- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Voninahitra ho an'i Hong Kong': Hira fanevan'ny hetsi-panoherana

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika
[1]

Pikantsary avy amin'ny Youtube. 

Ity lahatsoratra manaraka ity dia dikanteny anglisy tamin'ny tantara amin'ny teny Shinoa [2] navoaka tao amin'ny Stand News, fampahalalam-baovao tsy miankina ao Hong Kong, nivoaka tamin'ny 11 Septambra 2019. Navoaka tato amin'ny Global Voices izany noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tsingerintaona faha-70 an'ny Repoblika entim-bahoaka ao Shina ny 1 Oktobra. Raha miomana amin'ny lanonana ofisialy ny governemanta Hong Kong, Hong Konger an'aliny kosa no mampiseho hira fanoherana vaovao eny an-dalambe sy eny amin'ireo toeram-pivarotana manerana ny tanàna.

Ilay hira, “Voninahitra ho an'i Hong Kong”, no nantsoin'ny mpiondana aterineto ho hiram-pirenen'i Hong Kong ary dika maro samihafa no nivezivezy tamin'ny aterineto. Eto ambany ny fampisehoana ôrikesitra misy ny hira fanoherana natolotry ny vondrona mpiangaly mozika sy mpanakanto any Hong Kong nitafy toy ny mpanao fihetsiketsehana:

Navoaka voalohany ho hitan'ny daholobe tamin'ny 31 Aogositra  [3]ny hira ary nalaza tamin'ny aterineto avy hatrany satria namoaka ny fihetseham-po sy ny fanahin'ny fihetsiketsehana ny tononkira [Fanamarihana: Nadika avy amin'ny dikan-teny navoaka ofisialy ny dikan-teny amin'ny teny anglisy etsy ambany]

何以 這土地 淚再流
何以 令眾人 亦憤恨
昂首 拒默沉 吶喊聲 響透
盼自由 歸於 這裡
何以 這恐懼 抹不走
何以 為信念 從沒退後
何解 血在流 但邁進聲響透
建自由 光輝香港
在晚星 墜落徬徨午夜
迷霧裡 最遠處吹來 號角聲
捍自由 來齊集這裡 來全力抗對
勇氣智慧 也永不滅
黎明來到 要光復 這香港
同行兒女 為正義 時代革命
祈求民主 與自由 萬世都不朽
我願榮光歸香港

Mampanantena izahay: Tsy hisy ranomaso intsony eto amin'ny taninay,
Amin'ny fanalana ny fahatezerana, ny fisalasalana, mijoro izahay.
Mitsangana! ianareo, izay tsy te-ho andevo indray:
Ho an'i Hong Kong, hanjaka anie ny Fahalalahana!
Na dia lalina aza ny tahotra misy,
Na dia mbola ny finoantsika aza no andehanantsika.
Avelao ho lasa lavitra ny hatezeran'ny rà! Mitombo hatrany ny feontsika:
Ho an'i Hong Kong, hanjaka anie ny Voninahitra!
Mety hanjavona ny kintana, rehefa mameno ny rivotra ny haizina,
Ao anatin'ny korontana, maneno ny trompetra tokana:
“Ankehitriny amin'ny tanana (na fitaovam-piadiana)! Ho an'ny Fahalalahana iadiantsika, amin'izay rehetra mety donintsika.
Miaraka amin'ny herim-po, fahendrena no irosoantsika! ”
Tapaho ny maraina izao, afaho i Hong Kong-ntsika,
Amin'ny fofonaina iraisana: Revolisiona amin'ny vanim-potoantsika!
Hanjaka anie ny vahoaka, mirehareha sy afaka, ankehitriny sy ho mandrakizay
Voninahitra ho anao, Hong Kong!

Mpihira mozika eo an-toerana eo amin'ny faha-roapolo taonany fantatra amin'ny anarana hoe “Thomas” ilay mpamoron-kira ao ambadiky ny hiram-pirenen'ny tanàna. Mpikambana ao amin'ny tarika iray eo an-toerana izy, ary na dia namorona hira pop-rock marobe aza izy teo aloha, dia ity no hirany klasika voalohany.

Ny hevitra ao ambadiky ny hira dia ny hamorona singa iray mety hanintona ny fanahin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong ary hampiray azy ireo. Nitodika tamin'ny hiram-pirenena sy mozika ady hafa ny mpamorona, ao anatin'izany ny Battle Hymn of the Republic (Hiran'adin'ny Repoblika) sy ny Gloria in Excelsis Deo, ho fanondroana ny hirany.

Tamin'ny 26 Aogositra, namoaka ny demo tao amin'ny forum LIHKG tahaka ny Reddit i Thomas, manasa ny mpiserasera mba hanome hevitra. Nohavaozina ny gadona sy ny tononkira, ary nampiana ny teny filamatry ny fihetsiketsehana “Afaho Hong Kong, Revolisionan'ny fotoana” ary nangataka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny LIHKG mba hanampy amin'ny fandraketana ny hira. Telo andro taty aoriana, mpikambana 20 mahery ao amin'ny LIHKG no niseho tao amin'ny studio mba handrakitra ny hira.

Amin'ny alàlan'ny hira, te handefa izao hafatra manaraka izao ny mpamorona:

香港人正在打的,是一場捍衛人民良知自由公義的持久戰,戰場唔單止喺街頭,唔再係立法會入面一條條例撒唔撒,而係思想上、道德價值上,有一大班香港人唔再係利益行先,發現有啲嘢比金錢重要,甚至比性命更重要。

Ao anatin'ny ady ny vahoaka ao Hong Kong ankehitriny ho fiarovana ny feon'ny fieritreretan'ny vahoaka, ny rariny sy ny fahalalahana. Ho ady maharitra izao ary tsy voafetra eny amin'ny arabe, na ao amin'ny Filankevitra mpanao lalàna amin'ny lalàna sasany ny ady. Momba ny soatoavina sy ny fitondran-tenan'ny vahoaka izany. Tsy voafaritry ny tombotsoan'ny olombitsy intsony ny olona ao Hong Kong, misy zavatra lehibe kokoa noho ny vola ary mihoatra noho ny aina.

Nandray anjara tamin'ny ankamaroan'ny fihetsiketsehana tao anatin'ny roa volana lasa i Thomas saingy tsy loha-laharana amin'ny hetsika izy. Raisiny toy ny fitaovam-piadiany tsara indrindra ny mozika :

音樂係一樣好重要的工具,好似前蘇聯,佢哋係控制音樂控制得好嚴謹,因為佢知道音樂好容易鼓動到人心,比起文字、口號、圖片,更有感染力。

Fitaovana tena lehibe ny mozika. Tany URSS teo aloha, nifehy mafy ny mozika ny governemanta satria fantany fa afaka mampifandray ny fon'ny olona sy hikasika ny olona amin'ny fomba mahomby kokoa noho ny teny, ny teny filamatra sy ny sary ny mozika.

Hatramin'ny namoahana azy voalohany, olona an'aliny no nandray anjara tamin'ny flash mob tany amin'ireo tranombarotra lehibe manerana an'i Hong Kong. Ity ambany ity ny iray tamin'ireo fampisehoana tao amin'ny TaiKoo City Plaza tamin'ny 9 septambra:

Ao amin'ny #TaiKoo [4] amin'izao fotoana izao— nohirain'ireo Hong Kongers ao amin'ny toeram-pivarotana Cityplaza ny Hiran'ny Tolona#HongKong [5]. Tena mahafinaritra!#聽出耳油 [6]
Lahatsary tamin'ny Telegram#AntiELAB [7] #HongKongProtests [8] pic.twitter.com/ZZZLPDosqJ [9]

Rehefa nohiraina nandritra ny fifanintsanana Amboara Manerantany tamin'i Iran ny hiram-pirenena Shinoa tamin'ny 10 Septambra, nohorakorahana izany.  [11]Nandritra ny fiatoana, nihira ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ireo mpanohana baolina kitra tao Hong Kong ho solon'izany:

Nihira ny hiram-pirenentsika HK “願榮光歸香港” “Voninahitra ho an'i Hong Kong” tao amin'ny kianjan'i HK ny mpijery rehefa nifaninana tamin'i Iran tamin'ny Amboara Manerantany i HK.

#hongkong [12] #HKprotest [13] #HKprotesters [14] #FreedomHK [15] #FreeHK [16] #FightForFreedom [17] #standwithhk [18] #standwithhongkong [19] #WorldCupQualifiers [20] #glorytohk [21] isika