- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maninona i Bahamas no mila fiantràna ankehitriny

Sokajy: Karaiba, Bahamas, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
[1]

Dika avy amin'ny efijerin'ny lahatsary YouTube nampiakaran'ny NBC News mampiseho sarin'ny tanànan'i Marsh Harbour simban'ny tafiodrivotra Dorian, nalaina tamin'ny drôna.

Miezaka mafy i Bahamas mba hiarina taorian'ny fandalovan'ny tafiodrivotra [2] Dorian [teny frantsay], rivodoza voalohany anatin'ny sokajy faha-5 ho an'ny vanim-potoanan'ireo rivodoza ao amin'ny faritra Atlantika ny taona 2019 [teny frantsay] [3].

Tonga masiaka tao Bahamas ny rivodoza mahafaty Dorian teo anelanelan'ny 1 sy ny 3 septambra 2019, namela faharavàna tsy hita noanoa  [4] tamin'nizay nolalovany, anisan'izany ny isan'ireo traboina [5] tsy nitsahatra nitombo, ireo tondradrano goavana [6], ireo faharavàna [7] tsy hay nohadihadiana ary, somary nisoko mangina, ireo trangana rarin-tsaina mamela fery [8] toarian'ny dona nitranga..

Tsy azo lavina, miaina ao anatina fotoana iray maha-valaketraka isika: ny fihafanàn'ny planetantsika dia mamokatra rivodoza miha matanjaka [9] ary ireo Firenena Nosy kely andalam-pivoarana [10], hatreto, no tena voa mafy indrindra sady tsy dia manana ny enti-manana [11] hiatrehana izany. Ankoatr'izay, nandeha tsy niolankolaka ny gazetiboky Le New Yorker [12] ary nanome lohateny ity loza ity ho toy ny “tsy rariny ara-toetrandro”.

Na dia marobe aza ireo Bahameàna tany amin'ireo faritra tena faran'izay niharan-doza  [13] no mampalahelo [14] momba izay heverin'izy ireo ho valinteny tsy mendrika avy amin'ny governemantany, ny tranonkala ofisialy an'ny firenena fara faharatsiny no hita ho milamina tsara, miaraka amina pejy manokana  [15] misy pejy miresaka fanampiana vonjy taitra ho an'ireo tra-boina. Misy ireo vaovao mifandraika tsara amin'ireo asa fanavotana ao amin'ilay tranonkala, ao anatin'izany ny mikasika ny fomba samihafa hanaovana fanampiana ara-bola, na fanomezana sakafo (hita any amin'ny faran'ilay pejy ny lisitra iray misy an'ireo vokatra tena be mpangataka).

Raha ny marina, vao haingana no nisy taratasy iray tao amin'ny Facebook nataon'ilay vehivavy trinidadiàna, poeta Shivanee Ramlochan, miaraka amina fahaizana mandaha-teny, nanolo-kevitra [16] hoe ny iray tamin'ireo fomba tena mahomby indrindra mba handresena ny tebiteby dia ny fanomezan-tanana sy ny manome:

I want you to feel sorry for and give to the people who have lost everything, everything. Because as afraid as I am of everything specifically and nothing in particular, I have lived a greatly privileged life, and I do not know what it is like to rub two rice grains together to see if they might magically make three, […] and I do not know what it feels like to look into the face of a hurricane and know it will take everything from you with everything it has, that it will steal the sound of your voice praying all the prayers and psalms and stotras you know.

Tiako ho tsapanao ny alahelo ka hanolotra ianao ho an'ireo olona namoy ny fananany rehetra, rehetra. Satria ilay horohoro mafy nanjo ahy tamin'itsy sy iroa, niaina fiainana tena nahazoako tombondahiny aho, ary tsy haiko ny mampifampikasoka voan'akotry roa mba hahitana raha toa mbola misy fanintelony hoavoakn-dry zareo eo, amin'ny fomba mahagaga, […] ary tsy fantatro izay tsapa amin'ny fijerena rivodoza iray izay fantatra fa haka izay rehetra anananao amin'ny heriny rehetra, sy hoe izy dia hampangina ny feonao izay mitanisa ireo vavaka, salamo fiderana ary stotras (dera) hainao.

Ny tsirairay, ireo fikambanana ary ireo governemanta rehetra manerana ilay faritra , sy manerana izao tontolo izao, dia tena nanao hetsika nitodika tamin'io lafiny io.

Nandefa miaramila [17] ireo firenena Karaibeana sasantsasany mba hitondra fanampiana eny an-kianja. Tamin'ny alalan'ny lakana, namatsy rano fisotro sy fanadiovana rano [18] maimaim-poana tao amin'ireo faritra [19]misy ny tangoronosy i Saint-Vincent-et-Grenadines. Nikarakara ireo fonosana misy an'ireo zavatra tena ilaina maika Ireo sekoly sy ireo fiangonana [20]. Nampanantena ny fanohanany [21] ireo olona ambony. Ary nanao fiaraha-miasa tamina tarika iray misy an'ireo mpitsabo sy ireo psikôlôgy ny “Gallerie d'art nationale” mba hanaraka akaiky ireo sisampaty [22] eny andalam-pamerenana [23] ny fahasalamany ara-tsaina.

Misy maro ireo fomba handraisana anjara amin'ny fitondrana famonjena. Saingy avy aiza no atomboka?

Fanombohana tsara ny tranonkala Charity Navigator [24], satria voaraikiny an-tsoratra ireo fikambanana mandray andraikitra izay manolotra fanampiana ho an'ireo ao Bahamas. Mbola tsara kokoa, voasokajy arakaraka ny toerana izy ireo [25], mba hahafahan'ny tsirairay mifantina hanomezana an'ireo fikambanana mpiahy misy ao Bahamas mba hanampiana haingana araka izay tratra an'ireo izay tena voadona mafy.

Ny Ivon-toerana ho an'ny fitiavana ny mpiara-belona miatrika ny loza voajanahary [26] miorina ao Etazonia ihany koa dia fitaovana iray ilaina “mba hitazonana antsika hahara-baovao momba ireo fanampiana natokana ho an'ireo loza voajanahary”. Mba hisorohana an'ireo voka-dratsy mety ho entin'ireo rivodoza toa an'i Dorian ao Karaiba sy ireo ampahany hafa ao Amerika amin'ity taona ity, dia noforonina ny Tahirimbola Fandraisana anjara Atlantika ho an'ny vanim-potoanan'ny rivodoza 2019 [27], tahirmbola izay hifantoka amin'ireo ezaka fanarenana fohy ezaka sy lavitra ezaka. Novinavinain'ny sampandraharaha amerikàna misahana ny raharaha momba ny ranomasimbe sy ny any an'habakabaka (NOAA) ho hatramin'ny 45%  henjana kokoa noho izay noheverina [28] ny loza mety hitranga amin'ny vanim-potoanan'ny rivodoza ny taona 2019. Afaka mifidy ny faritra izay hotolorany fanampiana ihany koa ireo mpanome fanampiana.

Misy koa ireo asa famonjena nikendry tanjona manokana, toy ny tanjon [29]‘ny fondation HeadKnowles izay mitondra an'ireo vokatra mahavelona mankany amin'ireo faritra tena voakasika indrindra ao amin'ireo Nosy Abacos sy ny Grand Bahama, manomboka hatramin'ireo entana goavana indrindra, toy ireo mpiteraka angovo, ka hatramin'ireo filàna kely indrindra toy ireo fitaovana fiadiana amin'ny moka. Tamin'ny fotoana namoahana ny lahatsoratra, tsy lavitry ny 1,5 tapitrisa dolara (manodidina ny 1,37 tapitrisa eoroa) no voaangon'ity fandraisana andraikitra ity.

Hery manosika ny Alliance des Bahamas ho an'ny zon'ireo biby sy ny fangorahana (BAARK) ny mba hamindràna ireo biby [30] rehetra ao amin'ireo Nosy Abacos sy ny Grand Bahama any anatin'ireo trano fandraisana mba ho any amin'ireo toerana mety kokoa handraisana an-tanana azy ireo.

Mitantana tambajotra midadasika sy mahomby eny an-kianja, manerana an'izao tontolo izao, ireo fikambanana miorina tsara sy matotra toy ny Armée du salut [31], ny Croix-Rouge [32] ary ny Rotary Club [33].

Marobe ireo fomba azo anampiana, ary araka ny voalazan'i Shivanee Ramlochan [16], ahafahana miady amin'ireo ahiahy sy afaka hifantohana tsara amin'izay azo atao ireo fanampiana rehetra ireo:

We all have that beaded curtain, don't we? That jangling, petrified partition dividing how we can be strong for others, while we feel our own spine might separate from our own skeleton in front of the world's uncertainty? We all pass through it, praying between those beads. So if you are just as scared as I am, I see that. And I am terribly sorry, but I can't solve it. But I can be good to you. I hope that I am. I hope that when you come to me with all your own terrors rattling behind your bone curtains, that I am thoughtful. That I can listen to what you say and unsay. That I am kind.

Manana an'io efitra lamba fiarovana io isika rehetra, tsy izany ve? Io efitra mpampisaraka sy mampihorohoro mampisaraka antsika io amin'ny hoe ahoana no hitomoerana ho matanjaka ho an'ireo hafa, nefa isika aza mahatsapa ny hazon-damosintsika misaraka amin'ny taolantsika manoloana ny fisalasalan'ity izao tontolo izao ity? Samy miatrika izany daholo isika, mivavaka eo anelanelan'ireo mason”io efitra lamba io. Ary koa, raha matahotra mafy toa ahy ianao, azoko tsara io. Ary tena miala tsiny betsaka aho, fa tsy misy na inona na inona azoko atao. Ho takalon'izay, afaka mitondra famonjena ho anao aho. Antenaiko ny ho afaka hanao izany. Antenaiko ny ho afaka hanao izany rehefa iny ianao hanatona ahy miaraka amin'ireo tahotra mampangorintsina hatrany anaty taolana, mba azoko raharahaina. Mba azoko renesina izay lazainao sy izay tsy lazainao. Mba ho be fitiavana aho.