
Ao anatin'ny garan'i Kyoto, novolavolain'i Hiroshi Hara. Saripikan'i Nevin Thompson.
Misy randram-baovao Twitter malaza iray mamoaka hatrany ireo maritrano postmaoderina amin'ny endrika hafahafa ao Japan.
Adam Nathaniel Furman, artista sady mpanome endrika grafika monina ao Londra, UK, no nanangana randramabaovao Twitter ahitana ohatra ampolony amin'ny maritrano postmaoderina hita manerana an'i Japan, miainga avy amin'ny tanàna goavamben'i Tokyo mankany amin'ireo vondrom-piarahamonina somary kelikely kokoa any amin'ny nosy avaratra ao Hokkaido ary ireo faritra sasantsasany ao anelanelan'ireo.
Probably the greatest monument to this era is also one of its last, and I believe the largest, to be completed, Hiroshi Hara’s incomparably spectacular, and overwhelmingly vast Kyoto station, begun in 1990 & finished in 1997
-
Photo courtesy of Linus Yng pic.twitter.com/yFN66iLdZQ— AdamNathanielFurman (@Furmadamadam) September 11, 2019
Angamba ny fanorenana tsara indrindra tamin'io vanim-potoana io sady ny natao farany tamin'izany fotoana izany, ary heveriko ho ny goavana indrindra, vita hatramin'izay, garan'i Kyoto tena mahavalalanina ary midadasika dia midadasika namboarin'i Hiroshi Hara, natomboka tamin'ny taona 1990 ary vita tamin'ny taona 1997.
Voazara in'arivony ilay randram-baovao hatramin'ny fotoana nanoratana, ary manome amin'ny ankapobeny ny endrikendrik'izany maritrano postmaoderina natsangana tamin'ny andro fahiny tsara dia tsara nandritra ny vanim-potoanan'ny tapoaka tamin'ny taompolo 1980 sy 1990, fony mbola nanam-bola hariana am-baravarankely ny rehetra, ka ao anatin'izany ireo mpananga-trano.
Nanao teny fampidirana tamin'ny randram-baovaony Twitter i Furman tamin'ny fanazavana hoe:
[…] Most people associate Japanese design with either cute kitsch or zen-like minimalism, but its much more diverse, & 1 of my particular fav periods was the architecture of its 80-90s boom era; wild, strange & incredibly diverse, & unique in world architectural history
Matetika ny olona rehefa mieritreritra volavolan'endri-panorenana japoney dia na feno zavatra miaraka aminy na izay tena ilaina ihany toy ny an'ny zen no hita ao, saingy ahitana karazany kokoa, fa ny iray amin'ny vanim-potoana tena ankafiziko kosa ny maritranony tamin'ny taompolo 80-90, tsy manara-pitsipika, hafahafa ary tena ahitana karazany tsy mampino, ary tsy manampaharoa eo amin'ny tantaran'ny maritrano
Asehon'ilay tohivakana ny asan'ireo mpahay maritrano anisan'ny tena nankalazaina tao Japan (izay tsy voatery hotondroina ho postmaoderinista ny sasany), toa an'i Hiroshi Hara sy Toyokazu Watanabe.
Toyokazu Watanabe‘s battleship-like Kamo Culture Hall finished in 1994 pic.twitter.com/OP9GrSqvrP
— AdamNathanielFurman (@Furmadamadam) September 11, 2019
Tranoben-kolontsaina ao Kamo mitovy endrika amin'ny sambo mpiady namboarin'i Toyokazu Watanabe vita tamin'ny taona 1994
Bunka No Sato, Cultural Centre, Tsushima Island, Nagasaki Prefecture, Japan, Toyokazu Watanabe, 1990
-
Image unknown source pic.twitter.com/lp9xwy0Sap— AdamNathanielFurman (@Furmadamadam) September 11, 2019
Bunka No Sato, foiben-kolontsaina, nosy Tsushima, prefektioran'i Nagasaki, Japan, Toyokazu Watanabe, 1990
Raha eo amin'ny hoe tahaka ny ahoana tokoa ny maritrano postmaoderina, dia nanamarika tao amin'ny Japan Policy Forum, ilay mpanao tsikera ara-maritrano sy mpahay tantara Igarashi Tarō:
In Japan, the trend for postmodern architecture coincided with the bubble economy. This was a period when strikingly bold forms and daring designs flooded Japanese cities, such as Takamatsu Shin’s Kirin Plaza Osaka and Kitagawara Atsushi’s “Rise.” Peter Eisenman, famous for a relatively small oeuvre of constructed works, was able to build several extremely bold works of deconstructivist architecture in Japan during this period, including the Nunotani Building and the Koizumi Lighting Theater.
Tao Japan, nifanandrify tamin'ny toekarena tapoaka (mibontsina) ny fironana nankany amin'ny maritrano posmaoderina. Izany no vanim-potoana nampiroborobo ireo endri-panorenana mibonkona sy feno fahasahiana tamin'ny tanandehibe japoney, toy ny Plaza Kirin ao Osaka namboarin'i Takamatsu Shin sy ny “Rise” namboarin'i Kitagawara Atsushi. Nahavita fanorenana tena sahisahy amin'ny maripanorenana “deconstructivist” tao Japan i Peter Eisenman, malaza amin'ireo fanorenana somary kely kokoa, anisan'izany ny Building Nunotani sy ny Teathram-pahazavana Koizumi
Namela marika teo amin'ny endri-tanànan'i Japan ihany koa i Shin Takamatsu:
Shin Takamatsu‘s Imanishi Motoakasaka, Tonakyo, from 1991. This one is an absolute mind bender in real life… pic.twitter.com/Q7EO8NGX36
— AdamNathanielFurman (@Furmadamadam) September 11, 2019
Imanishi Motoakasaka namboarin'i Shin Takamatsu, Tonakyo, tamin'ny taona 1991. Tena mandona ny saina tokoa ity iray ity eo amin'ny tena fiainana…
Ahariharin'i Furman fa ahitana ohatra amin'ny maritrano postmaoderina avokoa ny kihondalana rehetra manerana an'i Japana, ao anatin'izany na dia ireo vondrom-piarahamonina mpanjono saro-dalana ao Kushiro, Hokkaido aza.
Fishermen's Wharf, Kushiro, Hokkaido, Kiko Mozuna pic.twitter.com/gqN0ZbCeSl
— AdamNathanielFurman (@Furmadamadam) September 11, 2019
Fandraisana entana avy eny an-tsambo an'ny mpanjono, Kushiro, Hokkaido, Kiko Mozuna
Mbola ahitana maripanorenana postmaoderina ampolony hafa hita ao Japan ny tohivakana Twitter an'i Furman. Namoaka boky iray ihany koa izy, niarahany nanoratra tamin'i Terry Ferrell, momba ny maripanorenana postmaoderina.