- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mibilaogy miabo: Mandinika ny Andro Manerantany hiompanana amin'ny SIDA amin'ny alalan'ny Sioka

Sokajy: Mediam-bahoaka, Mibilaogy Miabo, Rising Voices

(Lahatsoratra teny anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011)

Hirika iray hitambaran'ny olona maneran-tany amin'ny ady amin'ny VIH (SIDA) amin'ny fomba rehetra azon'izy ireo atao ny Andro Iraisampirenena hiompanana amin'ny SIDA any aminny vondrom-piarahamonina samihafa. Efa nampiasaina ny tenirohy #WAD11 sy #WorldAIDSDay mba hanomezana topi-maso mikasika ny zava-mitranga manerana an'izao tontolo izao momba ity lohahevitra ity. Nanoro hevitra ny fampiasana tenirohy #BlogPos sy #WAD11 ny Rising Voices ary nandrisika sioka amin'ny fiteny rehetra sady manonona ny fireneny.

Nanantena izahay fa mety ahitana fampahalalana momba ireto manaraka ny sioka: [1]

* How is your community commemorating World AIDS Day?

* What are some of the ongoing issues related to HIV/AIDS facing your community?

* What are you doing to help fight stigma or raise awareness in your community?

* What role does citizen media play in the fight against HIV/AIDS?

* Ahoana no fomba hankalazan'ny vondrom-piarahamoninao ny Andron'ny SIDA manerantany?

* Inona ny ireo olana sasany ankehitriny mifandraika amin'ny VIH / SIDA atrehin'ny vondrom-piarahamoninao?

* Inona no ataonao hanampiana amin'ny ady amin'ny fanilikilihana na hanentanana ao amin'ny vondrom-piarahamoninao?

* Inona ny anjara asan'ny mediam-bahoaka amin'ny ady amin'ny VIH / SIDA?

[2]

Mpianatra Indiana mandrehitra labozia ny alina mialoha ny Andron'ny Sida Manerantany tao amin'ny renivohitra avaratra atsinanan'i Agartala. Sary avy amin'i Arindam Dey. Copyright Demotix

Ireto misy hafatra vitsivitsy tao amin'ny Twitter nalefa tamin'io andro io. Nisy ireo hafatra manokana:

@T4AApparel [3]: #blogpos #WAD2011 we raise awareness for HIV one tie dye tee at a time!

@T4AApparel [3]: #blogpos #WAD2011 mampahafantatra ny VIH izahay!

@mammysou [4]: Create a generation free of HIV. #WorldAIDSDay #Blogpos

@mammysou [4]: Mametraka taranaka afaka amin'ny VIH. #WorldAIDSDay #Blogpos

@AdVerse4490: [5] The LGBT community is at-risk for HIV in T&T. Not because of unsafe sex, but unsafe spaces. LGBT Discrimination = HIV #WAD2011 #BlogPos

@AdVerse4490: [5] Atahorana ho tratran'ny VIH ny vondrom-piarahamonina LGTB ao T&T . Tsy noho ny firaisana tsy voaaro fa noho ireo toerana tsy azo antoka, Fanavakavahana ny LGBT = VIH #WAD2011 #BlogPos

@Zeyadsalem: [6] (Zeyad Salem) Imagine a person w a chronic disease and cannot speak up coz people would defame him and deny him the care he needs #WorldAIDSDay #Blogpos

@Zeyadsalem: [6] (Zeyad Salem) Alaivo sary an-tsaina hoe olona manana aretina miverimberina ary tsy afaka miteny satria mety hanala baraka azy ny olona ary tsy hanome ny fikarakarana ilainy #WorldAIDSDay #Blogpos

@3awadalla: [7] (Ahmed Awadalla) I was tweeting about HIV/AIDS today as it's #WorldAIDSDay. Remember to fight the disease but not people living with the disease. #BlogPos

@3awadalla: [7] (Ahmed Awadalla) Nisioka momba ny VIH/SIDA aho androany satria #WorldAIDSDay izao. Tsarovy fa aretina no iadiana fa tsy ny olona manana ny aretina. #BlogPos

@patientopinion: [8] RT @NHSinform: It's World AIDs Day! #WAD 30 yrs on and still no cure for HIV – prevention remains vital bit.ly/u9MaQe

@patientopinion: [8] RT @NHSinform: Andro Manerantany ho an'ny SIDA androany! #WAD 30 taona ary mbola tsy misy fanafany ny VIH – zava-dehibe ny fisorohana

@NelsonMandela: [9] “Yet we spend more money on weapons than on ensuring treatment and support for the millions infected by HIV” #NelsonMandela 2005 #WAD

@NelsonMandela: [9] “Mbola mandany vola be amin'ny fitaovam-piadiana isika fa tsy amin'ny fiantohana fitsaboana sy fanohanana ireo olona an-tapitrisany voan'ny VIH #NelsonMandela 2005 #WAD

@HydeiaBroadbent: [10] (Hydeia Broadbent) Stop thinking there is an image associated with AIDS. You can't tell by looking at someone if they have AIDS #WAD

@HydeiaBroadbent: [10] (Hydeia Broadbent) Atsaharo ny fiheverana fa misy ny sary mifandraika amin'ny SIDA. Tsy afaka milaza amin'ny fijerena olona ianao fa voan'ny SIDA izy

Nanana fanazavana ny sasany:

@risingvoices [11]: What is #BlogPos? Short for “Blogging Positively,” coined by @mentalacrobatic to describe how citizenmedia can play a role in HIV/AIDS field

@risingvoices [11]: Inona izany hoe #BlogPos? Fanafohezana ny hoe “Blogging Positively,” noforonin'i @mentalacrobatic mba hamaritana ny fomba fandraisana anjaran'ny media-mbahoaka eo amin'ny sehatry ny VIH/SIDA

[12]

Maureen Kirigo, mpiantsoroka vondrom-piarahamonina miaraka amin'ny Widows and Orphans International, (maty vady sy kamboty iraisampirenena) mitazona balaonina sariohatry ny Andro manerantany miompana amin'ny SIDA ao amin'ny fampirantiana momba ny fahasalamana ara-pananahana ao Avaratra Atsinanan'i Londra. Sary avy amin'i Elsie Kibue. Copyright Demotix.

Nizara vaovao ny sioka sasany:

@georgiap: [13] (Georgia Popplewell) Trinidad & Tobago's Ministry of Health is conducting a 12-day HIV testing drive. Info at bit.ly/vrDpGW #BlogPos #WAD11

@georgiap: [13] (Georgia Popplewell) Manatontosa fitiliana VIH mandritra ny 12 andro ny minisiteran'ny fahasalamana ao Trinité & Tobago. Vaovao ao amin'ny bit.ly/vrDpGW #BlogPos #WAD11

@mentalacrobatic: [14] (Daudi Were) Kenya’s national commemoration of #WorldAidsDay moved from Nairobi to Kisumu for 2011 #BlogPos

@mentalacrobatic: [14] (Daudi Were) Fankalazana nasionaly ny #WorldAidsDay ao Kenya niala tao Nairobi nankany Kisumu tamin'ny taona 2011 #BlogPos

@UNAIDS : [15] Africa leads the way, 22 countries reduced new infections by a quarter. But 70% of all new HIV infections are in Sub-Saharan Africa. #WAD

@UNAIDS : [15] Mitarika i Afrika, firenena 22 nampihena hatramin'ny ampahefatry ny aretina vaovao. Saingy ao Afrika Atsimon'i Sahara ny 70% n'ny aretina VIH vaovao

@hausofjay: [16] (Marry The Night) Lady Gaga, the voice of M•A•C's campaign in the fight against HIV/AIDS, has raised more than $55 million, in support of those affected. #WAD

@hausofjay: [16] (Marry The Night) Lady Gaga, ny feon'ny fanentanan'ny M•A•C's amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA izay nahavita nanangona vola 55 tapitrisa dolara mahery ho fanohanana ireo voan'ny SIDA.#WAD

@UNDP_Europe_CIS [17] (UNDP Europe and CIS) 1/2 of #HIV infections in #EasternEurope & #CentralAsia in 2010 were due 2 drug users sharing needles bit.ly/kp4CjX #WAD

@UNDP_Europe_CIS [17] (UNDP Eoropa sy CIS) Ny 1/2 amin'ny aretina VIH ao #EasternEuropa & #CentralAsia tamin'ny taona 2010 dia noho ireo mpampiasa fanafody (zava-mahadomelina) mifampizara (mifampindrana) fanjaitra

Nizara rohy misy lahatsoratra bilaogy sy tantara ny sioka sasany:

@serina_k Serina [18]: Tribute to Ruthie, an AIDS orphan http://serinaserina.wordpress.com/2011/12/01/tribute-to-ruthie/ #BlogPos #WAD11

@serina_k Serina [18]: Manome voninahitra an'i Ruthie, kamboty voan'ny IDA

@risingvoices: [19] Egyptian blogger @3awadalla shared stories about the challenge of fighting HIV/AIDS stigma. is.gd/Gq82CL #BlogPos #WAD11

@risingvoices: [19] Bilaogera Ejypsiana @3awadalla nizara tantara momba ny fanamby amin'ny ady amin'ny fanlikilihana ny voan'ny VIH/SIDA is.gd/Gq82CL #BlogPos #WAD11

@iSchoolAfrica: [20] Thanks! “@risingvoices: Great work by young citizen journalists from @iSchoolAfrica in S.Africa on #WAD11 #BlogPos is.gd/k24B7V”

@iSchoolAfrica: [20] Misaotra! “@risingvoices: Asa mahafinaritra avy amin'ireo mpanao gazety olon-tsotra tao amin'ny @iSchoolAfrica ao S.Africa tamin'ny #WAD11 #BlogPos is.gd/k24B7V”

@stephenfry [21] (Stephen Fry) Many good places to visit to remind yourself about how dangerous as prevalent HIV still is HIVaware.org.uk & worldAIDSday.org #WAD

@stephenfry [21] (Stephen Fry) Toerana tsara marobe tsidihana mba hampahatsiahy ny tenanao momba ny loza ateraky ny VIH HIVaware.org.uk & worldAIDSday.org #WAD

Lahatsary sy fandraketam-peo:

@sirajdhaka: [22] (Shahjahan Siraj) Bangladesh live channel machizo.com/live #BlogPos #WAD2011.

@sirajdhaka: [22] (Shahjahan Siraj) fantsona mivantana ao Bangladesh machizo.com/live #BlogPos #WAD2011.

@UNDP_Europe_CIS: [23] (UNDP Europe and CIS) Condoms can save your life in more ways than you think – check out this video from #Montenegro bit.ly/sz9vfu #HIV #WAD

@UNDP_Europe_CIS: [23] (UNDP Eoropa sy CIS) Afaka mamonjy ny ainao amin'ny fomba maro tsy araka ny heverinao ny Fimailo – jereo ity lahatsary avy any #Montenegro ity bit.ly/sz9vfu #HIV #WAD

@solanasaurus [24]: The @globalvoices podcast marks #WAD11 w/ activists in #Kenya and #Egypt on sexual health education http://t.co/YXju1tG8 #BlogPos

@solanasaurus [24]: Manamarika ny #WAD11 ny fandraketam-peon'ny @globalvoices miaraka amin'ireo mpikatroka ao #Kenya sy #Egypt mikasika ny fanabezana ara-pananahana