- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olona folo no maty tany Mozambika nandritra ny fihetsiketsehan'ny FRELIMO

Sokajy: Mozambika, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Fampielezan-kevitry ny  Frelimo tamin'ny fifidianana tany Maputo, Mozambika. Saripikan'i Dércio Tsandzana, nahazoana alalana.

Olona folo no maty [2] ary farafahakeliny 85 no naratra tamin'ny fifandonana nandritra ny fihetsiketsehana nataon'i Filipe Nyusi, filohan'ny Mozambika sady kandida indray amin'ny fifidianana. Ny 11 septambra teo no nitrangan'ny fihetsiketsehana tao an-tanàndehiben'i Nampula, any avaratry ny firenena.

Nahatonga ny fisavoritahana ny tsy fahatomombanan'ny fandaminana teo am-pivoahana tamin'ny vavahady iray tamin'ireo vavahady miisa telo taorian'ny fiafaran'ny fihetsiketsehan'i Nyusi izay natao tao amin'ny kianja ny 25 Jona .

Hifidy filoham-pirenena, governoran'ny faritany ary hifidy mpikambana ao amin'ny Antenimieran'ny Repoblika i Mozambika amin'ny 15 Oktobra 2019.

Namoaka fanamarihana [3] mikasika ny zava-nitranga ny FRELIMO, antokon'i Nyusi ny alin'ny faha-11 [3] Septambra .

Neste momento de dor, o partido FRELIMO solidariza-se e lamenta a perda de vida e apresenta as sentidas condolências às famílias enlutadas dos seus membros e simpatizantes.

Deste incidente, 95 membros e simpatizantes do partido FRELIMO foram afetados. Destes, 85 ficaram feridos, 74 tiveram alta, estando ainda em cuidados onze pacientes. Infelizmente, registou-se a perda de vida de dez militantes do partido, sendo seis mulheres e quatro homens.

Miara-miory noho ny fahaverezan'aina sy miombona alahelo ary mamangy amin'ny fahoriana ho an'ireo fianakavian'ireo mpikambana ao aminy sy ireo mpanohana azy ny antoko FRELIMO amin'izao fotoana mangidy izao.

Mpikambana sy mpanohana miisa 95  tao amin'ny antoko FRELIMO no niharan'izany tamin'ity zava-tranga ity. 85 tamin'izany no naratra, 74 no nalefa nody, ary mbola misy maratra iraika ambin'ny folo hafa no omena fitsaboana. Indrisy anefa fa maty ny mpikatroka miisa folo, izay vehivavy miisa enina ary lehilahy miisa efatra.

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena Sala de Paz, izay manara-maso ny fifidianana :

A situação está a gerar uma movimentação anormal no Hospital Central de Nampula, onde pelo menos um operador de câmeras foi espancado por tentar colher imagens.

Niteraka fihetsika tsy ara-dalàna tao amin'ny Hopitaly foiben'i Nampula ity toe-javatra ity, izay nahitana farafahakeliny mpaka sary iray voadaroka noho ny fikasany haka sary.

Taorian'ny voina nitranga, nanapa-kevitra ny hanala amin'ny toerany ny Komandin'ny Faritany PRM ao Nampula, Joaquim Sive ny minisitry ny atitany Basilio Monteiro. Nambara nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety [4] nataon'ny Tale Jeneralin'ny Inspekteran'ny Kômandy Jeneraly PRM, Moses Gueves ilay fanapaha-kevitra :

Face ao incidente ocorrido no dia 11 de setembro de 2019, em que dez membros e simpatizantes do partido FRELIMO perderam a vida a saída do showmicio dessa formação politica, havido no campo 25 de junho na cidade de Nampula, o ministro do Interior, Basílio Monteiro, ordenou a suspensão do senhor Joaquim Sive, (…) das funções de comandante provincial de Nampula.

Manoloana ny zava-nitranga tamin'ny 11 Septambra 2019, izay nahitana mpikambana sy mpanohana tao amin'ny antoko FRELIMO miisa folo namoy ny ainy taorian'ny fivoahana tamin'ny fihetsiketsehana izay nataon'ity fikambanana politika ity tao amin'ny kianjan'ny 25 Jona tao Nampula dia nanome baiko ny hampiatoana an'Andriamatoa Joaquim Sive, (…) amin'ny andraikitry ny kaomandin'ny faritany ao Nampula ny Minisitry ny Atitany Basilio Monteiro.

Nanokana iray minitra fahanginana ho an'ny niharam-boina i Filipe Nyusi raha niverina nanao fanentanam-pifidianana indray araka ny nasongadin'i Julião Arnaldo [5], mpikambana ao amin'ny antoko FRELIMO:

A família Frelimo está de luto!

Um minuto de silêncio, em memória dos camaradas ontem perecidos, no trágico incidente ocorrido no Campo 25 de Junho na Cidade de Nampula.

Misaona ny fianakaviana Frelimo!

Iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana ireo namana namoy ny ainy omaly nandritra ny voina nitranga tao an-kianjan'ny 25 Jona tao an-tanàndehiben'i Nampula.