Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

14 Oktobra 2019

Tantara tamin'ny 14 Oktobra 2019

Lilly Satidtanasarn, ilay zazavavy 12 taona miady amin'ny loto ateraky ny plastika ao Thailandy

Mieritreritra ireo olon-dehibe fa manao entimody na tetikasa any am-pianarana aho. Tsy noraisin-dry zareo ho matotra aho saingy nanohy nandefa imailaka tany aminy aho ary amin'izao, mandray ahy ho matotra ry zareo.

Vehivavy Mpikatroka Meksikana miady ho amin'ny fiarovana azy ireo ao amin'ny aterineto

Noho ny tenirohy #LoVirtualEsReal [tena misy ny virtoaly], nahavita nanova ny lalàna ireo olom-pirenena sy mpikatroka Meksikana toa an'i Olimpia Coral Melo Cruz mba hanasaziana izay olona rehetra, na vadiny na sipany na tsia, mamoaka sary amin'ny endrika mamoafady na fiainana manokana ara-pananahana tsy misy fankatoavan'ilay olona miseho amin'ny sary na lahatsary.

Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny

GV Mpisolovava

Nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversite injeniera ambony ao amin'ny firenena.

Ny fitsaboan-tena maharitra rehefa afaka tany Xinjiang

Manolotra ny fikarakarana ara-pitsaboana ho an'ireo niharam-boina tany amin'ny tobim-pamonjana Shinoa ny tetikasa fanohanana ara-bola handraisana anjara ao Kazakhstan saingy ela vao sitrana ny fiantraikan'izany ara-tsaina.

Blind Dates: Ny Feon'ny Radio Antserasera ao Thessaloniki

Rising Voices

Manome hirika tsy manam-paharoa ho an'ny taranaka vaovao mpamokatra radio, izay mpikambana ao amin'ny vondron'olona jamba any Thessaloniki ny Radio Blind Dates, azo jerena ao amin'ny sehatra My Radio Stream,