Kamerona: Manao fanadiovana i Yaoundé mialohan'ny fahatongavan'ny Papa
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)
Ho any Kamerona ny Papa Benoit XVI ny 17 ka hatramin'ny 24 Martsa 2009. Manosika an'ireo tomponandraikitra handray fepetra ifotony mikasika ny fanadiovana izany, hoy ny fanamarihan'ny blaogy Griet,Thorsten, Jara and Lisa [teny anglisy]:
1 Ireo tranotranokely rehetra, ireo trano, sy ireo tranohazon'ny mpivarotra ka tsy dia tsara rafitra loatra dia narodana tamin'ny fiarabe mpitrongy tany ‘bulldozer’ avokoa. Mandalo ilay fitaovana goavam-be, manadihady ny misy anao tranohazo/trano/na zavatra hafa, ary rehefa tsy azoazon'ny mpamily ilay fiarabe izany, dia potehany fotsiny miaraka amin'izay rehetra ao anatiny. Herinandro no nanombohan'io tao afovoan-tanàna. Tampotampoka teo, tsy nahitana an'ireo mpivarotra mandehandeha intsony ny arabe, nanjavona avokoa ireo tranotranokely teo an-toerana, sy ny sisa… Amin'izao fotoana izao [ny asa] dia miitatra hatrany amin'ny seranam-piaramanidina.
2 Misy jiro vaovao be mitaratra ny làlana mankany amin'ny seranam-piaramanidina. Saingy amin'ny faritra mitondra mankany amin'ny afovoan-tanàna irery ihany.
3 Amin'ny Talata, azo antoka – mbola ho fantarina ny an'ireo andro hafa – dia ho tapaka ny làlana miala eny amin'ny seranam-piaramanidina hatreny afovoan-tanàna. Fanamarihana: ny hariva no ho tonga ny papa, saingy tsy maintsy vao maraina dia efa akatona ny làlana. Noho izany dia tsy ho afaka handeha hiasa ny olona na miverina, na handeha an-tsekoly, sy ny sisa….
Misy rohy mankamina blaogy hafa ihany koa ao anatin'ilay lahatsoratra, dia ny an'ny fianakaviana iray mpila ravinahitra, Sander Elke en Milan [néerlandais] izay mampiseho ny sary fandrodanana ireo tranotranokely manamorona ireo arabe ao Yaoundé.
Nitarika adihevitra teo amin'ireo bilaogy roa tantanina mpila ravnahitra ao Kamerona ireo fandrodanana ireo. Συγκακοπαθησον, bilaogy iray amin'ny teny anglisy soratan'ny Amerikàna misionera iray, nanoratra mikasika ireo fiovàna endrika tao Yaoundé vokatry ny fandolavan'ny papa ao Kamerona.
Koa, ahoana ny fahatsapako manoloana izany rehetra izany? Tsara ny hoe mahazo ainga vao amin'izany ny tanàna – azo antoka fa vokatr'izany dia toy ny hoe tsara kokoa ny fahitàna ny zavatra rehetra, ary ho mora sy tsy hampidi-doza ny fifamoivoizana na ny fikarohana taxi noho ny fisian'ireo jiro be mitaratra eny an-dalambe amin'ny alina – saingy tena mampalahelo fa tsy maintsy mandalo amin'ny fandravàna ny fombam-piainan'ny olona ity fanadiovana ity. Indrisy fa tsy mahalala n'inon'inona momba izay “fitsipika” ireo olona ireo, ny sasantsasany ninia fotsiny izao, ary dia mizaka ny vokany izy ireo ankehitriny. Ny mampalahelo dia toy namela ny gaboraraka hisy (mety hatramin'ny 10 taona na mahery aza) ireo tomponandraikitra, mandrapitrangan'ny zavatra tena manan-danja, sahala amin'ny fahatongavan'ny papa. Raha nalàn'izy ireo arakaraka ny nipoirany ireo endriny ireo, dia tsy hisy mihitsy ny karazana famotehana ny fiveloman'ny olona tahaka izao. Hatrany hatrany, heveriko fa ny lalàna dia hijanona ho lalàna hatrany, eny fa na dia tsy ampiharina aza izy.
Io fijery io dia tsy niraisana, izay no farafahakeliny azo lazaina, ho an'ilay solontena britanika iray izay manoratra blaogy ao amin'ny Our Man in Cameroun. Tsotra ny fanehoankeviny ao anatin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Missionnaire Impossible [anglisy].
Ireo talantalana teny an'arabe dia tafiditra anatin'ny endri-piainana eto. Misy izany na aiza na aiza. Mora ny mikiry biby milaza fotsiny fa tsy ara-dalàna izy ireo, nefa mety ho fotodrafitrasa vita tamina akora mafy izy ireny . Fanampin'izany, raha toa izy ireo tsy ara-dalàna, azoko sary an-tsaina fa navela hijanona sy hiasa izy ireny satria nisy , tany ho any, olona nandray tsolotra mahazatra nitentina farantsa an'aliny.
Mifofotra ny olona eto. Afaka matoky ianao fa tsy dia miova tanana matetika ireo fotodrafitrasa ireo, ary ao anatin'ny firenena ahitànay orinasa sy ny mpandraharaha mpanamaivan-javatra… fomba iray hampaherezana azy ireo ity. Raha miombona hevitra amin'izay rehetra nosoratako ianareo ary hitanareo, sahala amin'izay hitako, fa ny fijerin'ity misionera ity dia mitovy amin'ny an'ny olona iray tsy mahalala na inona na inona akory, azafady manorata fanehoankevitra. Tsy eto aorian'ity, fa any amin'ny blaogin'ilay misionera.
Na izany aza, naneho ny heviny teo amin'ny blaogy Our Man in Cameroon mikasika ity tantara ity ihany ireo mpamaky. Nitranga ireo fanehoankevitra, tamin'ny fotoana izay nidiran'i Karis, vadin'ilay misionera, an-tsehatra mba hiaro ny vadiny [teny anglisy]:
Oadraaay! Tsy noeritreritiko mihitsy fa ny vadiko no mety hiteraka sahoa tahaka izao. Mihevitra aho fa indraindray dia ireo mahalala anay irery ihany no mamaky ny blaoginay, ary izy ireo no mahalala hoe ahoana no handraisana izay soratanay, fa tsy potipotehana anatina andalana isan'andalana, nefa tsy mahafantatra anay akory.
Trav, misaotra tamin'ireo teny tsara nataonao. Papa A, misaotra tamin'ny hatsikana. Vitanao foana ny mampitsiky ahy. Iriako raha ianareo rehetra izay naneho hevitra teto sy teo amin'ny blaoginy no mahalala ny vadiko – dia tsy ho henjana ianareo amin'ny fandrasarasàna ireo fehezanteny. Imbetsaka izahay mivady no niady hevitra mikasika ny mampaharikoriko ny fanesorana amin'ireo olona ny antom-pivelomany, izany rehetra izany dia atao noho ireo andro vitsy monja andalovan'ny papa. Raha nandalo tany an-tanandehibe izahay tamin'ny Alatsinainy ka nahita ireo entana natsipy tany anatin'ireo fiarabe, naloiloy aho. Efa imbetsaka no nilazanay hoe : “Ahoana no fomba hisakafoanan'ireo olona ireo anio alina? Ary rahampitso, ary raha afaka ampitso?” Mety mbola hihoatra lavitra an'izay aza… Ary androany, hitako izy nanampy olona tamin'ny famindràna ireo milina fanjairan-dry zareo, ny latabatra, harona fasiany ny entany, tery lavidavitra kokoa tamin'ny làlanay, raha ireo tomponandraikitra kosa nandalo miaraka amin'ny fiarabe mpitrongy tany ‘bulldozer’. Tsia, tsy mbola nanisy tsindrim-peo loatra tato anatin'ity lahatsoratra ity mihitsy mikasika an'ireo adihevitra rehetra nifanaovanay na ireo asanay, fa tsy hita moa… tsy midika akory izany fa hoe tsy miraharaha ny olona eto akory ny vadiko an! Azoko atao ny mandresy lahatra azy hanoratra lahatsoratra iray hafa, saingy tsy azoko antoka, satria tsara kokoa ny mijanona hatreo, mba tsy ho rotika fanindroany indray. Vady iray izay manohana mafy ny vadiny mahafinaritra anefa tsy ho afaka hanova ny fisainana akory.
sy nitsahatra hatreo ireo fifanakalozana. Naka endrika tsy nampoizina teny anaty tontolon'ny bilaogy ity fitsidihan'ny papa ity…
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...