Netizen Report: Fanafihana ratsy nanapaka ny Wikipedia tamin'ny aterineto

“Mpijirika” avy amin'ny Tetikasa Preiser tao amin'ny Flickr. (CC BY 2.0) 

Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena ary vaovao malaza momba ny teknolojia sy zon'olombelona manerana an'izao tontolo izao ny Advox Netizen Report. Ity tatitra ity dia mandrakotra ireo vaovao sy tranga nandritra ny 6 ka hatramin'ny 13 septambra 2019.

Tapaka nandritra ny ora maromaro ny Wikipedia tamin'ny 6 sy 7 septambra tany amin'ireo firenena manerana an'i Eoropa, Afovoany Atsinanana sy Amerika Avaratra, noho ny fanafihana antserasera tamin'ny fotodrafitrasan'ny tranonkala ao Etazonia sy Vondrona Eoropeana, hoy ny Wikimedia Foundation .

Na dia efa nikatona hatry ny ela tany Torkia sy Shina aza ny Wikipedia, ary nakatona vetivety tany amin'ireo firenena hafa, toa an'i Venezoela, noraisin'ireo manampahefam-panjakana ireny fepetra ireny tamin'ny fanamarinana araka ny lalàna [ao amin-dry zareo].

Tamin'ity tranga ity dia tsy nampoizina tanteraka ny fahatapahana, ary tsy nataon'ny tompon'andraikitra ofisialy ao amin'ny governemanta. Fa toa vokatry ny fitaovana maromaro mifandray amin'ny tranokala indray mandeha, tamin'ny fanafihana (DDoS).

Fikambanana iray fantatra ao amin'ny Twitter hoe @UkDrillas no nilaza fa tompon'andrakitra tamin'ny fanafihana, na dia tsy voamarina aza izany. Na dia naato aza ity kaonty Twitter ity, dia nahavita naka sy namoaka ny pikantsarin'ny lahatsoratra ny fampahalalam-baovao Israeliana Haaretz, izay manome ny antsipirihan'ny fahatapahan'ny Wikipedia. Nanonona ny siokan'ny @UkDrillas ihany koa Haaretz, izay milaza fa misy ifandraisany amin'ny “andrana atao amin'ny fitaovana IOT vaovao” io fanafihana io, milaza fa tsy nataon'ny olona na roboto mandefa fitakiana tahiry avy amin'ny solosaina mahazatra ny fanafihana, fa nataon'ny tambajotrana Fitaovana an-trano mahazo aterineto na fitaovana “Internet of Things (IoT)”, toy ny vata fampangatsiahana “maranitra”.

Nanamarika ny HackRead, bilaogy momba ny fiarovana antserasera fa lasa mahazatra tao anatin'ny taona vitsy lasa ny fanafihana atao amin'ny alalan'ny fitaovana IoT.

It is worth mentioning that lately, hackers have been using vulnerable and unauthentic smart devices such as vending machines security cameras, coffee machines, Smart TV, and even Internet-connected cars to conduct DDoS and ransomware attacks.

Tsara ny manamarika fa tato ho ato, nampiasa fitaovana marani-tsaina marefo sy tsy tena izy ireo mpijirika, fitaovana toy ny milina fivarotana, fakantsary fanarahamaso), milina fakàna kafé, Fahitalavitra Raitra (Smart TV), ary koa ireo fiara misy aterineto mihitsy aza mba hanaovana fanafihana DDoS sy rindrampisolokiana.

Tao amin'ny bilaogy ofisialy momba io tranga io, Wikimedia Foundation nanoratra hoe:

We condemn these sorts of attacks. They’re not just about taking Wikipedia offline. Takedown attacks threaten everyone’s fundamental rights to freely access and share information.

Manameloka ireo karazana fanafihana ireo izahay. Tsy momba ny fanapahana ny Wikipedia antserasera ihany izany. Fa manohintohina ny zo fototry ny tsirairay hiditra sy hizara vaovao an-kalalahana ny fanafihana fanakatonana.

Nodakan'ny Twitter ny baoty ry Raul Castro sy ny fampahalalam-baovaom-panjakana Kiobàna

Tamin'ny 12 septambra, nitatitra ny media Kiobàna fa naato tsy nisy fampilazana ny kaonty Twitter an'ny filoha teo aloha Raul Castro sy ireo fampahalalam-baovao tantanin'ny fanjakana Kiobàna marobe. Raha namaly ny fanontanian'ny Reuters, nilaza ny tompon'andraikitra ofisialy ao amin'ny Twitter fa “mandràra ny mpampiasa tsy hanamafy na hanakorontana resaka amin'ny fomba ivelany amin'ny fampiasana kaonty marobe ny politikan'ny fampiasana ny sehatry ny orinasa (Twitter).” Naverina ny sasany tamin'ireo kaonty ny hariva, ka anisan'izany ny kaonty ofisialin'ny Granma, gazety mpivoaka isan'andro sady sampana ofisialin'ny  Antoko Komonista Kiobà. Mbola tsy mandeha kosa ny kaonty ofisialin'i Raul Castro tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra.

Na dia tsy fahita firy amin'ny kaontin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana aza ny mamerina ny hafatra avy amin'ireo manampahefanan'ny antoko, izay mety ho fanitsakitsahana ny politikan'ny Twitter sy hiteraka fampiatoana, dia mitana andraikitra tokana amin'ny tombontsoam-bahoaka kosa ireo kaonty ireo amin'ny maha loharanom-baovao ofisialy azy. Ary raha vao nosakanana, dia nitarika tany amin'ny ny pejy “kaonty miato”, ka tsy ahitana fandraketana izay navoakan'ny kaonty  tany taloha.

Tamin'ny resadresaka tamin'ny Twitter momba ny tranga, nanoratra ilay mpanao gazety Kiobanina sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Elaine Diaz hoe:

Entre las cuentas bloqueadas se encuentran los medios más importantes para conocer la versión oficial del gobierno cubano en un momento de crisis e incertidumbre. Mientras no se explique qué ocurrió esto sigue siendo un acto de censura que debe ser denunciado.

Anisan'ireo kaonty notapahana ny an'ireo fampahalalam-baovao izay tena manan-danja indrindra amin'ny fahatakarana ny dika ofisialy [momba ny zava-misy] mandritra ny krizy na ny fotoanan'ny fisalasalana avy amin'ny governemanta Kiobanina. Raha mbola tsy misy fanazavana momba ny zava-nitranga, dia hitohy toy ny hetsika sivana tokony homelohina izany.

Mety hiatrika sazy handoa onitra mitentina 3 000 dolara noho ny “retweet” ilay Japoney mpanangom-baovao

Mety tsy maintsy mandoa onitra noho ny famerenany ny hafatra iray ilay mpanao gazety Yasumi Iwakami, hafatra milaza fa nasaina namono tena ny mpiasa iray tao amin'ny governoram-panjakana teo aloha. Na dia efa nofafan'i Iwakami aza taty aoriana ilay hafatra nozaraina, dia mbola nitory an'ilay mpanao gazety noho ny fanalam-baraka ny governoran'i Osaka teo aloha Toru Hashimoto, nitaky 1,1 tapitrisa yen (manodidina ny 10.000 dolara Amerikana) noho ny fahavoazana. Namoaka didy ny fitsarana tao Osaka tamin'ny 12 Septambra fa mila mandoa ny ampahatelon'ny vola ihany i Iwakami, noho ny ambahindainy – manana mpanjohy 180k ao amin'ny Twitter i Iwakami- sy ny zava-misy fa tsy voaporofo ny fanambarana tany am-boalohany.

Manenjika ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny media eo an-toerana ny praiminisitr'i Singapaoro

Notorian'ny praiminisitra any Singapaoro Lee Hsien Loong i Terry Xu, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny tranonkalam-baovao tsy miankina The Online Citizen, noho ny fanalam-baraka tamin'ny lahatsoratra iray izay nanakianan'i Xu ilay mpitarika ny vahoaka (PM) manana disadisa amin'ireo mpiray tampo aminy. Heloka izay ahazoana sazy henjana mandritra ny roa taona an-tranomaizina sy onitra ny fanalam-baraka any Singapaoro.

Nilaza ireo mpitsikera fa ohatra iray hafa amin'ny fandraisana henjana ataon'ny governemanta amin'ny haino aman-jery tsy miankina sy ny vondrona hafa izay mitatitra fomba fijery tsy mitovy amin'ny manampahefana ao amin'ny firenena izany- na dia efa nampangain'ny fitondrana ankehitriny ho nanala baraka azy aza i Xu teo aloha.

Nanohitra ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra mba hikendry olona izay mamerina ireo fanambarana nataon'ireo mpiray tampo aminy i Kirsten Han, mpanao gazety sady mpikatroka:

If the comments are so harmful to his reputation, why is he not suing his siblings and allowing their comments to remain up online? If those comments can remain publicly available, why is it that repeating them will attract a lawsuit claiming that one has harmed his reputation?

Raha manimba ny lazany ny fanehoan-kevitra, nahoana izy no tsy mitory ireo mpiray tampo aminy ary mamela ny fanehoan-kevitr'izy ireo hijanona ao anaty aterineto? Raha azo ajanona ho hitan'ny daholobe ireo fanehoan-kevitra ireo, nahoana ny famerenana azy ireo no hiteraka fitoriana milaza fa nanimba ny lazany ny olona iray?

Niverina ihany ny aterineto any Papoà

Namerina tamin'ny laoniny ny fidirana amin'ny aterineto tany amin'ny faritany Papoà Andrefana sy Papoà ihany ny fanjakana Indoneziana tamin'ny 5 septambra, namarana ny fanakatonana izay nanomboka tamin'ny 21 aogositra taorian'ny fitomboan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fihoaram-pefy ataon'ny miaramila.

Nitranga ny fihetsiketsehana sy ny fanakatonana taorian'ny fifandonanana izay niantsoin'ireo manamboninahitra ao amin'ny tafika hoe “rajako” ireo mpianatra Papoaziana – fomba fiantso manavakava-bolonkoditra izay matetika iantsoana ireo Papoaziana manana hoditra mainty kokoa noho ny Indoneziana Aostroneziana. Tamin'ny 17 aogositra, dia mpianatra 42 eo ho eo no notanan'ny polisy nandritra ny alina iray. Nitohy tany amin'ny faritany sy ireo tanàna hafa Indoneziana ny fihetsiketsehana sy ny fikomiana ho setrin'ny fitazonana sy ny fampiasan'ny miaramila fanevatevana manavakava-bolonkoditra.

Nilaza ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta fa natao ny fanakatonana ny aterineto mba hanakanana ny firongatry ny vaovao sandoka sy ny tsaho mandritra ny fihetsiketsehana. Tamin'ny fanambarana an-gazety, nampitandrina ny minisitry ny fiarovana ambony fa “raha miharatsy ny toe-draharaha [filaminana], izay antenainay fa tsy hitranga, dia hotapahanay indray ny aterineto.”

Nilaza tamin'ny Global Voices ilay mpanao gazety Papoaziana, Arnold Belau any Papoà tamin'ny 9 septambra fa na dia nesorina aza ny fandraràna, dia mbola ratsy dia ratsy ny fidirana amin'ny aterineto sy ny tolotra tahiry finday ao amin'ny renivohitry ny faritany Papoà ao Jayapura.

Fikarohana vaovao

 

 

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report

 

 

Oiwan Lam, Mong Palatino, Juke Carolina Rumuat, Taisa Sganzerla sy Nevin Thompson no niara-nanoratra ity tatitra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.