- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Mangu Purty, mpampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 17 – 23 Septambra 2019

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Sary natolotr'i Mangu Purty

Ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline [1] ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny, hizara ny zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany any amin-dry zareo. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices [2], ny Digital Empowerment Foundation [3], ary ny O Foundation [4].

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo. Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i Mangu Purty (@ManguPurty [5]) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: lazalazao anay ny momba anao azafady.

Mpianatra amin'ny taona voalohany, mianatra ny teny Shinoa aho. Amin'ny 2020 aho no tokony hahazo ny diplaomako. Avy any amin'ny ilany atsimon'i Jharkhand, izay faritra iray mampiasa ny fiteny Ho .

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

Amin'izao fotoana izao, ny fiteny Ho dia hita ety anaty tambajotra fotsiny amin'ny endrika fifampiresahana tsy manara-penitra sy lahatsarin-kira. Ireo fitaovana rehetra azo raisina dia saika amin'ny endritsotratra mampiasa ny fiteny  Latina / Devanagari / Odia avokoa. Hafa ankoatra izany, tsy misy tahiry voasoratra mba azo raisina momba ireo lohahevitra isankarazany , toy ny fiarahamonina, ny siansa sy ny kolontsaina. Amin'ny ampahany, dia vokatry ny tsy fisian'ireo endritsoratra fampiasa amin'ny solosaina sy ny fitaovana ahafahana mampiditra azy ireny. Mba ho tsapa ety anaty tambajotra ny fisiany, mbola mila ezaka ny Warang Chiti, endritsoratra ampiasaina amin'ny Ho. Ary koa, misy ny tsy fahampian'ny fampahatsiarovantena momba ny fampiasàna ny Warang Chiti ety anaty tambajotra.

Fa eny ivelan'ny aterineto, tsaratsara kokoa ny toedraharaha, na tsy mahafapo aza. Ampianarina any amin'ny Oniversite-n'i Jharkhand ny  Ho. Fa ny tena zavadehibe indrindra dia ny sekoly fanabeazana fototra, izay vitsy dia vitsy ireo sekoly no manana mpampianatra ny fiteny Ho .  Amin'ny maha-teny tenenina voalohany azy, tsy ireo teraka tao anatiny ihany, fa mavomavoin'ireo teratany tsy nateraka hiteny azy ny Ho. Zavamisy mampahalahelo ny hoe ireo olona manana ny ampy ara-bola no matetika manome lamosina azy sy mikisika mankany amin'ny fitenanana ny Hindi, izay heverina ho toy ny fiteny manome tombony raha miohatra amin'ny Ho. Nefa misy firehetampo be ihany eny anivon'ireo tanora Ho mba hitahirizany ny tenin'izy ireo sy ny kolontsainy. Nisy maro ireo famoriambahoaka sy hetsipanoherana natao tato anatin'ny taona vitsy lasa mba hitakiana ny  haneken'ny governemanta indiàna ny fiteny Ho..

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

• ny tetikasa Ho Wikipedia.
• Famoronana endritsoratra Unicode mifanaraka amin'ny Warang Chiti .
• Fomba fampidirana ny Warang Chiti.
• Bilaogy
• Fampivoarana ny rakibolana teknika.
• Tantara fohy momba ny endritsoratra sy ny fanekena azy eny anivon'ireo mpiteny ny Ho.
• Fikatrohana ho an'ny teny
• ny fivoarana efa vitra hatreto.

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

Ny tena hery manosika ny ezaka ataoko dia ny fitiavako ny fiteniko mba hitovy amin'ireo fiteny hafa rehetra hitako manerana ny tany. Antenaiko mba ho hita eny anatin'ireo sehatra nomerika ny Ho. Misy mihoatra ny iray tapitrisa ireo mpiteny Ho, tsy afaka ny hanjavona fotsiny amin'izao ilay fiteny, tsy maintsy ataontsika  fotsiny izay ezaka tandrify.