- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolalana Fanoratana volana Janoary: Andeha Hankalaza ny Fiainana sy ny Asan'i David Bowie amin'ny sioka

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Fomba fanoratra

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny janoary 2016)

David Bowie at a Chicago concert in 2008. Photograph by Adam Bielawski from Wikimedia Commons used under (CC BY-SA 3.0) [1]

David Bowie nandritra ny fampisehoana tany Chicago tamin'ny taona 2008. Sary nalain'i Adam Bielawski avy ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Ny Torohevitra fanoratana isan-kerinandro dia fitambarana fomba fanao tsara indrindra amin'ny fanoratana sy fitantarana ato amin'ny Global Voices. Hoentin'i Amira, tonian-dahatsoratra ho an'ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra aminao ny toro-hevitra volana Janoary.

Momba ny sioka fotsiny ny toro-hevitra fanoratana amin'ity herinandro ity. Ny ifantohan'ny fampiharantsika dia ny fankalazana ny fiainana sy ny asan'ilay mpihira Anglisy, David Bowie [2], izay maty teo amin'ny faha-69 taonany taorian'ny ady tamin'ny homamiadan'ny voa [3]. Mamaritra an'i Bowie ho toy ny “iray amin'ireo mpiangaly mozika be mpitia indrindra tamin'ny androny” ny BBC. Betsaka tao amin'ny Twitter no nizara izany fihetseham-po izany ary nandefa sioka tamin'ny fo hatramin'ny nanambaran'ny fianakaviany ny vaovao tao amin'ny kaonty media sosialy ofisialin'ny mpihira, anisan'izany ny Twitter:

10 Janoary 2016 – Maty am-pilaminana androany i David Bowie, nohodidinin'ny fianakaviany taorian'ny ady feno herim-po naharitra 18 volana …

Tiako ny mampiasa sioka amin'ny lahatsoratra satria manome fomba fijery midadasika ho ahy avy amin'ny tontolon'ny fiarahamonina isan-karazany.

Inona avy ny torolàlan'ny GV amin'ny fampiasana sioka?

Araka ny torolàlana momba ny Endrika Fanoratanay [6]:

GV doesn't set a limit for number of tweets per post, but we recommend not including more than 8-10. Avoid adding tweets just to demonstrate a hashtag. Instead, mention the hashtag in the text.

It's important that we don't violate anyone's right to privacy in a quoted tweet. Don't quote from a private Twitter account. Be aware that Storify may bypass this.

Some tweets have to be anonymous to protect the Twitter user concerned. In these cases, try to give a little context if it will not impact the user. For example:

@anon_China, an anonymous Twitter user from Kunming province, China, tweeted on Friday, March 18:

Tsy mametraka fetra ho an'ny isan'ny sioka isaky ny lahatsoratra ny GV, saingy manoro hevitra izahay mba tsy hihoatra ny 8-10 izany. Aza mametraka sioka mba hanehoana tenirohy fotsiny. Fa apetraho ao amin'ny lahatsoratra ny tenirohy.

Zava-dehibe ny tsy fanitsakitsahana ny zon'ny olon-drehetra amin'ny tsiambaratelo ao amin'ny sioka notsongaina. Aza manonona avy amin'ny kaonty Twitter-n'olon-tsotra. Aza adinoina fa afaka misoroka izany ny Storify.

Tokony tsy mitonona anarana ny sioka sasany mba hiarovana ny mpisera Twitter voakasika. Amin'ireo tranga ireo dia andramo ny manolotra votoaty raha tsy hisy fiantraikany amin'ilay mpiserasera izany. Ohatra:

@anon_China, mpisera Twitter tsy fantatra anarana avy any amin'ny faritany Kunming, China, nisioka tamin'ny zoma 18 martsa:

Ahitana zavatra betsaka ny torolalantsika momba ny fandefasana sioka: [7]

Manatsofoka sioka avy amin'ny Twitter.com
Amin'ny ankapobeny, ny fomba tsara indrindra hanatsingana sioka iray dia ny fampiasana kaody embed avy amin'ny Twitter:

  • Mijery ny sioka ao amin'ny Twitter.com
  • Manindry ambonin'ny sioka ary manendry ny bokotra “•••more”.
  • Misafidy ny “Embed” ary mandika ny HTML mipongatra.
  • Manindry ambonin'ny hihy “Text” ao amin'ny paositra ao amin'ny WordPress, mametaka ny embed HTML ao amin'ny fanoratan-dahatsoratra.

Mariho: Tsy mety ao amin'ny fanoratan-dahatsoratra WorPress “Visual” io. Tsy maintsy mampiasa ny fanoratan-dahatsoratra “Text” ianao rehefa hanatsofoka ireo sioka.

Hanana <blockquote> ny kaody naterak'izany ary hahitana ny anaran'ny nanoratra sy ny fotoana nivoahany, izay mety tsara satria midika izany fa tsy mila miahiahy momba ireo zavatra ireo ianao. Na dia tsotra aza izany ao amin'ny fanoratan-dahatsoratra, hiseho miaraka amin'ny sary sy ny endrika Twitter ny sioka rehefa mijery sy mamoaka ny lahatsoratrao ianao noho ny Javascript.

Mametraka an-tanana ny tsongan-tsioka

Raha manapa-kevitra ianao noho ny antony samihafa fa tsy hampiasa ny kaody hita ao amin'ny Twitter, dia tokony farananao amin'ny <blockquote> ny lahatsoratra sioka ary hamarino fa manana ireto singa manaraka ireto izy:

  • Ny anaran'ny mpisera Twitter mifandrohy mankany amin'ny horirantavany.
  • Ny lahatsoratra feno amin'ny sioka, ao anatin'izany ny rohy rehetra.
  • Raha misy fanononana mpisera hafa ao amin'ny sioka, ampifandraiso amin'ny mpisera Twitter mifandraika amin'izany.

Aza manatsofoka pikantsarin'ny sioka mihitsy ao anaty lahatsoratra

Toa vahaolana tsotra ny pikantsary amin'ny sioka, saingy ahitana lesoka marobe izay tsy azo ekena, anisan'izany ny hoe saro-bakian'ny olona tsy ampy fahitana izy ireo ary sarotra ho an'ny mpandika teny ny mitantana azy ireo. Aza ampiasaina mihitsy azafady ny pikantsary rehefa manatsinga zavatra avy amin'ny Twitter ianao.

Mandika teny sioka

Rehefa tsy mitovy amin'ny fiteny amin'ny lahatsoratrao ny sioka, dia ampidiro fotsiny ny blockquote fandika-teny (<blockquote class='translation’>) aorian'ny sioka misy kaody (<blockquote>). Jereo ny fizarana  #Translation_Quotes  [8]amin'ity tahirin-kevitra ity raha mila ny antsipiriany sy ny toro-hevitra amin'ny fampiasana azy ireo.

  • Ny votoatin'ny sioka ihany no adika. Efa hita ao anatin'ny sioka orizinaly ny rohy, ny daty sy ny anarana fisera.
  • Aza mandika ny kaody fampidirana sioka mihitsy. Mampidira “translation blockquote” vaovao ho an'ny lahatsoratra voadika
  • Aza mandika tenirohy
  • Raha mila mampiditra fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny fandikan-teninao ianao (ohatra: mba hanazava fanafohezan-teny), farano amin'ny fango sosona efajoro izany  ([…])

Dia ahoana?

Tiako indrindra ny maro aminareo mba handray anjara amin'ireo sioka amin'ny lahatsoratra fahatsiarovana, izay hosoratantsika miaraka aminy. Ny tanjona dia ny hanangona fanehoan-kevitra isan-karazany manerantany, ho fankalazana ny sangan'asan'i Bowie. […]

Misaotra anao ary amin'ny herinandro manaraka indray miaraka amin'ny fampahatsiahivana vaovao momba ny toro-hevitra fanoratana.