Andro iray amin'ny fiainan'ny mpioty laingom-bararata iray

Ko Pho La mampiseho ny laingom-bararata vao notazany. / Htet Wai / The Irrawaddy

Tao amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao mahaleotena iray tao Myanmar, ity lahatsoratra avy amin'i Htet Wai ity, ary navoakan'ny Global Voices indray araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Sakafo malaza ao Myanmar ny laingom-bararata. Rehefa amin'ny fotoana lava mandrivotra mitondra orana sy mandritra ny fotoanan'ny orana manomboka amin'ny fanombohan'ny volana jona ka hatramin'ny faran'ny volana septambra no hita ny laingo. Anisan'ny sakafo lavorary any amin'ny ankamaroan'ny tokantrano any Myanmar ny laingom-bararata rehefa ampiarahana amin'ny saosy.

Nefa dia anisan'ny sarotra ny fiainan'ireny mpioty laingom-bararata ireny. Mpioty laingom-bararata monina an an-tanànakelin'i Kyee Bin any amin'ny faritra Irrawaddy i Ko Pho La. Izany tanànakely izany dia miorina andrefan'ny Lalana Pathein-Monywa ao amin'ny fari-tanànan'i Ingapu, ary akaiky ny tangoron-tendrombohitra Arakan.

Na dia miasa any amin'ny toeram-pambolena sy fiompiana aza ny tantsaha sasany, dia ny fanangonana kitay sy fiotazana laingom-bararata no tena ivelomany. Miasa ho mpanofa toeram-pambolena i Ko Pho La, saingy rehefa amin'ny vanim-potoana manorana, rehefa vita fanetsana, lasa izy manangona laingom-bararata (na tsimoka bararata) mba ahafahany mivelona mandra-pahatonga ny fahazoam-bola manaraka.

Ko Pho La any amin'ny lalany hioty laigom-bararata any an'ala / Htet Wai / The Irrawaddy

Amin'ireo andro fanombohan'ny rivotra manorana no ahafana mahita tsimoka bararata eo akaikin'ny tanànany,  fa rehefa tena mandrivotra ny fotoana dia tsy maintsy miditra lalina any an'alan'ny tangoron-tendrombohitra Araka i Ko Pho La hanangonana izay tsaratsara ho amidy.

Koa satria miroboka any amin'ny akata sy ny alaala any ny mpioty, tsy ireo bibidia no tena mampatahotra azy ireo fa ny moka, hoy i Ko Pho La.

Tsimoka bararata any an'ala / Htet Wai / The Irrawaddy

Rehefa misandratra ambony eny amin'ny lanitra ny masoandro ka mitombo isa ny moka, dia tsy maintsy manenjika fotoana maraina manangona araka izay tratra ireo mpioty laingom-bararata mba ho tapitra amin'ny folakandro ny asan-dry zareo. Ankilan'ny moka, ny bibilava ihany koa no matetika atahorana, hoy i Ko Pho La.

Tsy mandeha an-tongotra intsony ny mpioty tsimoka bararata rehefa miverina mody, fa mandeha an-drano, mitsikafona miaraka amin'ny tsimoka bararata manaraka ny rinadranon'i Nan Ka Thu, izay miainga any an-tendrombohitra Arakan, mandra-pahatonga any an-tanàna eny ambodin-tendrombohitra.

Mpioty laingom-bararata an-dalana hody / Htet Wai / The Irrawaddy

Mahangona 10 ka hatramin'ny 20 viss (tokotokony ho 1,6 kg eo ho eo ny 1 viss) ry zareo amin'ny fivoahana indray. Milaza i Ko Pho La fa miezaka izy ny hanangona 15 viss eo ho eo isaky ny mandeha. Rehefa tonga any an-trano izy dia ampangotrahany ny laingo mba ho vonona amidy.

Amidy manaraka ny Lalana Pathein-Monywa ny laingom-bararata amin'ny vidiny 300 kyats (0,20 dôlara US) isaky ny viss, fa rehefa any an-tsenan'i Kwin Kauk, tanàna akaiky indrindra an'i Kyee Bin, mitondra 800 kyats (0,53 dôlara US) isaky ny viss ry zareo.

Vehivavy iray mikarakara ny laingom-bararata ho an'ny mpividy. / Htet Wai / The Irrawaddy

Laingom-bararata efa efa voatahiry sy nasiana masirasira no amidy any an-tsena any Yangon. / Htet Wai / The Irrawaddy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.