- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

NETmundial 101: Fanomanana ny amboara eran-tany ho an'ny Aterineto

Sokajy: Brezila, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsary nivoaka tamin'ny Aprily 2014)

Sao Paolo la nuit. Photo d'Andre Deak via Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Sao Paolo amin'ny andro alina. Sary an'i Andre Deak tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Nanaraka mivantana ny NETmundial [1] ho an'ny Advox i Marianne Diaz sy Sarah Myers, izy io izay zaikabe iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny Aterineto, natao ny 23 sy 24 Aprily tao Sao Paolo, Brezila. Niara-nivondrona tao daholo na ny fiarahamonim-pirenena, na ireo orinasa, na ireo mpisolotena ny governemanta manerana izao tontolo izao, mba hitafa momba ny hoavin'ny fitantanana ny aterineto taorian'i Snowden. Anatinà fizaran-dahatsoratra [2] momba io hetsika io ity lahatsoratra ity.

Hatao ao Sao Paulo, Brezila, ny herinandro ho avy izao ny Fivoriambe ahitàna antoko maro momba ny hoavin'ny Fitantanana ny Aterineto. Tarihin'ny Filoham-pirenena breziliana, Dilma Roussef, ary tohanan'ny Filohan'ny Orinasa ho an'ny Fanomezana Anarana sy Adiresy anaty Aterineto (ICANN), Fadi Chehadé, io fihaonana io, izay hamory ireo solontenan'ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny vondrompiarahamonina eny amin'ny anjerimanontolo sy ny teknika mba “hamaritra ireo fitsipika iraisam-pirenena sy rafitra ara-panjakana ahitàna antoko maro misahana ny fitantanana ny aterineto”.

Ny somary mahagaga dia nisy drafitr'ireo fitsipika ireo sy “tondrozotra” iray ho an'ny famolavolàna io tontolo io navoaka ny herinandro lasa teo ary mbola misokatra ho an'ny fanehoankevitra izy io [3]. Niteraka adihevitra ny sasany tamin'ireo fisehony – toy ny fandavana ny fiteny hoe “tsy fitanilàn'ny aterineto” sy ny fanovàna azy aminà fiantsoana teknika kokoa, sy tsy dia mitodika loatra amin'ny zon'olombelona, hoe “principe de bout-en-bout [4]” – na teo aza ireo adihevitra lava sy mafana momba ny toejava-misy amin'ilay tambajotra sy ny fitantanana azy.

Raha maro ireo mihevitra fa mety hampisy fiovàna goavana eo amin'io adihevitra io ilay fivoriana — amin'ny fotoana izay hankalazan'ny Aterineto ny faha-25 taonany sy ny fanaovana antso eran-tany ho an'ny fanambaràna ny Zon'ny Aterineto — misy ihany koa ny ahiahy kely eo amin'ny fahafahan'ito fihaonana ito hanome vahaolana azo tsapain-tànana. Tsy resy lahatra ny amin'ny maha-ilaina ny fanampiana fanambaràna fanampiny tsy misy hery mpanatanteraka akory manoloana ny zavamisy ankehitriny ireo mpandinika sasany. Tanatinà lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Mitadiava fomba fiteny ho an'i Brezila: ny fisoloana tena sy ny ara-drariny anatin'ny fitantanana ny Aterineto [5]” (rohy maty), namoaka hevitra ireo manampahaizana momba ny fiantanana ny Aterineto, Milton Mueller sy Ben Wagner, fa mety ho “famerimberenana ireo adihevitra taloha” fotsiny ihany io fivoriana io:

Mitaratra amin'ny ampahany ny filàna fifanarahana anivon'ny firenena maro ny Antso ho an'ny fivoriana any Brezila momba ireo “fitsipika iraisam-pirenena”, izay mety hanakana ny fandikàna ireo zo mitovy karazana amin'izay nasehon'ny fanarahamason'ny NSA. Toa mampihevitra antso ho an'ny Diarin'i Tonisy an'ny SMSI ihany koa ity, ho an'ireo fitsipiky ny politikam-bahoaka ampiharina eran-tany anatin'ny fitantanana ny aterineto. Saingy feno fitsipika navoaka tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa hany ka sarotra ny mahita izay zavatra amboniny hoentin'ny fivoriana ao Brezila. Nahatratra ny fara-tampony ny famokarana ‘Fitsipika mifehy ny Aterineto’ miaraka amin'ireo fitsipika manokana ho an'i Brezila novolavolain'ny CGI momba ireo ‘Fitsipika iraisam-pirenena mikasika ny fampiharana ireo zo fototra amin'ny fanarahamaso ny fifandraisana’ arovan'ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena, ireo tatitra maro nataon'ny Mpitatitra Manokan'ny Firenena Mikambana Frank la Rue, ireo fitsipiky ny OSCE ‘Ifehezana ny Aterineto’ na ny UNESCO izay manosika amin'ny Aterineto iraisana. Ilay antsoin'ireo manampahaizana sasany hoe ‘fotoana fanorenana’ dia toa famerimberenana fotsiny hatrany hatrany ireo teny mitovy anatinà andrim-panjakana samy hafa.

Kanefa miaraka amin'ny fanekena ny ‘Marco Civil’ farany teo [6], ilay atao hoe “Fanambaràna ny Zon'ny Aterineto” nataon'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka Breziliana, fara-faharatsiny i Brezila toa miresadresaka momba ny kiondalana ampiova tanteraka ny fiarovana ny zon'ireo mpampiasa. Miaraka aminà lalàna mihatra hifehy ny aterineto an-dàlam-panekena, manisy lanjany bebe kokoa ny adihevitra ny anjara asan'i Brezila amin'ny maha-mpampiantrano sy mpampiroborobo ny NETmundial azy.

Na dia voalaza [7] aza fa “valinteny an-katezeran'izao tontolo izao manoloana an'i Etazonia noho ny fandraisany anjara anatin'ny fitsikilovana niomerika” ny NETmundial, navoitran’ [8]ireo mpikarakara ny fivoriana tsara fa “tsy hanao resaka na hetsika hanolorana vahaolana amina lohahevitra voafaritra mazava toy ny fiarovana, ny fiainana manokana, ny fanarahamaso, sns” io fihaonana io.

Amin'io fotoana io ihany, miandrandra zavatra goavana ireo mpandinika maro manoloana ny fikasan'ny Sampana amerikana eo amin'ny Varotra hamindra ny asa fandrindràny ny rafitra mifehy ireo anaran-tsehatry ny aterineto any amin'ny vondrompiarahamonin'ny aterineto iraisampirenena. Raha ohatra ka mihevitra ny “hiraharaha ny fangatahan'ireo mpandray anjara rehetra anatin'io lasitry ny fitantanana ny aterineto” io ny NETmundial dia tsy maintsy miresaka momba ny fiovan'ny ICANN amin'ny fanangonana ny hevitr'ireo mpandray anjara amin'ny fomba mirindra sy feno ary mangarahara.

Hatao ny 23 sy 24 Aprily ao Sao Paulo, Brezila ny NetMundial, ary hisy ivontoerana fandraisana anjara lavitra  [9]miisa 33 ihany koa anatinà firenena 23. Hizotra ao anatin'ny vohikalany manaraka io fotoana io ihany koa ny hetsika (http://netmundial.br).