- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fahazoandàlana hahafahan'i Yemen hiditra amin'ny fandriampahalemana

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

Amin'ny alàlan'ireo hosodoko ataony eny an'arabe, volana maro lasa izay, resahan'ilay Yemenita mpanao hosodoko, Thiyazen ALalawi [1], ireo olana politika sy sosialy mitranga ao Yemen. Nofantenana izy handray anjara taminà fitetezam-paritra iray ho an'i Yemen  iresahana ny fandriampahalena. Tany Soissa, Frantsa, Belzika ary Angletera. Kanefa, ny  fikatonan'ny seranampiaramanidina Sana'a [2] tao Yemen noho ny fifandonana nitranga tao Yemen [3] dia nitondra azy ho any amina seranana hafa.
Ny Alakamisy 22 Aogositra 2019 no nanomboka ny diany, niainga tao Sana'a nankany Sewon ao Yemen.

Naharitra ora 18 mahery ny dia, nandalo tamin'ireo toerana fanamarinana fehezin'ireo mpifanandrina amin'ilay ady [4] sy teny amin'ny làlana ratsy.

Ny 24 Aogositra 2019, tonga tao Amman, Jordania izy, ary nanomboka ny tantarany niaraka tamin'ireo masoivoho.

“Izahay Yemenita dia manana fahazoandàlana (viza) handeha hiantafika ary tapakila maimaimpoana hiditra ny helo, saingy tsy azo tanterahana ny haka viza hiditra any Angletera na firenena hafa iray ao Eoropa.
Tato anatin'ireo taona enina farany, afaka nandeha tany amin'ireo faritra nisy ady aho na nandeha tany rehetra tany, saingy hatreto ny safidiko dia nijanona tamin'ny hoe tsy maintsy mitoetra eto amin'ny fireneko aho ary manohy manohitra ny ady amin'ny alàlan'ny taokanto, manohy manao sary hosodoko eny an'arabe ary manely ny fotokevitry ny fandriampahalemana sy ny fiarahana miaina miaraka amin'ny rehetra.”

Thiyazenz manao sary hosodoko eny amin'ireo rindrina ao ِAmman, Jordania/ 2019

In-droa ny masoivoho Britanika no nandà fangatahana viza nataon'i Thiyazen, ary toy izay koa no nataon'ny masoivoho Soisa.

“Ny hany antony fandavan-dry zareo dia hoe tian-dry zareo aho hanana antoka ara-bola hahafahako miverina ao Yemen. Ahoana no handreseko lahatra an-dry zareo hoe artista mpanao hosodoko anie aho ary tsy hay sandaina io taokanto io, io no zavadehibe indrindra ananako, ary tsy misy zavatra hafa azoko atolotra ho toy ny antoka!
Tsy io zavatra niainako manokana io no itarainako, efa maty ho ahy ny fanasàna handray anjara ao anatin'ilay fitetezam-paritra, fa ho an'ny traikefa ananako sy ny mba ho solon'ny feo ho an'ireo tanora izay nandray anjara teny an'arabe tamin'ny alàlan'ny taokanton-dry zareo.

Henatra ny hoe natsipy ho eny amoron'izao tontolo izao i Yemen ary lavina tanteraka ity pasipaoro Yemenita ity, tsy noho ny inona, fa noho ity pasipaoro ity tsy miaty afa-tsy viza tokana monja, dia ny handeha hiantafika.”

Aty amparan'ity tantara ity, izay nalefany teo amin'ny pejiny Facebook [5], hoy i Thiyazen :

“Io hatrany no hany viza nitondra ahy nivezika tetsy sy teroa, ny taokanto, ary mbola hijanona ho ny hany viza tokana hahafahan'i Yemen hiditra amin'ny fandriampahalemana.”