- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Bilaogera misalasala (2009)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Tantara, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny janoary 2009)

Mitaky tsy fitanilana, fandeferana, ary fahamarinana ny fisalasalana. Nisafidy ny hisalasala i Mona Eltahawyary ary mangataka amin'ny olona mba hisafidy vahaolana i Amr Gharbeia.

Ao amin'ny lahatsorany: “On Fence Toughtest Stance in Mideast [1]“, nilaza i Mona Eltahawy fa:

it’s too easy to take sides in the Middle East conflict. Few other parts of the world inspire such passion or leave such little room for doubt. For many, choosing sides is just an afterthought to their birthright: If you’re an Arab, go join the Free Palestine demonstrations; and if you’re Jewish, go join the Save Israel marches.

Don’t forget, you can always throw God into the mix. Lay claim to your holy sites and you’ll have religiously sanctioned wrath to fuel your rage.

Mora loatra ny mitanila amin'ny fifandirana any Atsinanana Afovoany. Vitsy ny faritra hafa eran'izao tontolo izao manome aingam-panahy ny fitiavana toy izany na mamela toerana kely ho an'ny fisalasalana. Ho an'ny maro, fandinihana aoriana fotsiny amin'ny zo ho terakan ny fisafidianana: Raha Arabo ianao dia mandehana manatevin-daharana ny fihetsiketsehana “Afaho Palestiniana”; ary raha Jiosy ianao dia mandehana miditra amin'ny diabe Vonjeo i Israely.

Aza adinoina fa azonao atao foana ny manipy an'Andriamanitra ao anaty fifangaroana. Takio ny toeranao masina ary tsy maintsy hanana hatezerana saziana ara-pivavahana ianao mba hanamafisana ny hatezeranao.

Nanontany izy avy eo hoe:

what’s the point of choosing sides when both sides are losing? The real challenge when it comes to the Middle East is to sit on the fence and to understand that as with most chapters of this interminable conflict, civilians pay the most expensive price.

inona no ilaina ny fakana andaniny raha samy very ny roa tonta (andaniny sy ny ankilany)? Ny tena fanamby momba an'i Afovoany-Atsinanana dia ny fisalasalana sy ny fahatakarana fa amin'ny ankamaroan'ny toko amin'ity ady tsy mety mitsahatra ity, dia ny sivily no tena voa mafy indrindra.

Ny torohevitra tsara indrindra tsy mitongilana azony omena dia:

From that perch up there on the fence, keep your eyes firmly on Israeli and Palestinian civilians and ask about the responsibility of leaders to their people.

The civilians of Gaza are victims of both Hamas and Israel.

The former have been more concerned with firing ineffectual rockets at southern Israel where they targeted the very group of people they are now accusing Israel of hurting the most in Gaza — civilians.

Israel has launched a punishing bombardment and invasion of Gaza that will be used as the latest proof that it is the neighbourhood bully. Its actions are bound to turn Hamas into the very heroes they don’t deserve to be and possibly unleash a new wave of unconscionable suicide bombings against Israeli civilians.

And all for what?

Manomboka amin'izany fisalasalana izany, jereo tsara ny momba ireo sivily Israeliana sy Palestiniana ary anontanio ny andraikitr'ireo mpitondra ho an'ny vahoakany.

Lasibatry ny Hamas sy Israely ireo sivily ao Gaza.

Ilay voalohany (mpitondra) sahirana kokoa amin'ny tifitra balafomanga tsy mahomby any atsimon'i Isiraely, izay nikendren'izy ireo ny andian'olona izay ampangain'izy ireo ankehitriny fa Israely manenjika loatra ny sivily any Gaza.

Nanomboka ny sazy fanapoahana baomba sy fanafihana an'i Gaza i Israely izay hampiasaina ho porofo farany fa herisetran'ny mpifanolo-bodirindrina izany. Ny fihetsik'izy ireo dia hamadika an'i Hamas ho maherifo tanteraka tsy mendrika azy ireo ary mety hiteraka onjanà daroka baomba vaovao tsy voahevitra amin'ny sivily Israeliana.

Ary inona no anton'izany rehetra izany?

Ary mampitandrina izy fa:

For those of us from the region, the easiest thing might be to follow our birthright to bias but the hardest thing is to scream “Enough” at a time when both sides seem bent on mutual destruction and when to criticize your side ensures accusations of being a sellout.

Ho antsika avy any amin'ny faritra, ny zavatra mora indrindra dia ny manaraka ny zontsika amin'ny fizokiana fa ny zavatra henjana indrindra dia ny mihorakoraka hoe “Ampy” amin'ny fotoana izay toa vonona hifamono ny roa tonta ary rehefa manome antoka ny fiampangana ho filavoana ny mitsikera ny andaniny.

Ary farany dia nanantitrantitra izy hoe:

staying on that fence and being a sellout for peace.

Stay on that fence with me and scream and yell for a ceasefire.

Enough violence.

mijanòna amin'izany fisalasalana izany ary mamadiha izany ho amin'ny fandriampahalemana.

Mijanòna amin'izany fisalasalana izany miaraka amiko ary mihiaka ho an'ny fitsaharan'ny ady.

Ampy ny herisetra.

Namorona fitsapan-kevitra tao amin'ny bilaoginy i Amr Gharbeia, mangataka amin'ireo mpifidy mba hisafidy ny iray amin'ireo safidy sivy hampitsaharana ny fifandirana ary mampiseho ny vokatra  [2]fa maniry ny fandriampahalemana sy ny demaokrasia fotsiny ny ankamaroan'ny olona:

يخرج السكان اليهود من الأرض و تعود بالكامل للمسلمين، و من يبقى يصير من أهل الذمة
26% (50 صوتا)
يخرج السكان اليهود من الأرض و تعود بالكامل للعرب، و من يبقى منهم يصير مواطنا من الدرجة الثانية
8% (16 صوتا)
يعود اللاجئون العرب و يعيشون مع اليهود في دولة ديمقراطية على كامل تراب فلسطين تعطي العرب تمييزا إيجابيا لفترة ما
34% (66 صوتا)
تقوم دولة فلسطينية في حدود تقسيم الأمم المتحدة 1937
5% (10 أصوات)
تطبق القرارات الدولية و تقوم دولة فلسطينية في حدود ما قبل يونيو 1967 مع عودة اللاجئين
12% (23 صوتا)
تقوم دولة فلسطينية طبقا لما تصل إليه المفاوضات التي سقفها الأعلى حدود ما قبل يونيو 1967. عودة اللاجئين خاضعة للتفاوض
8% (15 صوتا)
تقام دولة في الضفة الغربية و أخرى في غزة
2% (3 أصوات)
تسيطر الأردن على الضفة الغربية و مصر على غزة و يستوعب اللاجئون في البلاد الأخرى
2% (4 أصوات)
يهجر العرب خارج أرض إسرائيل
5% (9 أصوات)
Miala ireo teratany jiosy, nanjary firenena silamo i Palestina, ary raisina ho Dhimmi [3] ireo jiosy izay mijanona ao (vato 50/ 26%)
Miala ireo teratany jiosy, nanjary firenena silamo i Palestina, ary raisina ho olom-pirenena sokajy faharoa ny Jiosy izay mijanona ao (vato 16/ 8%)
Miara-mipetraka any Palestina firenena demaokratika ny mpitsoa-ponenana Arabo sy ny Isiraeliana – tombontsoa manokana ho an'ny Arabo (vato 66 / 34%)
Mametraka ny fanjakana Palestiniana araka ny fifanarahan'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1937 (vato 10/ 5%)
Mametraka ny fanjakana Palestiniana araka ny fanapahan-kevitry ny vondrona iraisam-pirenena talohan'ny taona 1967 ankoatra ny fiverenan'ny mpitsoa-ponenana (vato 23/ 12%)
Mametraka ny fanjakana Palestiniana araka ny fanapahan-kevitry ny vondrona iraisam-pirenena talohan'ny taona 1967 – ifampidinihana amin'ny manaraka ny fiverenan'ny mpitsoa-ponenana (vato 15/ 8%)
Manorina firenena roa; iray any Morondrano Andrefana ary iray any Gaza (vato 3/ 2%)
I Jordania no manara-maso ny Morondrano Andrefana, i Ejipta no mifehy an'i Gaza, ary mitady tanindrazana hafa ny mpitsoa-ponenana (vato 4/ 2%)
Terena handao an'i Israely ny Arabo (vato 9 / 5%)