- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chqeta’maj le qach’ab’al k’iche’! (Andao hianarantsika ny K'iche fiteninay!)

Sokajy: Mediam-bahoaka

Tetikasa maimaimpoana izay notontosain'ny Oniversiten'i Texas any Austin, mifototra amin'ny fitenim-paritra K'iche’ ao Nahualá ny Chqeta’maj le qach’ab’al k’iche’! [1] (Andao hianarantsika ny K'iche fiteninay!). Ny mpampianatra, ny mpianatra nahazo diplaoma avy amin'ny oniversite Amerikana sy ireo mpampianatra avy any Nahualá, Sololá, Goatemala no miara-miasa ao anatin'izany. Nanomboka tamin'ny taona 2015 no nisy ny fanatontosana lesona, horonantsary ary rakipeo mba hamoahana ny fitsipi-pitenenana sy ny firafitry ny fiteny ary ny kolontsaina miaraka aminy. Hita ao amin'ny tzij.coerll.utexas.edu ireo lesona ireo  amin'ny fiteny Espaniôla sy Anglisy. Maro ihany koa ireo lesona izay narahana lahatsary YouTube ary azo jerena ao amin'ny fantsona COERLL K’iche’ [2].

Mikasika ny fanabeazana ny fitaovana ary mikatsaka ny fanaovana ho maimaimpoana ny fianarana ny fiteny. Ny fanohizana ny fampivoarana ny fitaovana no tanjon'ny tetikasa mba hanomezana ny mpianatra sy ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina ny fahafahana miditra sy mba hampitomboana ny fahalianana amin'ny fianarana sy ny fampiasana ny fiteny Maya sy ireo fiteny indizeny amin'ny ankapobeny. Nanomboka tamin'ny alàlan'ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Sampan-draharaha Amerikanina ho an'ny Fanabeazana (Fanampiana avy amin'ny sampan-draharaha-panjakana laharana faha-P229A140005) sy ny Ivontoeram-panabeazana Amerikana Lozano Long, ny Arsivan'ny Fiteniny Indizeny any Amerika Latina sy Afovoany ho amin'ny loharanom-panabeazana maimaimpoana sy ny fianarana ny fiteny ( COERLL) any amin'ny Oniversiten'i Texas ilay tetikasa.

Afaka manoratra amin'ny adiresy mailaka coerll@austin.utexas.edu na mifandray amin'i Dr. Ignacio Carvajal amin'ny ignaciocarvajal@ku.edu ianao raha manana fanontaniana ankapobeny.