- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fitetezana ny mozika afrikanina (2006)

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Nizeria, Senegal, Zimbaboe, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny janoary 2006)

Inona izany hip hop Afrikanina? Avy any Nairobi ka hatrany Dakar, nahasarika ny sain'ny tanora ny hip hop, izay mamokatra tarika mpanao rap, break dance ary b-boys marobe. Maro no mihevitra fa avy amin'ny vanim-potoanan'ny Mpampita hevitra araka ny fombandrazana afrikanina no nipoirany, mihevitra kosa ny sasany fa zavatra niainan'ny Afrikana-Amerikanina manokana izany. Na avy aiza na avy aiza anefa no nipoiran'ny hip hop, dia tsy mampiova zavatra izany, fitempo sy gadona ihany. Obi no anarako ary mibilaogy ao amin'ny soul on ice [1]. Tongasoa ato amin'ny fitetezana ny mozika Afrikanina.

Complicated Fun [2] mamoaka ny momba ny hip hop Kenyana sy ny Afrofuturism [3] ary miresaka momba ny Fetin'i Kenyatta tany Minneapolis (10 oktobra 2005).

“While Kenyatta Day [4] offers a glimpse of Africa's future in hip hop and cinema (see below), the local exhibit, discussion, and events surrounding Afrofuturism at the Soap Factory (near St. Anthony Main) peer forward into the future of the African Diaspora, and use the sci-fi imagination to satirize the past”

Raha nanolotra topi-maso amin'ny hoavin'ny Afrika eo amin'ny taranja hip hop, sarimihetsika (jereo etsy ambany) ny Fetin'i Kenyatta [4], dia niditra Afrofuturism tao amin'ny Soap Factory (akaikin'ny Lalambe St. Anthony), ary nampiasa fomba fakana sary an-tsaina sci-fi mba hamasohana ny lasa ary hitodihana amin'ny hoavin'ny zanaka ampielezana Afrikanina ny fampiratiana ao an-toerana, ny fifanakalozan-kevitra sy ny hetsika nataonay”

Manohy ny Complicated Fun [2]  amin'ny firesahana ny fandefasana voalohany ao an-toerana ny sarimihetsika fanadihadiana antsoina hoe Hip Hop Colony izay notontosain'ny tale Kenyana Mike Wanguhu.

Miresaka momba ny ekipa hip hop Senegaley Daar J [5] ny Bob's blog [6]:

“If Africa is in the midst of a hip-hop renaissance, the Senegalese trio Daara J could be the movement's foremost statesmen. Earning accolades worldwide for their vibrant 2004 record Boomerang [7] (Wrasse Records [8]), the Dakar-based MCs Faada Freddy, N'Dongo D and Aladji are keen to explore the links between worlds old and new, and their music lies at the crux of what they call an emerging “hip-hop civilization.”

“Raha ao anatin'ny famelomana indray ny hip hop i Afrika, dia mety ho olona manan-kaja indrindra amin'ny hetsika ny trio Senegaley Daara J. Nahazo fankasitrahana tamin'ny olona maneran-tany noho ny zava-bitan'izy ireo tsara indrindra tamin'ny taona 2004, Boomerang [7] (Wrasse Records [9]), afaka mitrandraka ny fifandraisana eo amin'ny tontolo taloha sy ny vaovao i MCs Faada Freddy, N'Dongo D sy Aladjiina any Dakar, ary anisan'ny antsoin'izy ireo hoe ” sivilizasiona hip-hop vaovao” ny mozikan'izy ireo .

Manome rohy [10] mankany amin'ny resadresaka niaraka amin'i Faada Freddy sy rohy [11] mankany amin'ny mozikan'izy ireo sasany (kexp seattle [12]) ny bilaogin'i Bob.

Mandeha ny Amboara Afrikaninin'ny Firenena [13] ary mampatsiahy antsika ny tsy fahombiazan'i Nizeria handray anjara amin'ny amboara manerantany i Naija Jams [14]. Andro mialoha ny lalao fanokafana hifanandrinana amin'i Ghana, avy amin'ilay mpihira Amerikanina sady milaza fa mpilalao baolina kitra, Pa-J [15] ny teny fampaherezana:

“When it comes to Nations Cup,
Ghana Go Hear Wien…
Na den, them go sabi what’s up
Ghana Go Hear Wien…
Shebi na 3-0 dem go chop
Ghana Go Hear Wien…
When the green white green enter the green grass
Show time, make we skata anything dey waka pass”

“Raha mikasika ny Amboaram-pirenena,
Alefa Ghana …
Na den, them go sabi what’s up
Alefa Ghana…
Shebi na 3-0 dem go chop
Alefa Ghana…
Rehefa miditra ao amin'ny bozaka maitso ny maitso fotsy maitso
Asehoy ny fotoana, ataovy skata anything dey waka pass”

Miandrandra mafy baolina kitra mahafinaritra sasany i Naija Jams ary nanome fifandraisana mp3 mankany amin'ny hiran'i Pa-J, Ghana go hear wein..

Ny bilaogy Best Ambiance [16] kosa manolotra antsika:

“New music tonight from Ladysmith Black Mambazo and the Mahotella Queens from South Africa, as well as music from Brazil, Madagascar, Angola, Cameroon, Guinea-Bissau, Nigeria, Senegal, Ethiopia, Eritrea, and much more.”

“Mozika vaovao androany alina avy amin'i Ladysmith Black Mambazo sy Mahotella Queens avy any Afrika Atsimo, ary koa mozika avy any Brezila, Madagasikara, Angola, Kamerona, Guinea-Bissau, Nizeria, Senegaly, Etiopia, Eritrea ary ny maro hafa. “

Nandefa rohy [17] mankany amin'ny fandaharana antserasera amin'ny onjam-peo (kexp seattle [12]) ary manome raki-tsarin'ny mozika ny bilaogy Best Ambiance. Afaka mahita rohy mankany amin'ireo fampisehoana voatahiry ao amin'ny bilaogy ihany koa ianao. Mahita aho fa ny rohy ao amin'ny Real Radio no tsara indrindra. Mozika tsara dia tsara.

Mamoaka fanadihadiana mahaliana miaraka amin'i Thomas Turino, profesora momba ny mozika sy ny anthropôlôjia ao amin'ny Oniversiten'i Illinois ao Urbana ny bilaogin'ny BluePie Artists [18].

After conducting extensive field work in Zimbabwe during the 1990s, he published
“Nationalists, Cosmopolitans, and Popular Music in Zimbabwe” (University of Chicago Press, 2000). A complex work examining the role of music in Zimbabwe’s liberation struggle and establishment of statehood, Turino’s book provides an excellent account of the social, political, and historical circumstances in which Thomas Mapfumo rose as a composer, singer, and bandleader.

Rehefa avy nanao asa maro ifotony tany Zimbaboe, namoaka ny “Hira Nasionalista, Kosmopolitana sy malaza ao Zimbaboe” (Oniversite any Chicago Press, 2000) izy. Asa goavana mandinika ny anjara asan'ny mozika tamin'ny tolon'ny fanafahana tao Zimbabwe sy fananganana fanjakana iray, manome fitantarana mahatalanjona momba ny toe-javatra ara-tsosialy, ara-politika sy ara-tantara ny bokin'i Turino, izay nanandratana an’ i Thomas Mapfumo ho mpamoron-k ny hira, mpihira ary lehiben'ny orkesitra.

Nalaza ary mbola malaza foana noho ny mozikany manohitra ny governemanta tamin'ny vanim-potoana Rhodeziana i Thomas Mapfumo [19]. Tamin'ny resadresaka natao, dia miresaka momba ny asa fikarohana nataony sy ny fijanonany tany Zimbaboe ny profesora Turino.

Manasongadina tetikasa mozika mahaliana ataon'ny DJ Doug Schulking [20], antsoina hoe Culture Shock ny WFMU's Beware of the blog [21].

“Dont pass up this amazing collection of jaw-dropping, mind jarring cross-cultural music hybrids. Eighty minutes of melodious map-melters that set the world on its ears”

“Aza avela handalo fotsiny ity angona mahatalanjona amin'ny fifangaroan'ny mozika ara-kolontsaina mahagaga ity. Feon-kira valopolo minitra izay hampihaino ny olona manerantany”

Manolotra mozika avy amin'ireo mpanakanto Afrikana (Ali Farka Toure [22], Babba Maal), mpanakanto Indianina sy Shinoa ny Culture Shock. Nanolotra ny mp3 rehetra azo trohana maimaim-poana miaraka amin'ny fampahalalana momba ny hira tsirairay i Doug ho fanomezana ho an'ireo mpihaino azy. Manana fampisehoana mozika an-tserasera antsoina hoe “Give the Drummer Some” koa izy. Voatahiry ao amin'ny pejiny ireo fampisehoana taloha.