Niteraka resabe ny fijoroan'ny filohan'i Trinite sy Tobago amin'ny resaka sipa

 

Ny Lapan'ny Filoham-pirenena, Trinite, nalain'i Albert Sydney tamin'ny 19 Novambra 2010, nampiasaina tamin'ny alàlan'ny Wikimedia Commons teo ambany lisansa GNU Free Documentation.

Niteraka resabe avy amin'ny besinimaro ny fanapaha-kevitra vao haingana nataon'ny filohan'i Trinité sy Tobago, Ramatoa Paula-Mae Weekes, tamin'ny fandrarana ireo sakaizan'ny nasaina tsy vady amin'ny fanatrehana ny lanonana ofisialy ao amin'ny Lapan'ny Filoham-pirenena .

Manampahefana maromaro no nanatona ny mpanora-gazety haneho ny hakiviany noho ny fanapahan-kevitra avy amin'ny biraon'ny filoha raha mbola tao anatin'ny fanomanana ny lanonana Fanolorana Mari-Pankasitraham-Pirenena tamin'ny 25 Septambra 2019.

Araka ny tatitra, tsy mamela ny manampahefana hitondra izay olona tsy vadin'izy ireo ara-dalàna amin'ny lanonana rehetra atao ao amin'ny Lapan'ny Filoham-pirenena ny prezidansa – fanapahan-kevitra izay heverin'ny mpitsikera fa “tsy manaraka ny toetrandro” .

Naneho hevitra haingana ny Filankevitry ny Fiangonana Evanjelika any Trinité sy Tobago mba hampisy fifandanjana amin'ny toe-draharaha, ary nilaza fa nanadino ny fahamasinan'ny fanambadiana ny olom-pirenena ary “faratampony” ny tenin'Andriamanitra. Mbola nampian'ny fikambanana ny tao anatin'ny fanambarana hoe: “Tsy fifanarahana araka ny lalàna izay asehon'ny tontolo laîka ihany ny fanambadiana, fa fifanarahana masina napetrak'Andriamanitra ihany koa.”

Na dia tsy nanome ny antony nanosika azy handray ny fanapahan-kevitra aza ny Filoha Weekes dia tsy nahasakana ny olona tsy hihevitra izany fa avy amin'ny resaka fivavahana io. Mpiseran'ny tambajotra sosialy marobe, manerana ny sehatra isankarazany no nizara ny fahatalanjonan'izy ireo, ka nisy ireo sasany nandray ny raharaha ho fikasan'ny filoham-pirenena handrosoana ny tetipanorony manokana momba ny fivavahana mba ho arahin'ny olom-pirenena izay manan-jo amin'ny fahalalahana ara-pivavahana araka ny lalàmpanorenana:

Tena nandiso fanantenana ahy ny filoha Paula-Mae Weekes rehefa nampiditra ny fivavahana tao amin'ny adihevitra. Tsy mety ny manery ny hafa hanaraka ny soatoavinao momba ny fivavahana.

Nampahatsiahy ny filoha amin'ny andraikiny amin'ny maha mpanompon'ny vahoaka azy ny mpisera Twitter iray :

Amim-panajana tanteraka ny fotokevitrao Ramatoa Filoha. Saingy momba ny fanasana ao amin'ny lapan'ny “vahoaka” no resatsika eto. Fa tsy ny fandehanana mankany an-danitra.

Raha nojerena ny fihetseham-po tamin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera dia maro ny olona nahatsapa fa tsy manana toerana ao amin'ny sehatra politika ny fivavahana, indrindra fa any amin'ny firenena maroloko toa an'i Trinite sy Tobago:

Tsy tokony miditra amin'ny andrim-panjakana amin'ny fiarahamonina laika ny fampitodihana amin'i Kristy sy ny resa-pivavahana.

Porofo fanampiny fa nilaozan'ny toetr'andro ary adalam-pivavahana ny mpitondra antsika.

Maro ireo tompon'andraiki-panjakana sy mpikambana ao amin'ny governemanta nanatrika ny lanonana no naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny fanapahan-kevitry ny filoha. Koa satria ekena ara-dalana ao Trinité sy Tobago ny fanaovana tokantranomaso – ary fantatra ihany koa fa namoaka didy manohitra ny fanavakavahana ny mpivady mitovy fananahana ny fitsarana ambony ao amin'ny firenena nandritra ny fanapahan-kevitra manan-tantara tamin'ny volana Aprily 2018 dia nilaza ny mpitsikera fa efa lany andro ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena no sady tsy misy fampiraisana no tsy misy fanajana ny kolontsaina.

Nanontany ny antony mahatonga ny filoham-pirenena hihevitra izany ho politika manan-danja ny filohan'ny asam-panjakana teo aloha, Reginald Dumas raha niantso ilay fanapahan-kevitra ho efa tamin'ny “vanim-potoana Viktoriana”:

Not merely in 2019 but in a society like this where there are lots of common law relationships and it is virtually the norm. What, therefore, is the aim the President had in mind? To achieve what exactly? I don’t know.

Tsy amin'ny taona 2019 ihany fa ao amin'ny fiarahamonina tahaka ny antsika izay maro ny tokantranomaso ary izany no fenitra ara-virtoaly. Inona ary no tanjona ao an-tsain'ny Filoham-pirenena? Inona marina no tiany ahatongavana? Tsy fantatro.

Naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratra Facebook ho an'ny besinimaro i Janine Charles-Farray, izay niara-nianatra tamin'ny filoham-pirenena tao amin'ny lisea iray (nifaly tamin'ny fitokanana azy ireo maintimolaly tamin'izany sekoly izany) fa angamba tsy tokony ho ny filoham-pirenena no lasibatra amin'ny fanaratsiana:

I'm all for plus-one invitations whether wed or unwed, but […] near-inconsolable upset over Common Law relationships not recognized at State Functions???…wow.

If it's one thing you learn when you go to Bishops is which battles to fight. Doh beat up Madam President. […] I can't see how one can argue that the office and the figurehead is a waste of money, and in the same breath say stormers must be wined and dined too. Make up your mind, T&T!

Beyond the witty school bashing, memes and the single-female-President shaming, which we know is a favourite(!!!) …is this a frugality issue? A security issue? Is it an event management issue? Pure colonial hogwash? We not really discussing anything here, just jamming the President for maintaining the rules that existed in the office before she even got there.

Tena tiako tokoa ny fanasana miaraka amin'olona na manambady na mpitovo, saingy […] saika tsy laitra nampiononina momba ny Lalànan'ny Tokantranomaso tsy ankatoavina eo amin'ny Raharaham-panjakana???… oe.

Raha ny zavatra iray azonao rehefa mandeha any amin'ny Eveka ianao dia ny hoe ady inona no iadiana. Masiaka amin-dRamatoa Filoha i Doh. […] Tsy haiko hoe ahoana ny iadian'ny olona iray hevitra fa fandaniam-bola ny birao sy ny mpitondra azy izy ihany no milaza fa tokony omen-divay sy sakafo ihany koa ireo mpanakorontana. Tapaho ny hevitra ry T&T!

Ankoatra ny fanasana atidoha amin'ny sekoly, ny sary-sy-soratra sy fampamenarana ny vehivavy filoham-pirenena mpitondratena, izay fantatsika fa (vadikely?) (!!!)… moa ve izany resaka sakafo tsotra? sa resaka fiarovana? sa resaka fitantanan-danonana? sa fahadalan'ny fanjanahantany madiodio? Tsy tena miresaka inona loatra anie isika e, fa manelingelina fotsiny ny filoham-pirenena amin'ny fanajany ny lalàna efa nisy talohan'ny nahatongavany tao aza.

Niseho ny andiana tsy fitovizan-kevitra. Nanamafy ny sasany tamin'ireo mpaneho hevitra fa niaro ny filoham-pirenena fotsiny ilay lahatsoratra noho ny fifampiarovan'ny samy maintimolaly.

Weekes, izay nandray ny asany nanomboka ny volana Martsa 2018 no filoham-pirenena vehivavy voalohany ao amin'ny firenena. Mifandona amin'ny andraikitra maha mpisavalalana azy ny fijoroany amin'ity raharaha ity, izay nametraka azy ho ao anivon'ny adihevitra nasionaly momba ny fomban-drazana sy ny fivoarana.

Na izany aza, tsy mbola nanao fanambaràna ofisialy momba ny fanapahan-keviny ny Filoha Weekes na dia nitaky fanazavana aza ny olom-pirenena tao amin'ny Twitter sy Facebook .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.