- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Mpikatroka Meksikana miady ho amin'ny fiarovana azy ireo ao amin'ny aterineto

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Fihetsiketsehana nataon'ny vondrona mpiaro vehivavy tamin'ny 28 septambra 2019 tao México, ho fankatoavana ny Lalànan'i Olimpia, izay manasazy an-tranomaizina sy onitra amin'ny famoahana votoaty misy endrika ara-nofo na manaitaitra (erotika) tsy misy fankatoavana. Sary nalain'ny mpanoratra.

Any Meksika, miainga ao amin'ny aterineto sy ny fiainana tena izy, ary ny mifamadika amin'izany ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy. Misy fiantraikany ara-pihetseham-po, arak'asa ary ara-tsosialy ho an'ireo lasibatra ny fanafihana ara-pananahana amin'ny aterineto .

Vao mainka miharatsy ny vokadratsy raha mamono tena ireo vehivavy sasany noho ny fanorisorenana mihatra amin'izy ireo rehefa alefa amin'ny tambajotra sosialy toy ny Facebook, Whatsapp, mailaka ary tranonkala hafa ny sary amin'ny endrika mamoafady na fiainana manokana ara-pananahana. Antsoina hoe “pasar el pack” na [alefaso ny fonosana] na « difundir la nude » [alefaso ny fiboridanana] ihany koa izany.

Noho izany, noho ny tenirohy #LoVirtualEsReal [1] [virtoaly tena misy], nahavita nanova ny lalàna ireo olom-pirenena sy mpikatroka Meksikana toa an'i Olimpia Coral Melo Cruz [2] mba hanasaziana izay olona rehetra, na vadiny na sipany na tsia, mamoaka sary amin'ny endrika mamoafady na fiainana manokana ara-pananahana tsy misy fankatoavan'ilay olona miseho amin'ny sary na lahasary.

Tamin'ny taona 2014, nandrakitra lahatsary vetaveta miaraka amin'ny sipany i Melo Cruz. Andro vitsivitsy taty aoriana, dia nivoaka sy niparitaka tamin'ny tranonkala tsy nahazoana alalana tamin'ny sipany ilay horonantsary, ka hitan'ny mpifanolobodirindrina aminy, ny olom-pantany sy ny havany.

Nilaza tamin'ny BBC amin'ny teny Espaniola  [3]ilay mpikatroka fa tao amin'ny vondrom-piarahamoniny ao Huauchinango, any amin'ny fanjakan'i Puebla,  niresaka momba azy sy ilay lahatsary avokoa ny olon-drehetra. “Nijanona nihidy tao an-tranony nandritra ny valo volana i Olimpia ary nikasa namono tena in-telo.”

Taorian'ny fotoanan'ny fahaketrahana mafy, nahazo hery hijoro sy hiaro ny zony hisitraka am-pahalalahana ny ara-nofony i Olimpia. Nanohana azy ny reniny ary nampahafantatra azy fa tsy tokony hahatsiaro ho meloka amin'ny zavatra tsy misy dikany izy, satria tsy nanao heloka bevava. Tamin'izany fotoana izany dia nazava ho an'ilay mpikatroka fa tsy misy olona manan-jo hamoaka imasom-bahoaka ny sariny tahaka ny navaona azy.

 

[4]

Ny pejy Facebook [4]-n'ny Manda Nasionalin'ny mpirahavavy manao fanentanana fampahalalana mitohy ho fiarovana ny vehivavy amin'ny aterineto. 

Faire du sexting est un droit sexuel. Il n'y a rien de mal à ça. Mais si tu partages sans autorisation le pack que l'on t'a envoyé, c'est de la violence numérique. Ne le fais pas. Ne deviens pas un agresseur.

Zo ara-pananahana ny fanaovana firaisana ara-nofo. Tsy misy maharatsy izany. Saingy raha mizara tsy mahazo alalana ny fonosana izay nandefasana anao ianao, dia herisetra nomerika izany. Aza manao azy. Aza manararaotra.

Rehefa nanapa-kevitra ny hiampanga ny zava-misy i Olimpia Coral, dia nanambara ny manampahefana ara-pitsarana fa tsy misy heloka tokony henjehina, satria tsy misy lalàna na fehezan-dalàna mifehy ny herisetra nomerika mihatra amin'ny vehivavy milaza fa fandikan-dalàna azo saziana izany. Ankoatra izay, nihen-danja ny raharaha momba azy satria nitranga tamin'ny tontolo nomerika.

Nandritra ny dimy taona taorian'ity raharaha ity, rehefa avy niady niaraka tamin'ireo vondrona sy fikambanana mpiaro vehivavy ho an'ny fiarovana ny vehivavy ao amin'ny Internet, dia nahomby tamin'ny fitondrana fanavaozana i Olimpia ka lasa heloka azo saziana ny fizarana votoaty amin'ny endrika mamoafady na fiainana manokana ara-pananahana.

Efa nankatoavina tamin'ireo fanjakana 12 amin'ireo fanjakana 32 ao Meksika izany fisantaran'andraikitra izany, izay fantatra amin'ny anarana hoe #LeyOlimpia [5] [lalàna Olimpia], ka anisan'izany fanjakana izany i Puebla. Araka ny voalazan'ny Fehezan-dalàna Famaizana ao amin'io fanjakana io [6], “Maha-voasazy ny mamoaka, mizara na mandefa sy misarika sarin'ny olona miboridana tanteraka na ampahany amin'ny endrika firaisana ara-nofo (erotika), na inona na inona namoahana izany, gazety, narakitra na nomerika ka tsy nahazoana alalana avy amin'ilay lasibatra». Telo ka hatramin'ny enin-taona, arahana onitra ny sazy.

Nampahafantarina vao haingana tao amin'ny Kongresy tany Mexico City, renivohitry ny firenena, ny fanapahan-kevitra, ka ao no hanombohan'ny fizotran'ny lalàna mba hahafahana manasazy ireo manitsakitsaka ny zon'ny lehilahy sy vehivavy hanana fiainana manokana ara-pananahana.

Amin'ny maha-mpitondratenin'ny Mandam-Pirenen'ny Mpirahavavy [7], nitety ny firenena i Olimpia mba hampiroborobo izany lalàna izany, ary mikendry ny hampiseho ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy mifandraika amin'ny teknolojia. “Tsy mila miditra aminay izy ireo mba hanolana anay amin'ny alàlan'ny sehatra nomerika,” hoy izy vao haingana nandritra ny fandraisany anjara tamin'ny Diabe ara-dalàna ho fankatoavana ny fanalan-jaza, tao afovoan-tanànan'i México.

“Tsy misy vehivavy, tsy misy tovovavy naniry ny hampisehoana azy ireo amin'ny aterineto,” hoy izy.

Hafatr'i @OlimpiaCMujer [8] nandritra ny diabe ho an'ny #AbortoLegalParaTodoMexico [9] [fanalan-jaza ara-dalàna ho an'ny rehetra ao Meksika]

Ankoatra ity hetsika hanovàna ny lalàna ity, dia nidina an-dalambe ireo mpikatroka, fikambanana isan-karazany ary vondrona maro mba hampahafantatra ny lalàna Olimpia ary nanangona sonia ho fankatoavana azy ao an-drenivohitra Meksikana. Nandritra izany andro izany, nampahafantarina momba ireo fisantaran'andraikitry ny olom-pirenena mikendry ny hampiseho, hisoroka sy hampitsahatra ny herisetra nomerika ny vahoaka.

Fotografía tomada de la página de Facebook del Frente Nacional para la Sororidad y utilizada con permismo. [12]

Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook [12] ny Manda nasionaly ho an'ny mpirahavavy, nahazoana alalana.

Nambara ihany koa fa “hatramin'izao, tsy misy ny rafitra manao fanadihadiana na manasazy ny herisetra ara-nofo mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizy ao amin'ny sehatra nomerika”.

Araka ny voalazan'ireo Mpiaro nomerika  [13]ao amin'ny Mandam-Pirenen'ny Mpirahavavy, mahatonga “fitokatokana-monina, fanilikilihan'ny fiarahamonina, tahotra, tsy fifankahazoana ara-tsosialy, fanenjehana, ratran-tsaina, fahadisoam-panantenana lalina izay mety hitarika ilay olona amin'ny fahaketrahana, tsy fahatokisan-tena, tsy fahatomombanana ara-batana sy ara-pihetseham-po ary indraindray, famonoan-tena” ny fandefasna sary na lahatsary firaisana ara-nofo na fiainana manokana ara-pananahana misy ilay olona.

Na dia maro aza ireo lasibatra niala ny sehatra nomerika taorian'ny fanalam-baraka azy ireo, dia voakasika ihany koa ny tontolon'izy ireo tahaka ny fianarana, ny fianakaviana sy ny asa.

Farany, mampiseho ny Tatitra momba ny herisetra antserasera mianjady amin'ny vehivavy ao Meksika [14]navoakan'ny vondrona Luchadoras.mx [15], fa ireo tovovavy 18 hatramin'ny 30 taona no tena lasibatra ao amin'ny sehatra nomerika. Na izany aza, mbola tsy misy ny fanadihadiana antontan'isa ahafahana mahafantatra ny antsipirahan'ny habe sy ny toetry ny herisetra nomerika.

[16]

Mampiseho torohevitra sy tolo-kevitra ao amin'ny pejiny Facebook [16] ny Mandam-Pirenena ho an'ny Mpirahavavy mikasika izay tokony atao rehefa misy olona manitsakitsaka ny zo momba ny fiainana manokana amin'ny alalan'ny fandefasana votoaty manaitaitra na ara-nofo tsy nahazoana alalana.