- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady tomponandraikitra vaovao ny Lingua Frantsay mpandika ho amin'ny teny frantsay ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

Ny vondrom-piarahamonina Global Voices Lingua to amin'ny Fihaonambe tany Colombo, Srilanka.

Amin'ny ankapobeny dia avy amin'ny teny anglisy ireo lahatsoratry ny Global Voices no adikan'ireo tarika mpandika ao anatin'ny Lingua , avy eo mivadika ho amina fiteny efa ho efapolo mahery. Misy tomponandraikitra mitarika ny asa fandikàna azy ireny. Samy mamoaka ny asa fandikàna vitany ho ao anaty tranonkala iray natokana ho amin'izany, izay ampahany ihany ato anatin'ny Global Voices, ireo tarika tsirairay.

Ankoatra ny asa fandikana ho amin'ny teny frantsay mianga avy amin'ireo fiteny hafa, lahatsoratra tonga dia nivoaka avy hatrany tamin'ny teny frantsay ny sasantsasany, ary avy eo vao nadika ho amin'ny teny anglisy. Araka izany, mba hitantana io fitosahan'ny asa io, miaraka miasa akaiky amin'ny sampanasa fanoratana ilay tomponandraikitry ny asa fandikàna ho amin'ny teny frantsay.

Ho iraka tontosain'ilay tomponandraikitra ny asa fandikàna ho amin'ny teny frantsay : 

Ireo mpisoratra voafantina dia tsy mantsy manana ireto fahaizamanao sy fahafehezana lazaina manaraka ireto :

Amporisihanay hirotsaka amin'izany ireo mpiaramiasa ao amin'ny Global Voices frantsay.

Raha hisoratra

Mandefasa ny mombamomba anao (CV), ampiarahana amin'ny taratasy filazana fahavononana manasongadina ny asanao no sady manazava ireo antony mahatonga anao ho ilay kandidà tonga lafatra, alefa amin'ny adiresy  gohary@globalvoices.org [1] alohan'ny 20 Novambra 2019 23:59 UTC. Azafady, apetraho ery amin'ny anton'ny imailaka alefanao ny anaranao miaraka amin'ny fanamarihana hoe “French Translation Manager”