- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Navotsotr'ireo manampahefana Tajika i Alex Sodiqov, mpanoratra ato amin'ny GV

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2014)

Alex Sodiqov with his wife and baby. Photo used with permission.

Alex Sodiqov miaraka amin'ny vady aman-janany. Sary nahazoan-dàlana.

Tafaray tamin'ny vadiny sy ny zanany vavy ihany ilay mpikaroka sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Alexander Sodiqov, [1] ny 22 Jolay, rehefa notanan'ireo manampahefana Tajika nandritra ny dimy herinandro. Araka ny voalazan'ny kaonty Twitter @FreeSodiqov [2], “mbola tsy afaka mandao ny firenena i Alex, mbola mitohy ny fanadihadiana”.

Ny 16 Jona io mpianatra teratany Tajika nanomana Doctorat tao amin'ny Anjerimanontolon'i Toronto [3] io no voasambotra tany amin'ny faritra Mizaka tenan'i Gorno-Badakhshan, Tajikistana, izay nanaovany fikarohana momba ny famahana disadisa tanatinà tetikasa ifandrimbonany amin'ny Anjerimanontolon'i Exeter [4].

Nitafatafa tamin'i Alim Sherzamonov, solontenam-paritry ny mpanohitra ao amin'ny Antoko Demokratika Sosialin'i Tajikistana, i Alex, rehefa natonin'ireo mpitandro filaminana tsy manao fanamiana ary nalain'ireto farany an-keriny, izay nilaza ho mpiasan'ny fiarovam-pirenena. Taty aoriana dia namoaka fanambarana [5]manamarina io fisamborana io ny Kaomitim-panjakana Tajika ho an'ny Fiarovam-pirenena, ary nanipy ny hevitra fa tafiditra taminà raharaha fitsikilovana ho anà governemanta vahiny tsy voafaritra i Sodiqov.

Tantara fanazavàna: Maninona no Heloka Bevava ny Fanatanterahana Fikarohana Akademika ao Khorog, Tajikistana

On the road to Khorog, Gorno-Badakhshan Autonomous Oblast, Tajikistan. © Ivan SIgal

Amin'ny làlana mankany Khorog, Faritra Mizaka tenan'i Gorno-Badakhshan, Tajikistana. © Ivan SIgal

Manampahaizana mamiratra i Alexander Sodiqov, izay ny asa sorany [6] momba ny Tajika sy ireo pôlitika ao Azia Afovoany dia mitondra ireo mariky ny mpandinika pôlitika sangany rehetra—fahitsiana, fahiratantsaina sy tsy fiandaniana. Izy ihany koa dia olona, izay na eo aza ny traikefa iraisam-pirenena rehetra ananany, dia mijanona manolo-tena hikaroka ny firenena nahaterahany sy mampita izany fahalalàna izany amin'ny tontolo midadasika kokoa.

Mha hahatakarana ny antony mahatonga ireo manampahefana Tajika hijery ny olona toa an'i Alex ho rahona, zava-dehibe ny fahafantarana fa tsy dia fampisehoan-kery loatra ny fisamborana azy fa fampisehoana fahalemena kokoa anatinà faritra iray izay ny governemanta malemy dia manana fisiana farak'izay malemy.

..tohizo ny famakiana.  [7]

Fandrakofana hetsipanentanana

Ny 19 Jona, nandray anjara tamin'ny hetsipanentanana ho an'ny #FreeAlexSodiqov ny vondrompiarahamonin'ny Global Voices ary namoaka ity fanambarana ity.  [8]

Fanazavana momba ilay hetsipanentanana

Bitsika momba ny “#FreeAlexSodiqov “ [13]

Fandrakofan'ny Global Voices: #FreeAlexSodiqov

Fanohanana an'i Alex: Fikambanana

Fikambanana ho an'ny Fiarovana sy Fiarahamiasa ao Eoropa (OSCE): sahiran-tsaina momba ny fanjavonanà bilaogra iray tao Tajikistana ny solontenan'ny fahalalahan'ny media OSCE [25]  (18 Jona)

Human Rights Watch: Tajikistana: Hamotsotra sa Hiampanga Mpikaroka [5] (19 Jona)

Amnesty International: Tajikistana: Mpianatra manomana Doctorat Voasambotra, Tsy Ahazoam-baovao: Alexander Sodiqov [26]  (19 Jona)

Fantaro i Alex: Amin'ny alàlan'ny Asa sorany ato amin'ny Global Voices

[31]

As Tajik Rap Gets Political, Authorities Resort to Bans and Pressure [31]

04 Jona 2014
Kyrgyz Parliament Considers Anti-Gay Law [32]
30 Avrily 2014