isan-karazany ao Tanzania.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.