- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raha mihatsara ny filaminana ao El Salvador, mihemotra kosa izy eo amin'ny fahalalahan-gazety

Sokajy: El Salvador, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Nosakanan'ny tao amin'ny Presidansa ny fidiran'ny El Faro sy Revista Factum nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanora-gazety. Loharano: El Faro/Victor Peña. Nahazoana alalana.

Tiam-bahoaka ny Prezidà Nayib Bukele ao El Salvador. Tonga tao amin'ny Prezidansa ilay mpandraharaha tia Twitter tamin'ny 1 Jona 2019, tsy manana foto-kevitra politika mazava niainga avy tamin'ny fahadisoam-panantenana naharitra am-polony taona tamin'ireo governemanta nifandimby na avy amin'ny ankavanana na avy amin'ny ankavia. Taona maro naha-ambony toerana ny kolikoly, herisetram-pikambanan-jiolahy, tsy fisian'asa ary famindra-toerana ankaterena no nahatonga ny vahoaka hino fa i Nayib Bukele no mety ho kapiteny hitondra an'i El Salvador any amin'ny lalana marina. 

Nihena [1] avy amin'ny 8,9 isaky ny mponina 100.000 tanelanelan'ny Janoary ka hatramin'ny Mey 2019 ny tahan'ny famonoana olona ka nankany amin'ny 5,6 tanelanelan'ny volana Jona ka hatramin'ny volana Aogositra araka ny lahatahiry nasionaly, izay mampanome toky an'i Bukele amin'ny drafi-piarovana nataony araka ny fomba miaramila. Mihoatra kely ny 50 isanjaton'ny mponina no mahita ny ady amin'ny heloka bevava ho fahombiazana indrindra vitan'i Bukele, raha mahatsikaritra fiovana tsara hatramin'ny nandraisany ny birao kosa ny 90 isanjato [2].

Tamin'ny andro nanambaràny ny paikady iadiana amin'ny kolikoly iraisampirenena, fisantarana andraikitra iray hafa tiam-bahoaka, tsy navelany hiditra tao amin'ny valandresaka ho an'ny mpanora-gazety ireo mpanao mpanora-gazety famotorana. Nisy fifanasana vangy imasom-bahoaka [3] avy eo teo amin'i Bukele sy ireo mpanora-gazety tratran'ny sivana.

Nisioka [4] i Bukele fa “zaza bekonetaka” ireo mpanora-gazetin'ny El Faro sy Revista Factum (ny voambolana “vístimas” solom-boambolana fanesoana víctima, amin'ny teny espaniola no nampiasainy) arynohazavainy fa tsy navela niditra ireo satria ratsyfitondra-tena tamin'ny valandresaka teo aloha. Namaly y mpanora-gazetin'ny El Faro tamin'ny nahafahany nilaza izany teo aloha fa notapahana ny mikrôny raha nanontany izy ka voatery niteny mafy raha hamoaka ny fanontaniany.

Nanampy betsaka ny El Faro sy ny Revista Factum tamin'ny famoahana ireo tsikombakomban-kolikoly sy tsi-fisaziana teo aloha ary eo am-pamotopotorana ny lasa ara-bola ny filoha sy ny fangaraharan'ny governemanta ry zareo amin'izao fotoana izao. Manadihady ihany koa ry zareo ny rafitra ara-keloka bevava ao amin'ny firenena, manampy ny mpamaky amin'ny haavo sy haivan'ny herisetran-jiolahy ao El Salvador.

Ho an'ny maro amin'ny mpanaraka an'i Bukele, voampanga ho mitongilana [5] miady amin'ny filoha ireo fampitam-baovao nomerika ireo. Mpikambana ao amin'ny antoko ankavanana vao niforona, ohatra, ny iray amin'ny mpanorina ny Revista Factum. Amin'ny ankapobeny ireo fampitam-baovaon'ny El Salvador no hita ho efa eo am-pelatanan'ny tombontsoa politika iray na tsy miankina.

Manameloka ny fandrarana na izany aza ny fikambanana iraisampirenena tahaka ny Inter-American Commission on Human Rights [6] (Vaomiera iraisain'ny Amerikana momba ny Zon'Olombelona) sy ny Committee to Protect Journalists [7] (komity mpiaro ny mpanora-gazety). Efa namela ireo mpanao gazety avy eo i Bukele hanatrika ny valandresaka, saingy nantsoiny ho “adala” araka ny hita ato amin'ity lahatsary [8] ity, ny fanontanian'ny mpanora-gazety iray momba ny fangaraharahana ao amin'ny Revista Factum. Nalaza haingana dia haingana io lahatsary io tamin'ireo mpanohana ny fihetsiky ny filoha.

Manazava ny fanahiany tao amin'ny seho iray tao amin'ny radio salvadoriana Pencho y Aída i Carlos Dada, mpanorina ny El Faro.

“Fohy loatra izany zato andro izany hitsarana ny governemanta. Afa-miresaka isika momba ireo fambara voalohany amin'izay mety ho olana amin'ny fanindrahindrana tafahoatra olona iray, olana ara-pitiavantena, ary ny tsy fahazakana ireo feo mitsikera. Antenaina mba hiova izany.”

Noheverina ho toerana mba metimety ihany amin'ny mpanao gazety i El Salvador ao Amerika Afovoany, saingy nihemotra izy—nivarina toerana 15 [12] izy tao amin'ny Tondrom-Pahalalahan-gazety 2019 raha oharina tamin'ny 2018.

Na dia tsy vaovao aza ny fifampihenjanan'i Bukele amin'ny gazety—efa tafiditra izy tamin'ny fandrindrana “troll center” [13] [foibem-panasoketana] avy amin'ny findainy nifamaliany tamin'ny La Prensa Gráfica sy ny El Diario de Hoy tamin'ny taona 2015—dia mbola nihamafy kokoa izany tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.

Manaraka tsara ny fitahirany ireo mpanohana an'i Bukele ary manaisotra fitokisana, na, amin'ny tranga ratsy kokoa aza, manompa ny mpanao gazety sy izay rehetra manao sompirana tsy fitokisana ny fitondran'i Bukele. Mampiasa fomba fiteny [14] ny filoha mampisaraka ireo manohana azy—ny “90 isanjato manohana azy any amin'ny biraom-pifidianana”, sy ireo 4 isanjato izay “tsia.” Milaza moa i Bukele fa “maharikoriko ireo 4 isanjato [15]” satria mitsikera ny tafika mitam-piadiana.

Mety hampihemotra ny hafa hiteny izay ao an-dohany ao amin'ny firenena ny fampamenarana imasom-bahoaka. Nihaika ny fironan'i Bukele mankany amin'ny fametrahana anaty rafitra miaramila an'i El Salvador [16]Karla Castillo, Salvadoriana iray mpikatroky ny zon'olombelona, tao amin'ny Facebook ary lasa nalaza haingana dia haingana ilay paositra. Olona an'arivony no nitsikera ny heviny sy ny tenany tamin'ny alalan'ny fanompana sy fandrahonana azy.

La Secretaría de Prensa de la Presidencia de la República de El Salvador [17] acaba de compartir una serie de imágenes en Twitter, como parte de la celebración de independencia. Un show de represión de la Fuerza Armada, frente a la tarima presidencial. Yo no sé ustedes, pero a mí me da tristeza y miedo al ver estas imágenes. El presidente Nayib Bukele [18] podría marcar la diferencia al celebrar la independencia con tantos actos culturales y artísticos, educativos, incluso. Pero él prefiere hacer una demostración de terror. Más incomprensible es verlos disfrutar del show. No, esto no es independencia, esto es instaurar miedo en la población.

Y para los que defienden estas práctica, les recuerdo del informe que la misma Procuraduría General de la República lanzó hace unas semanas, donde se demostró que las mismas autoridades abusaron de su poder para cometer asesinatos violentos. El informe cuenta al menos 116 víctimas.

Una cosa es utilizar a la fuerza pública, en el marco de su deber, otra muy diferente es hacer un show de entretenimiento con eso. Esto es institucionalizar el terror como una práctica y legitimar el uso, incluso el disfrute, de la represión.

Vao nizara andian-tsary indrindra ny sekretarian'ny fampitam-baovao fiadidian'ny Filoha [17] tao amin'ny Twitter ho ampahany amin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena. Fampisehoana iray ny famoretan'ny Tafika mitam-piadiana, eo anoloan'ny lampihazon'ny filoha. Tsy haiko aloha ianareo, fa mahatsiaro malahelo sy matahotra aho mahita ireo sary ireo. Mety ho nanao zavatra miavaka ho fankalazana ny fahaleovantena amin'ny alalan'ireo hetsika ara-kolontsaina, artistika ary eny fa na ara-panabeazana aza ny Filoha Nayib Bukele [19]. Saiky tiany kokoa ny maneho fampisehoam-pampihorohoroana. Ary vao maika tsy azo mihitsy ny mahita azy ireo mankafy ilay seho. Tsia, tsy fahaleovantena izao, fa natao izao hiteraka tahotra amin'ny mponina.

Ary ho an'ireo izay miaro izao fomba izao, mampahatsiahy anareo aho ny tatitra izay nataon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ampahibemaso herinandro vitsivitsy lasa izay, izay mampiseho fa na ny manampahefana azadia mihoatra amin'ny fahefany hanao herisetra. Farafahakeliny 116 ny lasibatra voaisan'ny tatitra.

Zavatra iray ny mampiasa ny herin'ny governemanta ao anatin'ny sehatry ny adidiny, fa zavatra iray hafa ny mampiasa hery ho fampisehoana fanalana andro. Mametraka ho ao anaty fomba ny fampihorohoroana izany ary mametraka ho ara-dalàna ny fampiasana azy, eny fa na dia amin'ny ao anatin'ny fankafizana famoretana aza.

Image alluded to in Karla Castillo's Facebook post. Taken from her Facebook account and used with permission. [16]

Sary nomarihan'i Karla Castillo tao amin'ny paositra Facebook [16]. Nalaina avy ao amin'ny kaontiny Facebook ary nahazoana alalana.

“Mahatsiaro voatohina ny olona satria i Bukele irery ihany no fanantenany,” hoy i Karla Castillo tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny telefaonina. “Ka izay rehetra fitsikerana ny filoha dia tsikera mankany amin-dry zareo sy ny fanantenan-dry zareo.” Ny mampanahy azy amin'ny Filoha dia ny “hamehan'ny hafa hanaraka ny fitarihany”.

Na dia mino aza izy fa manana fikasana tsara hanarenana ny firenena ny filoha, nilaza izy fa mety “manana teti-panorona hamiliviliana ny saim-bahoaka” ilay rangahy io. Mihevitra izy fa iray amin'ireo tetipanorona ireo ny manao izay hahatonga ny gazety ho fahavalo ary misoroka ireo fanontaniana mety mahadikidiky. Tetipanorona iray hafa, araka ny filazany, ny hanangana vinam-pirenena iray izay tsy mbola misy ary manaratsy ireo hevitra manohitra. 

“Mazava loatra fa tiako ny firenena hivoatra, efa niaina izany tantaram-pamonoan'olona maharikoriko izany ny namako,” hoy izy. “Saingy tiako ny zavatra raha vitaaraka ny rariny sy ny hitsiny.” Mihevitra izy fa na ny famelezana ny fahalalaham-pitenena fotsiny aza dia efa endrika herisetra rahateo.

 “Nanoratra manokana tamiko ny olona tany an-takonana tany misaotra noho ny fitondrako ny feo, satria tsy mahasahy mitsikera ny filoha ankarihary ry zareo noho ny fanafihana an-tserasera,” hoy ny filazany.