- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahitana ny vanim-potoanan'ny fibodoana an'i Japana sy ny tantaran'ny fanagadrana ny Japoney-Amerikana ity angon-tsary an-tserasera ity

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
General MacArthur lands in Japan [1]

Fanazavana: “Ny jeneraly MacArthur nipetraka niaraka tamin'ny fiaramanidina C-54 tao amin'ny seranam-piaramanidina Atsugi, 32 kilaometatra miala an'i Tokyo, / tamin'ny fitsidihany voalohany an'i Japana.” Sary inoana fa nalain'ny mpaka sary  tao amin'ny Photo Division SCAP ary avy eo nangonin'i Ted Akimoto nandritra ny fitsidihany an'i Japana niaraka tamin'ny SCAP. Hatsaram-pon'ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0 [3]

Ahitana ny vanim-potoana taorian'ny ady izay niainan'i Japana teo ambany fibodoan'ny fitondrana tafika mpiara-dia ary nitolona ho an'ny fanarenana ny angon-tsary hita an-tserasera .

Ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2] dia ahitana sary maherin'ny 250 ary nalain'i Theodore Akimoto ny sary sasany tamin'izany, niaraka tamin'ny sary hafa nangonin'ny mpaka sary nandritra ny fotoana niarahany niasa tamin'ny Jeneraly Douglas MacArthur, Kômandy Ambonin'ny Tafika ho an'ny Tafika Mpiara-dia (SCAP) [4] , izay nitondra an'i Japana ho mpanao jadona virtoaly [5] an-taonany maro taorian'ny ady.

Ted Akimoto taking a photograph [6]

“Ted Akimoto eo am-pakana sary”. Fanazavana: “Ny fakantsary lehibe antsoina hoe 4×5 Speed Graphics no nampiasainay. Tsy mipika ho azy izany fa nalaina ny fitaovana hitazomana ny horonana vita amin'ny hazo/ izay nitazomana ny horonana tamin'ny andaniny sy ankilany, napetraka tao an-damosin'ny fakantsary, tsoahana ireo diapositives, asiana jiro tselatra, / kendrena tsara ny sary ary pihina avy eo ! / Apetaka indray ilay diapositives avy eo, tsoahana ary averina apetaka ao amin'ny fakantsary ary apetaka indray ny jiro tselatra vaovao! ” Sary natolotry ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto /a>. CC BY-NC-SA 4.0 [2]

Ny Densho Digital Repository [7] no mampiantrano ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto, izay mitahiry ireo sary, antontan-taratasy, gazety, taratasy ary ny dosie lehibe momba ireo Amerikana Japoney nampidirina am-ponja tany Etazonia taorian'ny fanombohan'ny Ady Lehibe Faharoa. Nogadraina niaraka tamin'ny fianakaviany talohan'ny nidirany tao amin'ny tafika Amerikana ary lasa niasa tany Japana nandritra ny fibodoana i Theodore Akimoto, teratany Amerikana.

Nilaza ny Densho Digital Repository momba ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto hoe:

The Theodore Akimoto Family Collection consists of materials from Theodore Akimoto's time with the 44nd Regimental Combat Team, Military Intelligence Service, 71st Signal Service Battalion, and Photo Division SCAP. The majority of the images document Ted Akimoto's time as a U.S. Army photographer during the occupation of Japan.

Ahitana fitaovana tamin'ny andron'i Theodore Akimoto niaraka tamin'ny ekipan'ny Rezimanta faha-44 , ny Sampam-pitsikilovan'ny Miaramila, ny Sampan-draharaha Fanairana faha 71 ary ny Divizionan'ny Sary SCAP ny Ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto. Mirakitra ny andron'i Ted Akimoto amin'ny maha mpaka sary azy tao amin'ny Tafika Amerikana nandritra ny fibodoana tany Japana ny ankamaroan'ny sary.

Araka ny filazan'i Theodore (Ted) Akimoto [8] tao anatin'ny fitantarana andian-tsary dia tsy ny sary rehetra ao amin'ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto rehetra akory no nalain'i Akimoto tenany fa naka sary ihany koa ny vondrona miaramila isankarazany nisahana ny fanadihadiana ny vanim-potoanan'ny fibodoana taorian'ny ady tany Japana. Eo ambanin'ny lisansa Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 4.0 International License [3] ny sary rehetra.

Rubble left from fire bomb attacks [9]

Fanazavana: “Niharihary teny rehetra teny ny fahombiazan'ny baombanay, indrindra fa tany amin'ireo / faritra indostria izay nisy ala fivoahan-tsetroky ny orinasa sy ny rindrina vita béton.” Sary avy amin'ny  Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0

Tamin'ny fotoana nanafihan'ny Japoney ny Pearl Harbour tamin'ny 7 Desambra 1941, nipetraka tany Los Angeles, Kalifornia ny fianakaviana Akimoto [10]. Nikasa hilatsaka an-tsitrapo hanao raharaha miaramila izy telo miarahaly tao amin'ny fianakaviana dia i Victor, Johnny, ary Ted Akimoto taorian'io andro io araka ny andiany All Things Considered [10] tamin'ny taona 2016 izay nalefan'ny National Public Radio (NPR) any Etazonia. Fotoana fohy taorian'izany anefa, noroahana tamin'ny basy hiala tao an-tranony tao Los Angeles ny fianakaviana ary nogadraina tany amin'ny toby mitoka-monina izy ireo tahaka ireo Amerikana Japoney hafa an'arivony ary very avokoa ny fananany .

Niditra ho anisan'ireo lisitry ny Ekipan'ny Rezimanta faha-442 [11] izy telo mirahalahy ny farany, izay vondron-tafika ahitana ireo zanaky ny Japoney mpifindramonina nanolo-tena hanao fanompoana miaramila ary nanompo tany Eoropa. Maty tany Eoropa i Victor sy Johnny Akimoto [12] raha nalefa tany Japana kosa i Ted taorian'ny ady ho mpaka sary ofisialy an'ny Jeneraly Douglas MacArthur tany Japana.

View of The Ginza District in Tokyo in 1946 [13]

Fanazavana: “Ginza 1946″. Sary natolotry ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0

Manolotra ny topi-maso sasantsasany momba ny fandehan'ny fanarenana taorian'ny ady tany Japana ny angon-tsary. Mampiseho an'i Ginza, distrika fivarotana mandroso be teo aloha tany afovoan'i Tokyo, izay mbola rava tanteraka, niaraka tamin'ny fotodrafitrasa tena antitra ity sary etsy ambony ity, nalaina tamin'ny taona 1946. Mampiseho an'i Ginza efa voaorina indray ny sary eto ambany, nalaina herintaona taorian'izay, nahitana fiara maro, kamiao fitaterana, fiara fitateram-bahoaka ary ireo fiara hafa eny an-dalana.

View of the Ginza District in Tokyo in 1947

Fanazavana: “Ginza 1947 /  Ginza tamin'ny taona 1946 sy herintaona taty aoriana. Mariho fa misy ny marika Tokyo PX ny zoron'ny tranobe/sary tamin'ny taona 1947. Ary ny tsy fisian'ny fifamoivoizan'ny môtô afa-tsy ny fiara GI tamin'ny taona 1946. ” Sary natolotry ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0

Mampiseho ihany koa ny angon-tsary fa mbola lavitr'ezaka ny fanatrarana ny firoboroboan'ny firenena sy ny fahombiazana niseho taorian'ny ady tamin'ny fahagagana niroboroboan'ny toekarena Japoney [14]  Mbola nijaly tamin'ny vokatry ny tondra-drano, araka ny asehon'ity sary manaraka ity ny faritra ambanivohitra.

Japanese refugees paddle on makeshift raft through flooded village [15]

Mpitsoa-ponenana Japoney mivoy lakana manavatsava ny tondra-drano ao amin'ny tananakely, tany amin'ny taona 1945-1947 tany ho any. Sary natolotry ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0

Mbola nitohy ihany ny faharavana fa tsy nitsahatra tamin'ny taona 1945 izay nahitana ny fandamahana ny tanàndehibe Japoney tamin'ny vanim-potoan'ny ady. Tamin'ny volana Jolay 1948, ravan'ny horohorontany [16] indray ny tanànan'i Fukui izay nanaovana fanarenana lehibe taorian'ny nidarohana baomba azy tamin'ny taona 1945. Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny famonjena ny tanandehibe taorian'ny zava-nitranga ny fibodoana nataon'ny tafika Amerikana.

Overhead view of Fukui, Japan [17]

FEC-48-5331 [17]. 28 Jolay 1948. Fukui, iray volana taorian'ilay horohorontany: iray volana taorian'ny faharavana izay nitranga tany amin'ny faritra atsimo Japoney, tanàna amoron-tsiraka, rehefa namely tsy nitsitsitsitsy ny horohorontany sady tsy nampandre ny harivan'ny 28 Jona 1948, efa nampanantena ny fotoanan'ny fanarenana haingana i Fukui. Niaraka tamin'ireo manampahaizana nanombantombana fa enin-taona no ilaina amin'ny famitana ilay asa dia efa nanomboka nanangana indray ny tranony ny Japoney. Mpaka sary- Dargis / Saripika avy amin'ny Army Signal Corps.” Azon'ny rehetra ampiasaina

Ahitana sary nalaina tany Korea tany amin'ny vanim-potoana nifaranan'ny ady ihany koa ny angon-tsary raha nanafaka ny firenena ny tafika Mpiara-dia.

Koreans welcoming American troops [18]

Fanazavana: “Tany Korea, ny vahoaka miandry ny fahatongavan'ireo tafika Amerikana tamin'ny fiafaran'ny ady.”  Sary natolotry ny  Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0

Nanohy nampianatra ny fakana sary sy zavakanto nandritra ny 30 taona tany amin'ny lisea iray tany amin'ny tobin'ny tafika Amerikana tany Alemaina i Ted Akimoto, ary maty tamin'ny taona 1989 [10]. Notahirizin'ny Densho Digital Repository an-tserasera ankehitriny ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto [2].

Japanese woman with a heavy backpack [19]

Vehivavy Japoney mibaby kitapo mavesatra. Sary natolotry ny  Angon-tsarimpianakaviana Theodore Akimoto [2]CC BY-NC-SA 4.0